Avia, hanaraka Ahy
16-22 septambra. 2 Korintiana 8-13: -Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra-


“16-22 septambra. 2 Korintiana 8-13: -Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“16-22 septambra. 2 Korintiana 8-13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
i Jesoa miresaka amin’ny ankizy kely

16–22 septambra

2 Koritiana 8–13

“Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra”

Ny hevitra tsara indrindra hampianarana ny ankizy ao amin’ny kilasinao dia ho tonga rehefa sady mandalina ombam-bavaka ny 2 Korintiana 8–13 ianao no mieritreritra azy ireo. Hita ato anatin’ity rindran-damina ity ireo hevitra hoenti-mampianatra fanampiny.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Ny fomba tsara iray mba hanasana ny fizarana eo anivon’ny ankizy dia ny fampahatsiahivana azy ireo ny zavatra nasainao nataon’izy ireo nandritra ny lesona teo aloha. Asaivo mizara ny zavatra niainany izy ireo.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

2 Korintiana 9:6–7

Afaka manome am-pifalifaliana ho an’ireo sahirana aho.

Tsara foana ny manompo ny hafa, saingy tsara kokoa ny manompo amim-pifaliana. Saintsaino izay mety hitaona ny ankizy tsirairay ho tonga “mpanome amin’ny fifaliana.”

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamerina hiteny ilay andian-teny hoe “Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra” (2 Korintiana 9:7). Inona no dikan’ny hoe “mpanome amin’ny fifaliana”? Mampisehoa sarina endrika faly iray sy endrika malahelo iray, ary anontanio ny ankizy hoe iza no mitovy amin’ny mpanome amin’ny fifaliana.

  • Hirao miaraka imbetsaka ny hira iray momba ny fanompoana, toy ny “Nous aidons tous avec joie” (Chants pour les Enfants, 108). Amin’ny fotoana voalohany dia asaivo mihira amim-pifaliana ny ankizy; avy eo dia asaivo hirainy miaraka amin’ny fihetseham-po na fihetsika hafa toy ny hoe malahelo, reraka, tezitra, na matahotra. Ampahatsiahivo ny ankizy fa ny Ray any An-danitra dia maniry ny hanampiantsika ny hafa amim-piravoravoana. Dia hirao amim-pifaliana indray ilay hira.

  • Omeo sarina endrika mitsikitsiky ny ankizy. Asaivo ampiakarin’izy ireo ambony ireo sary rehefa mandre ny teny hoe souriant (mitsikitsiky) na sourira (hitsikitsiky) izy ireo rehefa mihira ny “Sourires” (Chants pour les enfants 128). Afaka manao toy izany koa izy ireo miaraka amin’ny sarina endrika manao ratsy tarehy sy ny teny hoe grimaçants. Lazao ny ankizy fa ny endrika manao ratsy tarehy dia tsy falifaly; fomba iray mba hahafalifaly sy hanompoana amim-pifaliana ny mitsiky sy manampy ny hafa hitsiky.

  • Manaova drafitra iray ho an’ny iray kilasy mba hanompoana olona iray, toy ny ankizy izay tsy manatrika ny Kilonga na ny mpikambana iray ao amin’ny paroasy na ny mpiray vodirindrina izay sahirana. Azonao atao ny manao drafitra hitsidika io olona io any an-tranony, na hanoratra teny mamy na hanao sary, na hanamboatra sakafo maivana mba hozaraina.

  • Asao ny ankizy tsirairay mba hanao drafitra asa feno fanompoana amim-pifaliana ho an’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany. Mandritra ny lesona amin’ny herinandro manaraka dia asaivo mizara ny zavatra nataony izy ireo.

2 Korintiana 12:7–10

Ny Ray any An-danitra dia mamaly foana ny vavaka ataoko, saingy tsy omeny ahy foana ny zavatra rehetra angatahiko.

Ny traikefan’i Paoly tamin’ny fivavahana mba hanesorana ny “tsilo amin’ny nofo” dia mampianatra antsika fa indraindray Andriamanitra dia mampiseho ny fitiavany antsika amin’ny tsy fanomezana antsika ny zavatra iriantsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa voly iray misy tsilo amin’ny ankizy (na ny sarin’ny iray amin’izany). Ampio izy ireo haka sary an-tsaina hoe manao ahoana izany manana tsilo miraikitra ao amin’ny hoditra mandritra ny fotoana elabe izany. Fintino amin’ny ankizy ny 2 Korintiana 12:7–10, ka mampiasà teny izay takatr’izy ireo. Hazavao fa ny “tsilo amin’ny nofo” dia fisedrana iray, toy ny fahalemena ara-batana. Na dia nangataka tamin’ Andriamanitra mba hanesorana ilay fisedrana aza i Paoly dia tsy nataon’ Andriamanitra izany. Fa nampianarin’ Andriamanitra kosa i Paoly fa afaka manampy antsika hianatra ny hanetry tena sy hatoky Azy ireo olana. Dia mahatonga antsika ho matanjaka Andriamanitra.

  • Mijoroa ho vavolombelona fa fantatr’ Andriamanitra ny tsara indrindra ho antsika, ary hanome izay ilaintsika Izy, na dia tsy mitovy amin’ny zavatra eritreretintsika aza izany. Azonao atao ihany koa ny mizara traikefa iray izay namaliana ny vavaka nataonao tamin’ny fomba iray na tamin’ny fotoana iray izay tsy mitovy tamin’ny nantenainao. Afaka manampy ihany koa ilay tantara hoe: “Don’t Forget to Pray for Erik” (Friend, jan. 2017, 36–37).

  • Hirao ny hira iray momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra, toy ny “La prière d’un enfant” (Chants pour les enfants, 6). Anontanio ny ankizy izay holazain’izy ireo amin’ny olona iray izay manontany tena raha toa ka mandre sy mamaly vavaka ny Ray any An-danitra. Hirao indray ilay hira, ary hamafiso ireo andalana izay mamariparitra ny fahatsapan’ny Ray any An-danitra momba antsika.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

2 Korintiana 9:6-9

Afaka manome am-pifalifaliana ho an’ireo sahirana aho.

Naniry ny hitaona ireo Olomasina i Paoly mba hanome amin’ny haren’izy ireo amin’ny mahantra. Ahoana no hampiasanao ny teniny mba hitaomana ny ankizy hanompo ny hafa?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny soratra ao amin’ny 2 Korintiana 9:7 ka soloy banga ireo teny manan-danja. Asao ireo ankizy hafa mba hamantatra ireo teny tsy eo. Dia avelao izy ireo hamaky ilay andininy ao amin’ny soratra masina mba hamenoana ireo banga. Inona no dikan’ny hoe manome “amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena”? Inona no dikan’ny hoe “mpanome amin’ny fifaliana”?

  • Asao ny ankizy mba hanampy anao hitady ireo sarin’ny Mpamonjy manompo ny hafa (misy maro ao anatin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Anontanio azy ireo ny zavatra hitany ao anatin’ireo sary ireo izay manampy azy ireo hahafantatra fa nanompo ny hafa tamim-pitiavana i Jesoa. Mametraha tanjona ho an’ny iray kilasy mba hiteny hoe eny rehefa mangataka antsika mba hanompo amin’iny herinandro manaraka iny ny olona ao amin’ny fianakaviana na ny hafa, toy ny fanampiana ao an-trano na fiahiana ny hafa.

  • Ampio ny ankizy handoko vato kely. Asaivo mitondra ny “vato fanompoana” ao anatin’ny paosiny izy ireo mandritra ity herinandro ity mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ny hanompo ny hafa amim-pifaliana.

  • Ampio ny ankizy hamorona andininy vaovao ho an’ny hira iray momba ny fanompoana, toy ny “C’est amusant” (Chants pour les enfants 129), izay mampianatra fa mahafinaritra ny manompo ny hafa amin’ny fomba maro samihafa.

2 Korintiana 12:7–10

Ny Ray any An-danitra dia mamaly foana ny vavaka ataoko, saingy tsy omeny ahy foana ny zavatra rehetra angatahiko.

Nangataka tamin’ Andriamanitra i Paoly mba hanaisotra ny fahalemeny, saingy fantatr’ Andriamanitra fa ny kileman’i Paoly dia hahatonga azy hanetry tena sy hatanjaka.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hampitaha ny 2 Korintiana 12:9–10 sy ny Etera 12:27. Inona ireo teny na andian-teny miverimberina ao? Inona no ampianarin’ireo andininy ireo? (Azonao atao ny manazava fa i Paoly dia nampitaha ny olany tamin’ny tsilo iray amin’ny nofo.) Inona no nampianarin’ Andriamanitra an’i Paoly momba ny fisedrana?

  • Asao ny ankizy mba hitanisa ireo fisedrana sasantsasany ananan’ny olona eo amin’ny fiainana. Ampio izy ireo hieritreritra ny fomba mety hianarana avy amin’ireny fisedrana ireny sy mba ho voatahy amin’izany.

  • Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainana rehefa rehefa nangataka zavatra iray izy ireo ka tsy nahazo izany. Angataho izy ireo mba hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ilay zavatra niainany. Azonao atao ihany koa ny mizara ny zavatra niainanao manokana. Mijoroa ho vavolombelona fa mamaly mandrakariva ny vavaka ataontsika amin’ny fomba sy fotoana izay hitahiana antsika indrindra ny Ray any An-danitra.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba ho mpanome amin’ny fifaliana ao an-tokantranon’izy ireo amin’ity herinandro ity ary ho tonga ao an-dakilasy amin’ny herinandro ambony sady vonona ny hanao tatitra ny amin’ny fomba nanompoany olona sahirana iray.

Manatsara ny fampianarantsika

Atreho amim-pitiavana ny fanakorontanana. “Indraindray misy ankizy manao zavatra izay manakorontana ny fianaran’ny hafa ao amin’ny kilasy. Rehefa mitranga izany dia manàna faharetana ary manehoa fitiavana ary fahatakarana an-tsaina eo anatrehan’ny olana mety atrehan’ilay ankizy. … Raha toa ka manana filàna manokana ilay ankizy manakorontana, dia miresaha amin’ny tompon’andraikitra misahana ny olona manana fahasembanana eo anivon’ny paroasy na tsatòka na tsidiho ny disabilities.lds.orgmba hahitana ny fomba ahafahanao manome ireo zavatra ilaina ireo. (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 26).