Avia, hanaraka Ahy
16–22 septambra. 2 Korintiana 8–13: -Ny mpanome amin’ ny fifaliana no tian’ Andriamanitra-


“16–22 septambra. 2 Korintiana 8–13: ‘Ny mpanome amin’ ny fifaliana no tian’ Andriamanitra’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“16–22 septambra. 2 Korintiana 8–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
i Jesoa miresaka amin’ny ankizy kely

16–22 septambra

2 Korintiana 8–13

“Ny mpanome amin’ ny fifaliana no tian’ Andriamanitra”

Hanampy anao hahatsiaro ny zavatra ianaranao mandritra ny fandalinana ny soratra masina ny fanoratana ireo fahatsapana ara-panahy. Azonao soratana ao anatina diary fandalinana, na marihina eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao, na marihina ao amin’ny application Bibliothèque de l’Evangile, na raketina am-peo ny eritreritrao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Inona no ho nataonao raha toa ka naheno ianao fa nijaly tao anatin’ny fahantrana ny vondron’Olomasina amin’ny faritra hafa iray? Izany no tranga nofaritan’i Paoly tamin’ireo Olomasina tao Korinto ao amin’ny 2 Korintiana 8–9. Nanantena ny handresy lahatra ireo Olomasina tao Korinto izy mba hanome ny tombontsoan’izy ireo ho an’ireo Olomasina sahirana. Fa ankoatra ny fangatahana fanomezana dia ahitana fahamarinana lalina momba ny fanomezana ihany koa ny tenin’i Paoly: “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ ny fony avy, tsy amin’ ny alahelo, na amin’ ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ ny fifaliana no tian’ Andriamanitra” (2 Korintiana 9:7). Amin’izao androntsika izao dia mbola misy ireo Olomasina manerana izao tontolo izao izay sahirana ka mila fanampiana. Indraindray ny zavatra tena farany azontsika atao ho azy ireo dia ny mifady hanina sy manome fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina. Amin’ny lafin-javatra hafa dia afaka ny ho mivantana sy manokana kokoa ny fanomezantsika. Na amin’ny endriny ahoana na amin’ny endriny ahoana ny fahafoizan-tena ataontsika dia tsara ny mandinika ny fahavononantsika hanome zavatra. Moa ve maneho fitiavana ny fahafoizan-tenantsika? Sady ny fitiavana no mahatonga ny olona iray ho mpanome amin’ny fifaliana.

Sary
personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

2 Korintiana 8:1–15; 9:5–15

Afaka mizara amim-pifaliana izay ananako aho mba hitahiana ny mahantra sy ny sahirana.

Betsaka loatra ny olona sahirana manerana izao tontolo izao. Ahoana no mety hitondrantsika fanovana eo amin’izany? Nanolotra izao torohevitra izao ny Loholona Jeffrey R. Holland: “Na manan-karena isika na mahantra dia tokony -hanao izay azontsika atao- rehefa sahirana ny hafa [jereo ny Marka 14:6, 8]. … Hanampy sy hitarika anareo [Andriamanitra] amin’ireo asa feno famindram-po atao amin’ny maha-mpianatra rehefa vonona sy mivavaka mafy ianareo ka mikatsaka fomba hitandrovana didy iray izay naverimberiny nomena antsika” (“Moa tsy mpangataka avokoa va isika?” Liahona, nôv. 2014, 41).

Vakio ny 2 Korintiana 8:1–15; 9:6–15, dia raiso an-tsoratra ireo fitsipika nampianarin’i Paoly momba ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana. Inona no manentana ny fanahinao rehefa mamaky ny torohevitr’i Paoly ianao? Azonao atao ny mivavaka mba hahazo fitarihana momba ny zavatra azonao atao hitahiana olona iray sahirana. Raketo tsara izay fahatsapana voarainao ary manaova zavatra araka izany.

Jereo koa ny Môsià 4:16–27; Almà 34:27–29; Henry B. Eyring, “Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako?” Liahona, mey 2015, 22–25; Linda K. Burton, “Mpivahiny aho,” Liahona, mey 2016, 13–15.

2 Korintiana 11

Mitady hamitaka ireo mpaminany sandoka.

Mety hanampy anao hahatakatra ity toko ity ny mahafantatra fa nisy “mpaminany sandoka” nipoitra avy teo anivon’ireo Olomasina tany Korinto (2 Korintiana 11:13). Inona no ianaranao avy ao amin’ny andininy 13–15 momba ireo izay mampianatra fotopampianarana sandoka? Inona no zavatra ianaranao momba ny mpaminany marina rehefa mamaky ny zavatra niainan’i Paoly tamin’ny naha-mpanompon’ny Tompo azy ianao? (jereo ny andininy 23–33).

2 Korintiana 11:3; 13:5–8

Tokony “handinika” ny fahatokiako amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

Koa satria maro amin’izao fotoana izao no mikatsaka ny hitarika antsika “hiala amin’ ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’ i Kristy” (2 Korintiana 11:3), dia tokony hanaiky ny fanasan’ny Paoly mba “[handinika ny tenanao ianao], na mitoetra amin’ ny finoana [ianao], na tsia” (2 Korintiana 13:5). Ohatra, mety handinika ny zavatra azonao esorina amin’ny fiainanao ianao izay hanampy anao hifantoka amin’i Kristy, na mety hamita ilay “Fampiharana momba ny Toetra” ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, pejy 152.

2 Korintiana 12:2–4

Inona “ny lanitra fahatelo,” ary iza ilay olona “nakarina ho any”?

Ao amin’ireo andininy ireo i Paoly dia niresaka momba ny tenany, tsy nanonona ny tenany mivantana, angamba mba hialana amin’ny fihamboana ho nahita fahitana mahavariana. Ny andian-teny hoe “ny lanitra fahatelo” dia milaza ny fanjakana selestialy (jereo ny FF 76:96–98).

2 Korintiana 12:5–10

Ny fahasoavan’ Andriamanitra dia ampy amin’ny fanampiana ahy hahazo hery ao amin’ny fahalemeko.

Tsy fantatsika hoe inona ilay “tsilo tamin’ ny nofo” nihatra tamin’i Paoly, saingy mora ny fipetrahana amin’ny toerany ka hanana faniriana ny mba hanaisorana izany. Manana fanamby sy olana avokoa isika rehetra izay hitan’ny Tompo fa mbola tsy tsara ny hanalana izany amin’ny fiainantsika. Diniho ireo fanamby atrehinao manokana rehefa mamaky ny 2 Korintiana 12:5–10 ianao. Inona no zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fahalemena? Midika inona aminao ny hoe ny fahasoavan’ Andriamanitra dia ampy ho anao? Oviana no efa nahatsapanao ny hery mampatanjak’ Andriamanitra?

Jereo koa ny Môsià 23:21–24; 24:10–15; Etera 12:27; Môrônia 10:32–33.

2 Korintiana 13:1

Inona no tian’i Paoly nolazaina raha niresaka momba ny “vavolombelona roa na telo” izy?

Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia notakiana ny fisian’ny vavolombelona roa na telo raha hitondra fiampangana ho an’ny olona iray (jereo ny Deoteronomia 19:15). Nolazain’i Paoly io fomba fanao io rehefa niresaka momba ny fitsidihany fanintelony an’i Korinto izy. Ohatra maoderina momba an’io fitsipiky ny vavolombelona maro io ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna, ireo tenivavolombelon’i Jesoa Kristy omen’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna, ary ny fomba fiasan’ny misiônera sy ny mpampianatra isan-tokantrano ary ireo mpamangy isan-tokantrano izay mijoro ho vavolombelona miaraka amin’ny namana.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

2 Korintiana 8–9

Inona no hitanao ao amin’ireo toko ireo izay mandrisika ny fianakavianao hanolo-tanana ny mahantra sy ny sahirana? Afaka ny ho fotoana tsara hanaovana drafitra izany mba hanaovana asa fanompoana miaraka amin’ny fianakavianao ho an’ny olona iray izay mila fanampiana.

2 Korintiana 9:6–7

Mahafantatra olona izay azo faritana ho “mpanome amin’ny fifaliana” ve ny fianakavianao? Inona no azontsika atao hahatonga ny fanompoantsika ho amin’ny fifaliana kokoa?

2 Korintiana 10:3–7

Ahoana no mety hampianaranao ny fianakavianao momba ny ady ataontsika amin’ny fahalemena? Mety ho fy amin’ny fianakavianao ve ny manorina rindrina na manda amin’ny alalan’ny seza sy bodofotsy? Mety hitarika fifanakalozan-kevitra momba ny fomba hiadiana amin’ireo zavatra izay mitarika antsika hiala amin’ Andriamanitra sy “mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’ i Kristy” izany. Inona avy ireo “fiadiana” ara-panahy izay ampiasaintsika mba hifehezana ny eritreritsika? (jereo ny Efesiana 6:11–18).

2 Korintiana 11:3

Inona no azon’ny fianakavianao atao mba hifantohana bebe kokoa “amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’ i Kristy”?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mirakitra ireo zavatra tsapa. Nilaza ny Loholona Richard G. Scott hoe: “Ny fahalalana noraketina an-tsoratra tsara dia fahalalana azo ampiasaina amin’ny fotoana ilàna izany. … Manatsara ny fahafahanao mandray fahazavana bebe kokoa ny [firaketana ny zavatra tsapa]” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” Ensign, Nov. 1993, 88; jereo koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 1230).

Sary
zatovo manampy amin’ny tetikasa fanompoana

“Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ ny fony avy, tsy amin’ ny alahelo, na amin’ ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ ny fifaliana no tian’ Andriamanitra.” (2 Korintiana 9:7).