Avia, hanaraka Ahy
2–8 septambra. 1 Korintiana 14–16: -Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana-


“2–8 septambra. 1 Korintiana 14–16: -Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“2–8 septambra. 1 Korintiana 14–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2019

Sary
toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly

2–8 septambra

1 Korintiana 14–16

“Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana.”

Rehefa mamaky ny 1 Korintiana 14–16 ianao dia hanampy anao hahafantatra ny zavatra tokony hampianarinao ny ankizy ny Fanahy Masina. Vakio ity rindran-damina ity mba hahitana hevitra fanampiny.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Azonao atao ny manomboka ny lesona amin’ny famakiana mafy ny 1 Korintiana 14:26. Mariho fa rehefa miaraka tonga any am-piangonana isika dia afaka manorina (na manangana sy manampy) ny hafa rehefa mizara. Inona no azon’ny ankizy zaraina mba hanampiana olona iray ao an-dakilasy anio?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy kely

1 Korintiana 15:20–22

Afaka miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra aho aorian’ny fahafatesana satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy.

Ahoana no fomba ahafahanao mampianatra ny ankizy ao amin’ny kilasinao fa afaka miaina indray isika satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Averimbereno imbetsaka miaraka amin’ny ankizy ny hoe: “Ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy” (1 Korintiana 15:22). Asehoy ny sarin’i Jesoa nitsangana tamin’ny maty (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ityao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Hazavao fa ho faty avokoa isika rehetra indray andro any, kanefa, satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia hiverina ho velona indray isika rehefa aorian’ny fahafatesana.

  • Mampiasà lesona maneho ohatra mivaingana toy ity manaraka ity mba hampianarana momba ny Fitsanganana amin’ny maty: Ampisehoy ny ankizy ny palitao iray izay maneho ny vatantsika. Rehefa velona isika dia ao anatin’ny vatantsika ny fanahintsika, ary afaka mihetsika ny vatantsika (anaovy ilay palitao). Rehefa maty isika dia mandao ny vatantsika ny fanahintsika, ary tsy afaka mihetsika ny vatantsika (esory ilay palitao ary apetraho eo ambony latabatra na seza izany mba hanehoana ny vatana iray tsy miaraka amin’ny fanahiny). Rehefa mitsangana amin’ny maty isika dia miverina ao amin’ny vatantsika ny fanahintsika (anaovy indray ilay palitao), ary tsy hisaraka no oviana na oviana intsony izy ireo. Avelao ny ankizy hifandimby hanao ilay palitao sy hanala izany, ka ny ankizy iray hafa dia hanazava ny zavatra mitranga rehefa mitsangana amin’ny maty isika.

1 Korintiana 15:29

Azo atao batisa ho mpisolo tena ireo olona izay efa nodimandry aho.

Ny ankizy ampianarinao dia afaka miomana ny handeha any amin’ny tempoly sy atao batisa ho an’ny maty rehefa feno 12 taona izy ireo. Nolazain’i Paoly tao anatin’ny taratasiny ho an’ny Korintiana io fotopampianarana manan-danja io.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra tsy vitan’ny tenan’izy ireo (toy ny mitondra zavatra mavesatra be na manakatra zavatra eny amin’ny talatalana avobe). Iza no manampy azy ireo amin’ny fanaovana ireo zavatra ireo? Ampisehoy ny sarin’ny iray amin’ireo razambenao izay maty kanefa tsy vita batisa. Lazao amin’ny ankizy ny mombamomba an’io olona io, ary hazavao fa tsy afaka atao batisa io olona io raha tsy ampian’ny olona iray ety ambonin’ny tany.

  • Anontanio ny ankizy raha toa ka misy olona ao amin’ny fianakaviany efa tany amin’ny tempoly ka nanao batisa ho an’ny maty. Mampisehoa sarina fanaovana batisa ao amin’ny tempoly. Moa ve fantatry ny ankizy ny zavatra mitranga ao? Hazavao fa ao amin’ ny tempoly isika dia afaka atao batisa ho an’ireo olona izay efa nodimandry kanefa tsy vita batisa. Dia afaka misafidy ireo olona ireo raha toa ka hanaiky ilay batisa na tsia.

1 Korintiana 15:40–41

Tian’ny Ray any An-danitra hiaina hiaraka Aminy any amin’ny fanjakana selestialy aho.

Ahoana no ahafahanao mampianatra ny ankizy momba ny fanjakana selestialy, sy terestialy, ary telestialy? Afaka manampy ireto asa atao manaraka ireto.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny selestialy, terestialy, ary telestialy. Ampio ireo ankizy hianatra hanonona ireo voambolana ireo.

  • Mampisehoa sarina masoandro sy volana ary kintana. Iza no mamiratra indrindra? Vakio amin’ny ankizy ny 1 Korintiana 15:40–41 (jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Korintiana 15:40). Hazavao fa ny masoandro sy ny volana ary ny kintana dia maneho ireo fanjakana azontsika hitoerana rehefa avy mitsangana amin’ny maty isika. Afaka miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra isika ao amin’ny fanjakana selestialy.

  • Manaova sarina masoandro eny amin’ny solaitrabe ary taratasy kely, na sarina dian-tongotra, eny amin’ny tany mankeny amin’ny masoandro. Ny taratasy tsirairay dia afaka maneho zavatra iray tokony ataontsika mba hidirana ao amin’ny fanjakana selestialy (jereo ny FF 76:50–53). Avelao ny ankizy hizara hevitra sy hamindra hankany amin’ny fanjakana selestialy.

Sary
masoandro miposaka

Nampitahan’i Paoly tamin’ny masoandro ny fanjakana selestialy.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Ankizy lehibe

1 Korintiana 15:20–22

Noho i Jesoa Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty aho.

Moa ve takatry ny ankizy ampianarina ny maha-manan-danja ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty? Afaka manampy ireto hevitra ireto.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy mba hifandimby hamaky ireo andininy ao amin’ny 1 Korintiana 15:12–22, ka hitady valinteny ho an’ilay fanontaniana hoe: “Inona no mety hitranga raha toa ka tsy misy fitsanganana amin’ny maty?”

  • Asao ny ankizy mba hilalao an-tsehatra ny fomba hanazavana ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny olona iray. Ho fanampin-kevitra dia jereo ny hafatra nataon’i Thomas S. Monson “Mrs. Patton—the Story Continues” (Ensign na Liahona, nôv. 2007, 21–24). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty.

1 Korintiana 15:12–13, 20–22, 29

Afaka miomana handeha any amin’ny tempoly aho mba hanao batisa ho an’ny maty.

Rehefa feno 12 taona ny ankizy dia afaka mahazo fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly sy manatanteraka batisa ho an’ny maty izy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hiomana?

Asa atao azo tanterahina

  • Jereo ny 1 Korintiana 15:29. Inona no nataon’ireo Olomasina tamin’ny andron’i Paoly izay ataontsika ihany koa ankehitriny?

  • Anontanio ireo ankizy hoe nahoana isika no atao batisa ho an’ny maty. Raha ilaina dia hazavao fa maro amin’ireo razambentsika no tsy nanana fahafahana ny hatao batisa sy noraisina ho mpikambana nandritra ity fiainana ity. Afaka manao batisa sy mandray azy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana isika any amin’ny tempoly.

  • Andro vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana dia asao ny ray na renin’ny ankizy iray mba hiomana hizara ny tetiaran’ny fianakaviany, na hiresaka momba ny razambe iray. Azonao atao ihany ny mizara momba ny razambenao manokana.

  • Asao ny olona iray ao amin’ny episkôpà mba hizara zavatra vitsivitsy azon’ny ankizy atao mba ho mendrika ny hiditra ny tempoly. Anontanio ireo ankizy ny zavatra azony atao mba hahatsiaro hanao ireo zavatra ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hevitr’izy ireo. Asao izy ireo hanao tanjona ny ho any amin’ny tempoly indray andro any.

1 Korintiana 15:40–41

Rehefa avy mitsangana amin’ny maty aho dia afaka miaina any amin’ny fanjakana selestialy.

Mba hampianarana ny Korintiana momba ny vatana ho azontsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia nilaza ambaratongam-boninahitra telo i Paoly: selestialy, terestialy ary telestialy.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio ny 1 Korintiana 15:40–41 ary asao ny ankizy iray mba hanao sarina masoandro, volana ary kintana eny amin’ny solaitrabe. Asaivo fantarin’ny mpianatra hoe karazana vatana nitsangana tamin’ny maty toy ny ahoana no asehon’ny sary tsirairay.

  • Hirao miaraka ny hira iray momba ny tempoly, toy ny “Tempoly avy amin’ny Tompo ny tenako” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, 122). Inona no ampianarin’io hira io antsika mikasika ny fiomanana ny hiaina any amin’ny fanjakana selestialy?

  • Hazavao fa i Joseph Smith dia nahita fahitana iray izay nahitany fanjakana telo mifandraika amin’ny karazana vatana nofariparitan’i Paoly. Ampio ny ankizy hahita andian-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Faneke 76:50–53, 70; 76:71–79; 76:81–82 izay mamariparitra ireo fanjakana telo ireo.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hangataka amin’ny ray aman-dreniny mba hilazalaza amin’izy ireo ny tantara momba ny iray amin’ireo razamben’izy ireo. Afaka mizara tantara amin’ny iray kilasy izy ireo amin’ny herinandro manaraka.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny ankizy mba hametraka fanontaniana. “Miezaha mba handray ny fanontanian’[ny ankizy] ho toy ny fahafahana manao zavatra fa tsy toy ny zavatra manelingelina na zavatra manakantsakana ny lesonao. … Ny fanontaniana toy izany dia manome anao hevitra manan-danja mikasika ny zavatra eritreretin’ny ankizy, ny olana ananany, ary ny fandraisany andraikitra eo anatrehan’ireo zavatra ianarany. Ampio izy ireo hahita fa ny valin’ny fanontaniany dia afaka ny ho hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26).