Avia, hanaraka Ahy
Loharano fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy


“Loharano fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Loharano fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy,”Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019

Loharano fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy

Ireo loharano rehetra ireo dia hita ao amin’ny LDS.org sy ao amin’ny application Gospel Library.

Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Afaka manamboatra izay asa atao avy amin’ity loharano ity ianao mba ho ampiasaina ao amin’ny kilasin’ny Kilonganao. Na dia mampiasa ireo asa atao ireo miaraka amin’ny zanany any an-tokantrano aza ny ray aman-dreny dia afaka ny ho fomba tsara hanampiana ny ankizy hianatra ny famerimberenana. Mety hitantara aminao ny fomba nanatanterahan’izy ireo ireo asa atao niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny zavatra nianarany ny ankizy.

Voyez vos petits Enfants: Manuel de la Garderie

Maro amin’ireo lohahevitra ao amin’ny boky torolalana ampianarana zaza madinika no mitovy amin’ireo izay hampianarinao ao amin’ny Kilonga. Indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao, dia saintsaino ny hijery ao amin’ny boky torolalana ampianarana zaza madinika mba hahitana ireo hira, sy tantara, sy asa atao, ary asa tanana fanampiny.

Gazetiboky Liahona

Ny gazetiboky Liahona dia manolotra tantara sy asa atao izay afaka mameno ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga.

Fihirana sy ny Hiran’ny kilonga

Manasa ny Fanahy sy mampianatra fotopampianarana amin’ny fomba tsy hay hadinoina ny hira masina. Ankoatra ny Fihirana sy ny Hiran’ny kilonga voatonta dia afaka mahita ny raki-peo sy horonan-tsarin’ny fihirana sy hiran’ny ankizy maro ianao ao amin’ny music.lds.org na ao amin’ny application LDS Music.

Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao

Ireo Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao (2005) dia afaka manampy ny ankizy hianatra ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Afaka mahita horonan-tsary momba ireo tantara ireo ianao ao amin’ny medialibrary.lds.org.

Tahirim-pampahalalana amin’ny endriny maro

Ireo asa haikanto, horonan-tsary, ary fitaovam-pampahalalana hafa dia afaka manampy anao sy ireo ankizy hahazo sary an-tsaina ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Tsidiho ny medialibrary.lds.org mba hitsidihana ny amboaram-pitaovana misy ireo fampahalalana an’ny Fiangonana, ka anisan’izany ireo andiana horonan-tsary mikasika ny Baiboly (Bible Videos), izay maneho ireo zava-nitranga tao amin’ny Testamenta Vaovao.

Sary mikasika ny filazantsara

Ireo asa haikanto dia afaka manampy ny ankizy hahazo sary an-tsaina ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Sary maro izay azonao ampiasaina ao an-dakilasy no hita ao amin’ny Boky mirakitra sary mikasika ny filazantsara sy ao amin’ny medialibrary.lds.org.

Manampy amin’ny fampianarana ny ankizy ny lesona

Afaka mahita tovana iray ahitana ireo lahatsoratra tao anaty gazetiboky, sy ireo asa atao, ary ireo fitaovam-pampahalalana mikasika ny karazana lohahevitra ara-pilazantsara maro ianao ao amin’ny lds.org/children/resources.

Miorim-paka ao amin’ny finoana

Raha toa ka mila fanampiana fanampiny ianao amin’ny fahatakarana ireo fitsipika fototra izay hampianarinao ny ankizy, dia diniho ny hijery ny ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana (2004). Io boky io dia manolotra fanazavana tsotra momba ireo lohahevitra ara-pilazantsara, izay voalahatra manaraka ny abidia.

Sary
zazavavy ao an-dakilasy manoratra eny amin’ny solaitrabe

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Io loharanon-kevitra io dia afaka manampy anao hianatra momba ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny fomban’ny Mpamonjy sy ny fampiharana izany. Ireo fitsipika ireo dia resahina sy ampiharina mandritra ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra