Avia, hanaraka Ahy
Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga


“Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga,Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga,Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Fotoam-pianaran’ny Kilonga

Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga

Miomana hampianatra ao amin’ny Kilonga

Ny tokantrano no tokony ho ivon-toerana hampianarana ny filazantsara. Miantefa aminao sy amin’ireo ankizy ampianarinao izany. Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia atombohy amin’ny fanananao ny traikefanao manokana amin’ny soratra masina izany. Hiseho ny fiomanana manan-danja indrindra ataonao rehefa mikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao.

Ampahany manan-danja ao anatin’ny fiomananao ihany koa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Hanampy anao hahazo fahatakarana lalina kokoa momba ireo fitsipika mifono fotopampianarana hita ao amin’ny soratra masina izany.

Ho tonga ao aminao mandritra ny fiomananao ireo hevitra sy fahatsapana momba ireo ankizy ampianarinao. Hahazo hevi-baovao ny amin’ny fomba hitahian’ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina ny fiainan’izy ireo ianao. Hotarihina ianao mba hitaona azy ireo hahita ireo fitsipika ireo rehefa mianatra avy ao amin’ny soratra masina samirery sy miaraka amin’ny fianakaviana izy ireo. Tsarovy ny tokony hitandremanao eo anatrehan’ireo ankizy izay mety tsy afaka manao fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina tsy tapaka noho ny toe-java-misy eo amin’ny fianakaviana.

Hevitra hoenti-mampianatra

Eo am-piomanana mba hampianatra dia mety hahazo fitaomana fanampiny ianao amin’ny alalan’ny fizahana ireo rindran-damina ato anatin’ity loharano ity. Aza raisina ho toromarika arahina tsikelikely ireo hevitra ireo fa ho sosokevitra kosa mba hampitselatra ny aingam-panahinao manokana. Fantatrao ireo ankizy ireo, ary fantatry ny Tompo ihany koa izy ireo, ka tafiditra ao amin’izany ny zavatra ilain’izy ireo sy ny zavatra azony takarina. Hanome anao ireo fomba tsara indrindra hampianarana sy hitahiana ireo ankizy Izy.

Manana loharano maro hafa ianao eo am-panomanana, ka anisan’izany ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa momba ireo loharano ireo sy ireo loharano hafa dia jereo ny “Loharano fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy.”

Zavatra vitsivitsy tokony hotsaroana

  • Manana andraikitra voalohany hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia manana andraikitra manan-danja ianao mba hanohana, hankahery, ary hanorina fianarana ny filazantsara any an-tokantrano. Aoka ianao hitandrina amin’ireo ankizy izay tsy mampianatra ny filazantsara ao an-tokantranony ny ray aman-dreniny. Ampandraiso anjara ao anatin’ireo fifanakalozan-kevitra mikasika ny filazantsara ny ankizy rehetra na inona na inona toe-javatra misy any an-tokantranony.

  • Tsara ny famerimberenana. Mianatra amim-pahombiazana kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny ankizy rehefa averimberina ampianarina amin’ny alalan’ny asa atao isan-karazany ireo fahamarinana ireo. Raha toa ka hitanao fa mandaitra amin’ny ankizy ny asa atao enti-mianatra iray dia avereno izany, indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao. Azonao atao ihany koa ny mamerina asa atao iray avy tao amin’ny lesona teo aloha.

  • Tian’ny Ray any An-danitra hahomby ianao amin’ny maha-mpampianatra anao. Nanome loharano maro Izy hanampiana anao mba hahomby, ka anisan’izany ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra. Afaka mifanoro hevitra amin’ny mpampianatra hafa momba izay mety ho olana atrehanao ianao ao anatin’ireo fivoriana ireo. Azonareo atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ireo fitsipika amin’ny fampianarana araka an’i Kristy sy mampihatra izany.

  • Raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao ka mila fanampiana fanampiny dia jereo ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely” ato anatin’ity loharano ity.

  • Ity loharano ity dia ahitana rindran-damina ho an’ny herinandro tsirairay ao anatin’ny taona ankoatra ireo alahady roa izay hanatanterahana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Amin’ireo alahady izay tsy hisian’ny Kilonga noho ny fihaonamben’ny tsatòka na noho ny antony hafa na inona na inona izany, dia afaka manohy ny famakiana ny Testamenta Vaovao any an-tokantrano ny fianakaviana, araka ny fandaharana voalahatra. Mba hihazonana ny kilasin’ny Kilonganao haharaka ny fandaharam-potoana dia azonao atao ny misafidy ny handingana lesona iray na hanakambana lesona roa. Mba hisorohana ny tsy fifankahazoan-kevitra dia azon’ny filohan’ny Kilonga atao mialoha ny manoro hevitra ireo mpampianatra ny amin’ireo fanitsiana ireo.

Sary
reny manampy ankizy