Avia, hanaraka Ahy
12-18 aogôsitra. Romana 7–16: -Reseo amin’ny soa ny ratsy-


“12-18 aogôsitra. Romana 7–16:-Reseo amin’ny soa ny ratsy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“12-18 aogôsitra. Romana 7–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
Roma

12-18 aogôsitra

Romana 7–16

“Reseo amin’ny soa ny ratsy”

Eo am-pamakianao ny Romana 7–16 dia raketo izay fahatsapana azonao momba ny fomba ahafahanao mampianatra ny ankizy ireo fahamarinana ao anatin’ireo toko ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Anontanio ny ankizy raha toa ka nizara zavatra nianarany tao amin’ny Kilonga tamin’ny herinandro lasa tamin’ny fianakaviany izy ireo . (Azonao atao ny manao famerenana fohy ny lesona tamin’ny herinandro lasa.) Raha eny, dia inona no nozarain’izy ireo?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

Romana 8:35–39

Tia ahy ny Raiko any An-danitra.

Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo tenin’i Paoly mba hampianarana ny ankizy fa ho tia azy ireo mandrakariva ny Ray any An-danitra?

Sary
ray mandihy miaraka amin’ny zanany vavy

Tia ny zanany tsirairay ny Ray any An-danitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hitadidy ilay andian-teny manao hoe “tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra” (Romana 8:39). Mba hampisehoana io fahamarinana io dia fantsiho miaraka ny hazo fisaka roa ka asio soratra hoe “isika” ny anankiray ary asio soratra hoe “ny fitiavan’ Andriamanitra” ilay iray hafa. Avelao ny ankizy hahita raha toa ka afaka manasaraka ireo hazo fisaka izy ireo.

  • Ento any ivelany ny ankizy mba hahatsapa ny taramasoandro, na mampisehoa sarina masoandro. Ahoana no hitovian’ny masoandro amin’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra? Ampio izy ireo hahita fa na dia lavitra aza ny masoandro dia afaka manampy antsika hahatsapa hafanana izany. Afaka mahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra isika amin’ny fotoana rehetra, na dia tsy miaraka amintsika ara-batana aza Izy. Afaka miara-mihira ny “Mon Père Céleste m’ aime” Chants pour les enfants, 16-17) ihany koa ianareo.

Romana 10:17

Tonga avy amin’ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra ny finoana.

Rehefa mandre ny tenin’ Andriamanitra ny ankizy ary mihaino tsara izany dia hitombo ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra. Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra ny maha-manan-danja ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Romana 10:17 ary mampisehoa sarina toe-javatra izay ahafahan’izy ireo mihaino ny tenin’ Andriamanitra (toy ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, fiangonana, na fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany; jereo ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity). Anontanio ny ankizy hoe oviana izy ireo no nandre ny tenin’ Andriamanitra.

  • Lazao ny tantaran’ny ankizy iray izay mihaino ny tenin’ Andriamanitra amin’ny fomba maro samy hafa. Eo am-pitantaranao ilay tantara dia abontsony tsikelikely ny balaonina iray mba hampisehoana ny fomba fitomboan’ny finoan’ilay ankizy isaky ny mandre ny tenin’ Andriamanitra izy.

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa afaka mitombo ny finoan’izy ireo dia hirao miaraka amin’izy ireo ny “La foi” (Chants pour les enfants, 50). Rehefa mihira izy ireo dia asaivo manao ho toy ny voa ka hidina hipetraka ambany. Isaky ny mihira ilay teny hoe finoana (foi) izy ireo dia asaivo mitsangana tsikelikely tahaka ny voly mitombo.

  • Afeno ao an-dakilasy ny boky soratra masina, sy ny sarin’ny Filohan’ny Fiangonana, ary ny tahadikan’ny gazetiboky Friend na Liahona. Angataho ny ankizy mba hitady ireo zavatra ireo sy hizara ny fomba mahatonga ireo zavatra tsirairay ireo manome fahafahana ho antsika mba handre ny tenin’ Andriamanitra.

Romana 16:1–4

Afaka misaotra ireo izay manampy ahy aho.

Nankasitraka ireo olona izay nanampy azy i Paoly. Azonao ampiana ny ankizy mba hijery ireo zavatra tsara ataon’ny hafa amin’izy ireo ka hahatsiaro ny hisaotra azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao fa nankasitraka ny fanampiana azony avy tamin’ny vehivavy iray nantsoina hoe Foiby sy ny mpivady iray nantsoina hoe Prisila sy Akoila i Paoly (jereo ny Romana 16:1–4). Asao ny ankizy mba hanao ny sarin’i Paoly sy ireo olona telo ireo eo am-pizarana ireo teny sy andian-teny avy amin’ireo andininy ireo.

  • Asao ny ankizy tsirairay mba hizara zavatra tsara izay nataon’ny olona iray taminy vao haingana. Ampio ny ankizy hanamboatra karatra fisaorana ho an’ireo olona ireo.

  • Ampio ireo ankizy hianatra hiteny hoe misaotra amin’ny fiteny samy hafa. Afaka manampy ilay hira hoe: “Children All Over the World” (Children’s Songbook, 16–17).

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

Romana 8:16–18

Tian’ny Ray any An-danitra hiomana hahazo ny zavatra rehetra ananany aho.

Ny drafitra ny Ray any An-danitra dia mahatonga antsika ho afaka ny ho tonga tahaka Azy sy handova ny zavatra rehetra ananany. Afaka mitaona ireo ankizy ampianarinao mba hiaina amim-pahatokiana bebe kokoa ny filazantsara io fahamarinana io.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho vakiana ny Romana 8:16–18. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny hoe iza isika ary afaka ny ho tonga toy ny ahoana isika? Hazavao fa ny “mpandova” dia olona iray izay mandova, na mahazo ny zavatra izay ananan’ny ray aman-dreniny. Soraty eny amin’ny solaitrabe hoe Inona no tokony ataontsika mba handovana izay ananan’ny Ray any An-danitra? Hirao miaraka ny hira iray momba ny fankatoavana, toy ny “Je veux suivre le plan de Dieu” (Chants pour les enfants, 86), mba hitadiavana valiny. Inona ireo valinteny hafa azon’ny ankizy eritreretina?

  • Angataho ny ankizy mba hieritreritra momba ny mpanjaka iray izay maniry ny hanjakan’ny zanany lahy na zanany vavy indray andro any. Hazavao fa ny Ray any An-danitra dia toy ny mpanjaka iray, ary isika no zanakalahy sy zanakavavin’ny mpanjaka. Azonao atao ny mizara ny tantaran’ny zanakalahin’ny mpanjaka Louis XVI tany France, izay hita ao amin’ny lahateny nataon’ny Rahavavy Elaine S. Dalton “Tsarovy hoe iza ianao!” (Liahona, mey 2010, 121). Ny fahatsiarovana fa zanaky ny Ray any An-danitra sy nateraka mba ho tonga tahaka Azy isika indray andro any dia manampy antsika hiaina araka ny fahamarinana eto ambonin’ny tany, amin’ny fomba ahoana? (Ho fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny Miorim-paka ao amin’ny finoana,74-76.)

Romana 10:17

Tonga avy amin’ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra ny finoana.

Manana fahafahana betsaka hihaino ny tenin’ Andriamanitra ny ankizy. Ampio izy ireo mba hahita fa afaka mampatanjaka ny finoan’izy ireo ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny manaraka ity: avy amin’ny , sy avy amin’ ny . Asaivo fenoin’ny ankizy ny banga rehefa avy mamaky ny Romana 10:17 izy ireo. Zarao ny momba ny fotoana iray izay nampianaran’ny olona iray fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara izay nanampy nampatanjaka ny finoanao—azonao atao ohatra ny mizara soratra masina na teny avy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tena tianao. Asao ireo ankizy hizara ny zavatra niainan’izy ireo manokana.

  • Apetaho amin’ny vera maromaro misy rano ny anaran’ireo zavatra izay ahitantsika ny tenin’ Andriamanitra (toy ny soratra masina, ireo fivoriam-piangonana, ary ny fihaonamben’ny Fiangonana). Ifanakalozy hevitra ny fomba hampitomboan’ny tenin’ Andriamanitra ny finoantsika eo am-pandrotsahanao ny rano anaty vera tsirairay ao anatin’ny fitoeran-javatra izay nomena anarana hoe “Finoana.”

  • Omeo sarin’ny Mpamonjy manasitrana olona iray ny ankizy iray ary aza avela ho hitan’ny ankizy hafa ilay sary. Asaivo manome fanorotoroana kely ilay ankizy mba hanampiana ny ankizy hafa hamantatra ny zavatra asehon’ilay sary. Ahoana no ahafahantsika mizara amin’ny hafa ny zavatra fantatsika momba ny Mpamonjy mba hahafahan’izy ireo manana finoana Azy?

Romana 14:10, 13

“Koa aza mifampitsara intsony isika.”

Rehefa mifanerasera amin’ny olona hafa izay misafidy zavatra hafa tsy mitovy amin’ny azy ireo ny ankizy dia mety ho alaim-panahy hitsaratsara. Saintsaino ny fomba mety hanampian’ny torohevitra nomen’i Paoly ny Romana mba hisorohan’izy ireo ny fitsaratsarana toy izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray mba hamaky ny Romana 14:10, 13. Asaivo isain’ny ankizy hafa hoe impiry i Paoly no nampiasa ilay teny hoe mitsara. Inona no dikan’ny hoe mitsara olona? Nahoana isika no tokony hisoroka ny fitsarana ny hafa?

  • Mampisehoa sarin’olona iray, ary anontanio ny ankizy ny zavatra fantatsika momba io olona io amin’ny alalan’ny fijerena fotsiny ilay sary. Inona avy ireo zavatra sasantsasany tsy fantatsika momba azy? Nahoana no ny Tompo no hany tena afaka mitsara io olona io? (Jereo ny 1 Samoela 16:7).

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asaivo misafidy asa atao iray nataonareo miaraka tao an-dakilasy ny ankizy ary hanao izany miaraka amin’ny fianakaviany. Lazao izy ireo fa afaka mizara ny zavatra nataony izy ireo amin’ny herinandro manaraka.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny ankizy mba handray anjara ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara. Azonao atao ny mieritreritra fomba tsara hamporisihana ny ankizy kely mba handray anjara ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara. Azonao atao indraindray ny manao zavatra tsotra toy ny manasa ny ankizy mba hipetraka hanao faribolana eo amin’ny tany fa tsy eny ambonin’ny sezan’izy ireo.