Avia, hanaraka Ahy
09–15 septambra. 2 Korintiana 1–7: -Mihavàna amin’ Andriamanitra-


“09–15 septambra. 2 Korintiana 1–7: -Mihavàna amin’ Andriamanitra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“09–15 septambra. 2 Korintiana 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
Jesoa Kristy

09–15 septambra

2 Korintiana 1–7

“Mihavàna amin’ Andriamanitra”

Eo am-pandalinanao ireo taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana dia soraty ireo fitsipiky ny filazantsara sasany izay hitanao ary saintsaino ny fomba hampiharanao izany amin’ny fiainanao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Indraindray ny maha-mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mitaky ny hitenenana zavatra sarotra. Marina izany na tamin’ny andron’i Paoly na amin’izao fotoana izao. Toa hita fa ny taratasy iray nalefan’i Paoly teo aloha hoan’ny Olomasina Korintiana dia nahitana fibedesana ary niteraka alahelo. Tao anatin’ilay taratasy izay lasa 2 Korintiana taty aoriana, dia niezaka nanazava ny zavatra izay namporisika azy hampiasa teny mahery izy: “Fa tamin’ny haben’ny fahoriana sy ny alahelon’ny foko no nanoratako taminareo tamin’ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra” (2 Korintiana 2:4). Rehefa mandray fanitsiana avy amin’ny mpitarika iray ianao dia tena manampy mihitsy ny mahafantatra fa entanin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy izany. Ary na dia rehefa tsy izany aza no izy, raha toa isika vonona ny hahita ny hafa amin’ny alalan’ilay fitiavana tsapan’i Paoly, dia mora kokoa ny maneho fihetsika mendrika manoloana izay mety ho fanafintohinana. Araka ny torohevitra avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Manehoa hatsaram-panahy amin’ny fahalemen’olombelona—ny anao sy ny an’ireo izay miara-manompo aminao ao amin’ny Fiangonana, izay tarihan’ny lehilahy sy vehivavy tsara sitrapo sy mety maty. Ankoatran’ilay hany Zanany Lahitokana tonga lafatra, dia olona tsy tanteraka avokoa no niarahan’ Andriamanitra niasa” (“Tompo ô, mino aho,” Ensign na Liahona, mey 2013, 94).

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

2 Korintiana 1:3–7; 4:6–10, 17–18; 7:4–7

Afaka ny ho fitahiana ireo fitsapana mianjady amiko.

Raha ny amin’ireo fitsapana nianjady tamin’i Paoly nandritra ny asa fanompoany dia tsy mahagaga raha nanoratra betsaka momba an’ireo tanjona sy fitahiana avy amin’ny fitsapana izy. Eritrereto ireo fomba hahafahan’ny fitsapana mianjady aminao ho lasa fitahiana ho anao, eo am-pamakianao ny 2 Korintiana 1:3–7; 4:6–10, 17–18; ary 7:4–7. Ohatra, mety hisaintsaina ianao hoe ahoana no “[n]ampionona[n’ Andriamanitra anao] [t]amin’ny fahoria[nao] rehetra” ary ianao kosa, ahoana no hahafahanao “mampionona izay rehetra mitondra fahoriana” (2 Korintiana 1:4). Na mety hifantoka amin’ny fahazavan’i Jesoa Kristy izay “nampahazava ny [fo],” ianao na dia rehefa “voageja” sy “very hevitra” aza (2 Korintiana 4:6–10) ianao.

Jereo koa ny Môsià 24:13–17.

2 Korintiana 2:5–11

Mandray fitahiana aho ary mitahy ny hafa rehefa mamela heloka.

Tsy mahafantatra betsaka momba ilay lehilahy resahan’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 2:5–11 isika, ny hany fantatsika dia nandika lalàna izy (jereo ny andininy 5–6) ary i Paoly dia naniry ny hamelan’ireo Olomasina azy (jereo ny andininy 7–8). Nahoana isika indraindray no tsy mahavita “[manaiky [mandray] tsara amin’ny fitiavan[tsika]” ny olona iray izay nanafintohina antsika? (andininy 8). Mandratra ny hafa sy ny tenantsika amin’ny fomba ahoana ny tsy fanolorana famelan-keloka? (jereo ny andininy 7, 10–11). Midika inona aminao ny hoe ny tsy fanolorana famelana ny hafa dia mahatonga antsika “ho resin’ny fitak’i Satana”? (andininy 11).

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11.

2 Korintiana 5:14–21

Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ampihavanina amin’ Andriamanitra aho.

I Paoly dia nahafantatra mihoatra ny olona hafa ny dikan’ny hoe lasa “olom-baovao.” Mpanenjika ny Kristianina izy no niova lasa mpiaro an’i Kristy tsy matahotra na inona na inona. Fantany mivantana fa i Jesoa izay “tsy nahalala ota” dia afaka manaisotra ny fahotantsika ary manome antsika ny “fahamarina[ny]”, mamerina ny firaisantsika amin’ Andriamanitra. Eo am-pamakianao an’ireo andininy ireo dia eritrereto ny dikan’ny hoe ampihavanina amina olona iray. Ahoana no hanampian’izany anao hahatakatra ny dikan’ny hoe ampihavanina amin’ Andriamanitra? Saintsaino hoe inona no mety manasaraka anao amin’ Andriamanitra. Inona no zavatra mila ataonao mba hihavanana bebe kokoa Aminy?

Jereo koa ny 2 Nefia 10:23–25.

2 Korintiana 7:8–11

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitondra amin’ny fibebahana.

Tsy dia eritreretintsika ho zavatra tsara matetika ny alahelo, saingy i Paoly anefa dia niresaka ny “alahelo araka an’ Andriamanitra” ho ampahany manan-danja ao amin’ny fibebahana. Inona no zavatra ianarantsika momba ny alahelo araka an’ Andriamanitra avy amin’izao manaraka izao? 2 Korintiana 7:8–11; Almà 36:16–21; Môrmôna 2:11–15. Oviana ianao no nahatsapa alahelo araka an’ Andriamanitra, ary inona no fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao?

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

2 Korintiana 3:1–3

Efa nangataka olona iray mba hanoratra taratasy fanohanana azy ve ny olona ao amin’ny fianakavianao, toy ny fanao rehefa hitady asa na rehefa hikasa hiditra hianatra amin’ny sekoly iray? Asaivo resahany ny momba izany, ary ny zavatra lazain’ilay taratasy momba azy. Nampianatra i Paoly fa ny fiainan’ireo Olomasina dia tahaka ny taratasy fanohanana ho an’ny filazantsara avy amin’i Kristy Tenany, izay “tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra velona.” Eo am-piarahanareo mamaky ny 2 Korintiana 3:1–3 dia resadresaho ny hoe nahoana ny ohatra asehontsika no toy ny taratasy filazan-tsoa ho an’ny filazantsara izay “sady fantatra sy vakin’ny olona rehetra.” Mety azon’ny olona tsirairay avy ao amin’ny fianakaviana atao angamba ny manoratra taratasy iray na “epistily” izay manazava hoe nahoana ny olona iray hafa ao amin’ny fianakaviana no ohatra tsara amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao ny mamaky ny taratasiny amin’ny fianakaviana ary manome izany an’ilay olona izay nosoratany ny momba azy. Nahoana no manan-danja ny mahatakatra fa ny fiainantsika dia “epistilin’i Kristy”?

2 Korintiana 5:6–7

Inona ny dikan’ny hoe “finoana no handehanantsika fa tsy fahitana”? Inona no zavatra ataontsika izay mampiseho fa mino zavatra izay tsy hitantsika maso isika?

2 Korintiana 5:17

Misy ohatra amin’ny zavaboary tonga ao an-tsain’ny fianakavianao ve, na afaka mahita ohatra ve ianareo, zavatra izay mandalo fiovàna mahavariana ary lasa vaovao tanteraka? (jereo ireo sary izay nampiarahana tamin’ity rindran-damina ity). Inona no ampianarin’ireo ohatra ireo antsika momba ny fahafahan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy manova antsika?

2 Korintiana 6:1–10

Araka ireo andininy ireo dia midika inona izany hoe “mpanompon’ Andriamanitra” izany?

2 Korintiana 6:14–18

Ahoana no ahafahantsika manaraka ny torohevitr’i Paoly izay nilaza hoe: “Mivoaha eo amin[’ny tsy mino] hianareo, ka misaraha amin[’izy ireo],” no sady ohatra tsara amin’ireo manodidina antsika ihany koa?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Mizarà lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana. Ny fotokevitra sasantsasany, toy ny Sorompanavotana ohatra, dia mety ho sarotra takarina. Azonao atao ny mampiasa sary na zavatra izay afaka manampy ny fianakavianao hahatakatra ireo fitsipika ianaranareo ao amin’ny soratra masina.

Sary
fanday, akoram-bibikely, lolo

Rehefa miova fo ho an’ny filazantsaran’i Jeosa Kristy isika dia tena lalina ny fiovantsika hany ka nosoritsoritan’i Paoly ho toy ny hoe lasa “olom-baovao” izany (2 Korintiana 5:17).