Avia, hanaraka Ahy
Ianao dia mpampianatra ankizy


“Ianao dia mpampianatra ankizy,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Ianao dia mpampianatra ankizy,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

Sary
I Jesoa miaraka amin’ny ankizy kely

Ianao dia mpampianatra ankizy

Ianao dia nantsoin’ Andriamanitra mba hampianatra ny zanany amin’ny fomban’ny Mpamonjy. Notendrena tamin’io antso io tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronany masina ianao. Na dia tsy mpampianatra manan-traikefa aza ianao, rehefa manana fiainana mendrika ianao, sy mivavaka isan’andro, ary mandalina ny soratra masina, dia hanome anao ny fitaomana sy ny herin’ny Fanahy Masina Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 33:1).

Zanaky ny Ray any An-danitra ireo izay ankinina aminao, ary fantany izay ilain’izy ireo sy ny fomba tsara indrindra hanampiana azy ireo. Hitarika anao mandritra ny fiomananao sy mandritra ny fotoana hampianaranao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra. Hanambara aminao ny zavatra tokony holazainao sy ny zavatra tokony hataonao Izy.

Amin’ny lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo, ireo ankizy sarobidy ireo dia migoka fampahalalana, manorina sy manatsara ny hevitra ananan’izy ireo, ary mahita sy mizara zava-baovao tsy tapaka. Tena indrindra izany eo amin’ny filazantsara, satria vonona sy maika hianatra ireo fahamarinana tsotra ao amin’izany ny ankizy. Matanjaka sy madio ny finoan’izy ireo ireo zava-masina, ary mandray ny fotoana rehetra ho fotoam-pianarana izy ireo. Manao asa amim-pahavononana araka ireo zavatra nianarany izy ireo, na dia tsy feno aza ny fahatakarany. Toy izany no tokony handraisantsika rehetra ny filazantsara. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory” (Lioka 18:17).

Ny antso mba hampianatra ankizy dia fametraham-pitokiana masina. Zavatra mahazatra ny mahatsiaro tena ho sahirana indraindray. Tsarovy anefa fa niantso anao ny Ray any An-danitra ary tsy handao anao na oviana na oviana Izy. Asan’ny Tompo ity, ary rehefa manompo “amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjakao” (FF 4:2) ianao, dia hampivelatra ireo fahafahanao manao zavatra, ireo fanomezam-pahasoavana anananao, ary ireo talentanao Izy, ary hitahy ny fiainan’ireo ankizy ampianarinao ny asa fanompoana ataonao.