Avia, hanaraka Ahy
19–25 aogositra, 1 Korintiana 1–7: -Ho tafakambana tsara hianareo-


“19–25 aogositra, 1 Korintiana 1–7: -Ho tafakambana tsara hianareo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

19–25 aogositra, 1 Korintiana 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
Korinto

Corinth, Southern Greece, the Forum and Civic Center, sary hosodoko nataon’i Balage Balogh

19–25 aogositra

1 Korintiana 1–7

“Ho tafakambana tsara hianareo”

Raketo ny fahatsapanao eo am-pamakianao ny 1 Korintiana 1–7. Izany fahatsapana izany dia mety hahitana bitsika mba handalina lohahevitra lalindalina kokoa, na hizara zavatra izay nianaranao amin’ny hafa, na hanisy fiovana eo amin’ny fiainanao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Nandritra ireo volana nijanonan’i Paoly tao Korinto dia “maro koa ny Korintiana, raha nandre [azy], dia nino ka natao batisa” (Asan’ny Apostoly 18:8). Koa mety nahavaky fo an’i Paoly ny nandre, taona vitsy monja taty aoriana, fa nisy “fisarahana” teo amin’ny Olomasina tany Korinto ary tamin’ny tsy naha-teo azy dia nanomboka nanaraka ny “fahendren’ izao tontolo izao” izy ireo (1 Korintiana 1:10–11 20). Ho setrin’izany i Paoly dia nanoratra ilay taratasy izay antsointsika amin’izao hoe 1 Korintiana. Feno fotopampianarana lalina izy io, na dia hita fa toa diso fanantenana i Paoly satria tsy vonona ny handray ny fotopampianarana rehetra izay tiany homena azy ireo ny Olomasina. “Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’ izay araka ny Fanahy,” hoy ny fitarainany, “fa mbola araka ny nofo ihany hianareo” (1 Korintiana 3:1–3). Rehefa miomana ny hamaky ny tenin’i Paoly isika dia mety hanampy ny fandinihana ny fahavononantsika handray fahamarinana, tafiditra ao anatin’izany ny fahavononantsika hanaraka ny Fanahy sy hiezaka ny hiray hina amin’ny fianakaviantsika, amin’ny Olomasina namantsika, ary amin’ Andriamanitra.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

1 Korintiana 1:10–17; 3:1–11

Miray hina ny mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy.

Tsy fantatsika ny antsipiriany rehetra momba ny tsy fahampian’ny firaisan-kina teo anivon’ireo Olomasina tany Korinto saingy fantatsika kosa ny tsy fahampian’ny firaisan-kina amin’ny fifandraisantsika manokana aman’olona. Mieritrereta fifandraisana iray eo amin’ny fiainanao izay mety ho tsara kokoa raha misy firaisan-kina. Dia tadiavo avy eo izay nampianarin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 1:10–17; 3:1–11 momba ny fisaraham-bazana teo amin’ireo Olomasina tany Korinto. Inona no hevi-baovao azonao momba ny fomba hikolokoloana firaisan-kina tsaratsara kokoa amin’ny hafa?

Jereo koa ny Môsià 18:21; 4 Nefia 1:15–17; Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 38:23–27; 105:1–5; “Firaisan-kina,” Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

1 Korintiana 1:17–312

Mba hanatanterahana ny asan’ Andriamanitra dia mila ny fahendren’ Andriamanitra aho.

Na dia tsara aza, ary amporisihina mihitsy isika, ny mikatsaka fahendrena na aiza na aiza ahitantsika izany (jereo ny2 Nefia 9:29; FF 88:118), dia nanome fampitandremana mafy an-tsoratra i Paoly momba ny fahendren’olombelona izay tsy tonga lafatra, izay nantsoiny hoe “ny fahendren’izao tontolo izao.” Eo am-pamakianao ny 1 Korintiana 1:17–25 dia saintsaino ny mety ho dikan’io andian-teny io. Inona araka ny eritreritrao no tian’i Paoly holazaina amin’ny hoe “fahendren’ Andriamanitra”? Nahoana isika no mila ny fahendren’ Andriamanitra mba hanatanterahana ny asany?

Teo amin’ny fiezahanao hanatanteraka ireo andraikitrao amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra, moa ve efa nisy fotoana nahatsapanao “fahatahorana [sy] fangovitana be” ny amin’izay tsapan’i Paoly rehefa nampianatra ny Olomasina tany Korinto izy? (1 Korintiana 2:3). Inona no hitanao ao amin’ny andininy 1–5 izay mankahery anao? Eritrereto ny fomba azonao hanehoana fa matoky kokoa ny “herin’ Andrimanitra” mihoatra noho ny “fahendren’ olombelona ianao.”

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17–28.

1 Korintiana 2:9–16

Mila ny Fanahy Masina aho mba hahafahako mahatakatra izay an’ Andriamanitra.

Raha te hianatra lalindalina kokoa momba ny zavatra toy ny mekanika mikasika ny fiara na ny hairafitrano fahagola ianao dia ahoana no hanaovanao izany? Araka ny 1 Korintiana 2:9–16, inona no maha-samihafa ny mianatra “ny ao am-pon’ Andriamanitra” sy ny mianatra “ny ao am-pon’ny olona”? Nahoana isika no tsy maintsy manana ny Fanahy Masina mba hahafahantsika mahatakatra izay an’ Andriamanitra? Rehefa avy mamaky ireo andininy ireo ianao dia inona araka ny fahatsapana anananao no tokony hataonao mba hahatakatra zavatra ara-panahy bebe kokoa? Ahoana no ahafahan’ireo tenin’i Paoly manampy olona iray izay manana fahasahiranana amin’ny fijoroany ho vavolombelona?

1 Korintiana 6:13–20

Masina ny vatako.

Ny ankamaroan’ireo olona tany Korinto dia nahatsapa fa azo ekena ny fahalotoana ara-pitondrantena ary ny vatan’izy ireo dia natao voalohany indrindra hahazoana fahafinaretana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, i Korinto dia tsy dia niavaka loatra amin’izao tontolo izao ankehitriny. Inona no nampianarin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 6:13–20 ka mety hanampy anao hanazava amin’ny hafa ny antony itiavanao ny hiaina amim-pahamendrehana?

Mety ho mahaliana ihany koa ny mahita ny fomba namporisihan-dRahavavy Wendy W. Nelson, tahaka ny nataon’i Paoly, an’ireo Olomasina mba hadio ara-pitondrantena ao amin’ny lahateniny “Fitiavana sy fanambadiana” (Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony:, 8 jan. 2017, broadcasts.lds.org). Inona no mampiavaka ireo fahamarinana momba ny fitiavana sy ny firaisana ara-nofo nofaritan-dRahavavy Nelson amin’ny hafatr’izao tontolo izao?

Jereo ihany koa ny Romana 1:24–27; “Fahadiovam-pitondrantena,” Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

1 Korintiana 7:29–33

Nampianatra ve i Paoly fa tsara kokoa ny tsy manambady noho ny manambady?

Andininy maromaro ao amin’ny 1 Korintiana 7 no toa mampianatra fa na dia tsara aza ny manambady, dia aleo kokoa mijanona ho tsy manambady sy mifady tanteraka ny firaisana ara-nofo. Ny Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Korintiana 7:29–33 (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina) anefa dia manampy antsika hahatakatra fa ireo izay voantso hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno no noresahin’i Paoly, izay nahatsikaritra fa afaka nanompo an’ Andriamanitra tsara kokoa izy ireo raha nijanona ho tsy nanambady nandritra ny asa fitoriany. Nampianatra ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpanompony, tafiditra tao anatin’izany i Paoly, fa ny fanambadiana dia tafiditra ao anatin’ny drafiny mandrakizay ary ilaina amin’ny fisandratana (jereo ny 1 Korintiana 11:11; FF 131:1–4).

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

1 Korintiana 1:10–17; 3:1–11

Eo am-pamakian’ny fianakavianao ireto andininy ireto dia asao izy ireo hitady hevitra iray izay afaka manampy azy ireo hiray hina kokoa.

1 Korintiana 3:1–2

Angamba azonao vakina eo am-pihinanana ronono sy ventin-kanina ireo andininy ireo, dia azonao ampitahaina amin’ny fomba fitombon’ny zazakely ho olon-dehibe ny fomba fitombontsika ara-panahy.

1 Korintiana 3:4–9

Nampitaha ny asa fitoriana ataony amin’ny fambolena voa i Paoly. Inona no ampianarin’ilay fampitahana nataony momba ny fomba tokony hizarantsika ny filazantsara amin’ny hafa?

1 Korintiana 6:19–20

Ny fampitahana ny tenantsika amin’ny tempoly, tahaka ny nataon’i Paoly, dia afaka ny ho fomba iray mahomby hampianarana ny fahamasinan’ny vatantsika. Mety afaka ny hampiseho sarina tempoly ianao, tahaka ireo izay nampiarahana amin’ity rindran-damina ity. Nahoana no masina ny tempoly? Inona no itovizan’ny vatantsika amin’ny tempoly? Inona no azontsika atao mba hitondrana ny vatantsika ho toy ny tempoly? (Jereo ihany koa ny “Pureté sexuelle,” Jeunes, soyez forts, 35–37.) Raha azo atao dia mankanesa miaraka amin’ny fianakaviana any amin’ny tempoly na tsidiho miaraka amin’izy ireo ny faritry ny tempoly; afaka manatsara ny resadresaka ataonareo momba ny fahamasinan’ny tempoly sy ny vatantsika izany.

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Manàna faharetana amin’ny tenanao. Nampianatra i Paoly fa ny ronono no mandeha alohan’ny ventin-kanina rehefa mianatra ny filazantsara isika (jereo ny 1 Korintiana 3:1–2). Raha mahita ianao fa sarotra takarina ny fotopampianarana sasany amin’izao, dia manàna faharetana. Manàna fatokiana fa ho avy ny valiny rehefa manam-pinoana sy mandalina amim-pahazotoana ianao.

Sary
tempoly efatra

Nampitaha ny vatantsika tamin’ny fahamasinan’ny tempoly i Paoly. Avy amin’ny tampony ankavia manaraka ny sahazam-pamantaranandro: Tempolin’i Tijuana Mexique, Tempolin’i Taipei Taiwan, Tempolin’i Tegucigalpa Honduras, Tempolin’i Houston Texas.