2012
Niteny Tamintsika Izy ireo: Manome Anjara Toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny Fiainantsika
Mey 2012


Niteny Tamintsika Izy ireo

Manome Anjara Toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny Fiainantsika

Ampiasao ny sasany amin’ireto asa atao sy fanontaniana ireto mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitry ny mpianakavy na ny fandinihana ataon’ny tena manokana.

Ny pejy voatanisa etsy ambany dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Ho an’ny ankizy

  • Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nizara teny roa manan-danja izay tiany ho tsaroantsika rehefa mahatsapa toy ny alaim-panahy haneho haratsian-toetra amin’olona iray isika (pejy 70). Moa ve tadidinao hoe inona ireo teny roa ireo? Ifampiresaho amin’ny ray aman-dreninao ny mikasika ireo fihetsika izay nasainy natsahatrao. Eritrereto izay fomba ahafahanao hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy eo amin’ny fomba itondranao ny hafa.

  • Ny Loholona Russell M. Nelson dia niresaka momba ireo zavatra mampitolagaga vitan’ny vatantsika (pejy 77), ary ny Loholona Ronald A. Rasband dia nampianatra fa tia antsika ny Raintsika any an-danitra na dia tsy lavorary aza ny vatantsika (pejy 80). Inona no zavatra tsapanao noho ny fanananao vatana? Eritrereto ireo zavatra samihafa azon’ny vatanao atao. Rehefa mivavaka ianao dia eritrereto izay zavatra azonao lazaina amin’ny Ray any an-danitra mba hisaorana Azy noho izany fanomezana izany.

Ho an’ny Tanora

  • Moa ve ianao mahafantatra olona izay mametraka ireo fanontaniana telo notanisain’ny mpaminany tao anatin’ny lahateniny nandritra ny fivoriana Alahady maraina (pejy 90): “Avy aiza isika? Maninona eto isika? Mankaiza isika rehefa mandao ity fiainana ity?” Vakio ireo valiny nomeny ho an’ireo fanontaniana ireo ary mieritrereta fomba izay mety ahafahanao mizara ireo fahamarinana ireo amin’ny olona izay mbola tsy manana azy ireo.

  • Misy olona sasany izay tsy mahatakatra fa ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino sy manaraka an’i Jesoa Kristy. Vakio ny lahatenin’i Dallin H. Oaks hoe “Ny Sorona,” ary eritrereto ity fanambarana ity: “ny fiainantsika natokana ho an’ ny asa fanompoana sy ny sorona no fanehoana tsara indrindra an’ ilay fanoloran-tenantsika hanompo ny Tompo sy ny mpiara-belona amintsika.” (pejy 19). Milaza inona mikasika ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy ny fomba iainanao ny fiainanao?

  • Ny Loholona Quentin L. Cook dia nampianatra hoe: “Rehefa tsy miraharaha ny feon-kiran’ny finoana ny olona iray dia tsy maheno ny Fanahy izy.” (pejy 41). Eritrereto hoe manao ahoana ny feon’ny zava-maneno iray rehefa mivalana ary inona no mahatonga ny zava-maneno iray hivalana. Inona avy ireo zavatra manokana azonao atao hanalavirana ny “ tsy firaharahiana ny feon-kiran’ny finoana”?

  • Mpandahateny maro tao anatin’ity fihaonambe ity no niresaka momba ny fianakaviany—ka tao anatin’izany ny fianakaviana izay mpikambana ny olona sasany ao aminy, ny fianakaviana izay ahitana ray na reny tokan-tena ary fianakaviana izay miatrika karazam-pitsapana maro. Inona no zavatra nianaran’ireo mpandahateny ireo avy amin’ny fianakaviany ary inona no zavatra nankafizin’izy ireo mikasika ny fianakaviany? Inona no zavatra tianao sy ankafizinao mikasika ny anao? Ahoana no fomba ahafahanao mitondra ny anjara birikinao eo amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao ary manome hery azy ireo?

Ho an’ny Olon-dehibe

  • Ny Filoha Boyd K. Packer dia nampianatra hoe: “Ny iray amin’ ireo zava-baovao lehibe hita amin’ ny maha-ray aman-dreny dia ny hoe betsaka lavitra ny zavatra ianarantsika avy amin’ ny zanatsika noho ny avy tamin’ ny ray aman-drenintsika raha ny mikasika an’ izay zavatra tena manan-danja.” (pejy 6). Raha toa ianao ka ray na reny dia eritrereto ny sasany tamin’ireo lesona izay voarainao avy tamin’ny zanakao, na raha toa ianao ka tsy ray na reny dia eritrereto ireo lesona izay nianaranao avy amin’ireo ankizy fantatrao. Zarao amin’ny vadinao na ny namanao na ny zanakao na amin’ny hafa ireo lesona ireo—ary ny toe-javatra niseho izay nianaranao azy ireo.

  • Afaka mahazo fanafahana amin’ny ratsy isika rehefa mitodika any amin’ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina araka ny nampianarin’ny Loholona L. Tom Perry (pejy 94). Ahoana no fomba nanampian’ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina anao mba hanafahana anao? Ahoana no fomba nanampiany anao mba hisafidy ny tsara?

  • Maro tamin’ireo lahateny no niompana tamin’ny fanekempihavanana, indrindra ireo fanekempihavanan’ny tempoly. Eritrereto ny zavatra nolazain’ny Loholona Robert D. Hales: “Ndeha isika hiresaka amin’ny tenantsika eo anoloan’ny fitaratra ary hanontany hoe: ‘Aiza ho aiza ny toeran’ny fanekempihavanako eo amin’ny fiainako?’” (pejy 34). Eritrereto izay ho valinteninao sy izay azonao atao koa angamba mba hanajana tsara kokoa ny fanekempihavananao—ary mba hanasana ny hafa hanao fanekempihavanana sy hanaja izany.

  • Ny Loholona Jeffrey R. Holland (pejy 31), ny Loholona Neil L. Andersen (pejy 111), ary ireo hafa koa dia niresaka momba ny maha-mpanara-dia sy ny dingana arahana hanatonana an’i Kristy. Nanao ahoana hatramin’izay ilay dingana arahanao amin’ny maha-mpanara-dia anao? Inona no zavatra nianaranao avy amin’ireo lahateny ireo na avy amin’ny lahateny hafa mikasika ny fanohizana ny fanatonana ny Mpamonjy?

  • “Ny asa fototra nanirahana antsika,” araka ny nampianarin’ny Loholona D. Todd Christofferson, “dia ny hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ny fotopampianarany, manerana an’izao tontolo izao” (pejy 86). Avereno vakiana ny lahatenin’ny Loholona Christofferson ary koa ny an’ny Loholona Donald L. Hallstrom (pejy 13) ary eritrereto hoe inona no filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manana fahafahana hampianatra izany ve ianao ao anatin’ny tokantranonao sy ao anatin’ny antsonao ary ao anatin’ny fifaneraseranao?