Avia, hanaraka Ahy
02–08 septambra. 1 Korintiana 14–16: -Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana-


“02–08 septambra. 1 Korintiana 14–16: -Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“02–08 septambra. 1 Korintiana 14–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly

02–08 septambra

1 Korintiana 14–16

“Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana”

Raiso an-tsoratra ireo zavatra tsapanao eo am-pamakianao ny 1 Korintiana 14–16. Mivavaha momba ny zavatra izay nampianarin’ny Fanahy anao, dia manontania ny Ray any An-danitra raha toa misy zavatra hafa tiany ianaranao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Koa satria azo lazaina fa mbola zava-baovao ny Fiangonana sy ireo fotopampianarana tany Korinto dia tsy nahagaga loatra ny fisian’ny fisafotofotoana teo anivon’ireo Olomasina Korintiana. Efa nampianarin’i Paoly azy ireo ilay fahamarinana fototry ny filazantsara fa: “maty noho ny fahotantsika i Kristy … dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo” (1 Korintiana 15:3–4). Saingy vetivety teo dia nanomboka nampianatra ny mpikambana sasany fa “tsy misy fitsanganan’ny maty” (1 Korintiana 15:12). Nitalaho tamin’izy ireo i Paoly hoe “tananareo tsara” ireo fahamarinana izay efa nampianarina azy ireo (1 Korintiana 15:2). Rehefa sendra ny hevitra mifanipaka momba ireo fahamarinan’ny filazantsara isika dia tsara ny mahatadidy “fa Andriamanitra dia tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana” (1 Korintiana 14:33). Ny fihainoana ireo mpanompo voafidin’ny Tompo sy ny fihazonana ireo fahamarinana tsotra ampianarin’izy ireo antsika ombieny ombieny dia afaka manampy antsika “[hitoetra] tsara amin’ny finoana” (1 Korintiana 16:13).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

1 Korintiana 14

Afaka mikatsaka ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana aho.

Efa nanontany tena ve ianao hoe inona no atao hoe fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana? Fahaizana maminany ny hoavy ve izany? Afaka mahazo an’io fanomezam-pahasoavana io daholo ve ny olon-drehetra? Sa natokana ho an’ny mpaminany ihany izany?

Ny Filohan’ny Fiangonana no hany olona afaka maminany ary mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana manontolo; manome famaritana anefa ny Torolalana ho an’ny Soratra masina fa ny faminaniana dia “teny na soratra avy amin’ Andriamanitra, izay raisin’ny olona amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina. … Rehefa maminany ny olona iray dia miresaka na manoratra mikasika ny zavatra tian’ Andriamanitra ho fantany izy mba ho tombontsoany manokana na ho tombontsoan’ny hafa” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Faminaniana,” scriptures.lds.org; jereo ihany koa ny FF 100:5–8). Ny Apokalypsy 19:10 ihany koa dia mamaritra ny fanahin’ny faminaniana ho “filazana an’i Jesosy.”

Inona no zavatra nianaranao momba an’io fanomezam-pahasoavana ara-panahy io avy amin’ny 1 Korintiana 14:3, 31, 39–40? Inona no mety ho tian’i Paoly nolazaina rehefa nanasa ny Korintiana izy mba “[haniry] fatratra ny haminany”? (1 Korintiana 14:39). Ahoana no azonao hanekena io fanasana io?

Jereo koa ny Nomery 11:24–29; Jakôba 4:6–7; Almà 17:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:23–28.

1 Korintiana 14:34–35

Nahoana i Paoly no nilaza fa tokony hangina ny vehivavy ao amin’ny fiangonana?

Ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 14:34–35 dia mety hampikorontan-tsaina satria efa nanoratra tao anatin’ity epistily ity ihany izy fa nivavaka sy naminany ireo vehivavy (jereo ny 1 Korintiana 11:5). Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manolo ny teny hoe miteny ao amin’ny andininy 34 sy 35 amin’ny hoe mitondra. Izany fanazavana izany dia mandroso hevitra fa ny mety ho tian’i Paoly noresahana dia vehivavy izay nikasa handroba fahefana ao amin’ny fivoriam-piangonana. (Jereo koa ny 1 Timoty 2:11–12.

1 Korintiana 15:1–34, 53–58

Nahazo ny fandresena ny fahafatesana i Jesoa Kristy.

Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia tena manan-danja ho an’ny tontolo Kristianina, mety hiteny ny olona iray fa raha tsy nisy izany dia tsy misy ny hoe Kristianina—araka ny teny nampiasain’i Paoly hoe: “dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo” (1 Korintiana 15:14). Ny Olomasina Korintiana sasany anefa dia nampianatra fa “tsy misy fitsanganan’ny maty” (1 Korintiana 15:12). Eo am-pamakianao ny valintenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 15 dia makà fotoana kely hisaintsainana ny hoe mety hanao ahoana ny fiainanao raha toa tsy nino ny Fitsanganana amin’ny maty ianao. Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’izany anao? Inona no fitahiana hirotsaka aminao noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty? (jereo ny 2 Nefia 9:6–19; Almà 40:19–23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:33–34). Midika inona aminao ilay andian-teny hoe “ary raha tsy natsangana Kristy”? (andininy 17).

1 Korintiana 15:35–54

Ny vatana natsangana tamin’ny maty dia tsy mitovy amin’ny vatana mbola mety maty.

Efa nanontany tena ve ianao hoe manao ahoana izany vatana natsangana tamin’ny maty izany? Araka ny 1 Korintiana 15:35 dia nanontany tena momba izany ihany koa ny Korintiana sasantsasany. Vakio ny valinteny nomen’i Paoly ao amin’ny andininy 36–54, dia mariho ireo teny na andian-teny manoritsoritra ny fahasamihafana eo amin’ny vatana mety maty sy ny vatana natsangana tamin’ny maty. Ohatra, ny andininy 40–42 dia mampianatra fa ny vatana natsangana tamin’ny maty dia hamirapiratra araka ny voninahitra ao amin’ny ambaratonga samy hafa, tahaka ny hoe samy hafa ny famirapiratan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Korintiana 15:40; FF 76:50–112).

Jereo koa ny Almà 11:43–45; Lioka 24:39.

Sary
masoandro miposaka

“Hafa ny voninahitry ny masoandro” (1 Korintiana 15:41).

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

1 Korintiana 15:29

Mianatra avy amin’ny andininy 29 isika fa ireo Olomasina fahiny dia nandray anjara tamin’ny batisa ho an’ny maty, tahaka ny fanaontsika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. Aiza ho aiza ny fianakaviantsika amin’ny fanomanana anarana razambe mba hanaovana ôrdônansin’ny tempoly? Jereo koa ny “Baptême pour les morts,” Sujets de l’evangile, topics.lds.org.

1 Korintiana 15:35–54

Inona no zavatra na sary azonao ampisehoana mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny teny sasany ampiasain’i Paoly hoentiny hanoritsoritana ny fahasamihafana misy eo amin’ny vatana mety maty sy ny vatana natsangana tamin’ny maty? Ohatra, mba hanehoana ny fahasamihafana eo amin’ny hoe mety lò sy ny hoe tsi-fahalòvana (jereo ny andininy 52–54) dia azonao atao ny mampiseho vy harafesina sy vy tsy harafesina. Na azonao ampitahaina amin’ny zavatra mafy iray ny zavatra malemy iray (jereo ny andininy 43).

1 Korintiana 15:55–57

Ny fifanakalozan-kevitra momba ireo andininy ireo dia tena mety ho manan-danja raha toa mahafantatra olona iray izay vao nodimandry ny fianakavianao. Afaka mijoro ho vavolombelona momba ny nanesoran’i Jesoa Kristy “ny fanindronan’ny fahafatesana” ny olona ao amin’ny fianakaviana (andininy 56). Ny hafatry ny Loholona Paul V. Johnson manao hoe “Ary tsy hisy fahafatesana intsony” (Liahona, mey 2016, 121–23) dia mety ho zavatra tsara azo ampidirina ao amin’ny fifanakalozan-kevitra.

1 Korintiana 16:13

Mba hanampiana ny fianakavianao hampihatra ity andininy ity dia azonao atao ny manao sarina faribolana eo amin’ny tany dia manome toromarika ny olona iray ao amin’ny fianakaviana izay tampenana amin’ny lamba ny masony mba “[hitoetra]” ao anatin’izany ka ny hafa dia hanandrana hanaisotra azy hiala izany faribolana izany. Inona no mety hiova raha toa tsy tampenana amin’ny lamba ny mason’ilay olona ao anaty faribolana ka afaka “miambina” izy? Inona no azontsika atao mba “[hahery]” eo amin’ny fiainantsika rehefa alaim-panahy hanao safidy ratsy isika?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Tadiavo ireo lamina. Ny soratra masina dia ahitana lamina izay mampiseho ny fomba fanaon’ny Tompo ny asany. Inona no lamina hitanao ao amin’ny 1 Korintiana 14 izay manampy antsika hahatakatra ny fomba fampianarana sy fifankaherezana? Jereo koa ny FF 50:13–23.

Sary
i Kristy miseho amin’ny Maria eo amin’ny zaridainan’ny fasana

Ravehivavy, nahoana hianao no mitomany? Nataon’i Simon Dewey