2012
Loholona Craig A. Cardon
Mey 2012


Loholona Craig A. Cardon

Ao amin’ ny Fitopololahy

Sary
Loholona Craig A. Cardon

Ny Loholona Craig A. Cardon izay nantsoina vao haingana hiala ao amin’ny Kôlejy Faharoan’ny Fitopololahy mba ho ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy dia mahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy eo amin’ny zavatra tsara rehetra eo amin’ny fiainany.

Nitantara izy hoe: “Ny raiko sy ny reniko dia nanampy ahy fony ankizilahy mba hanomboka hamantatra ny feon’ny Fanahy mba hahafantarana ny zavatra tsapako.” “Izany fifandraisana avy amin’ny Tompo izany dia natao ho an’ny rehetra izay mikatsaka amim-pahavitrihana izany ary zava-dehibe ao anatin’ity asa lehibe ity.”

Taorian’ny asa fitoriana nataony tany Italie, ny Loholona Cardon dia nanambady an’i Deborah Louise Dana tamin’ny Nôvambra 1970 tany amin’ny Tempolin’i Mesa Arizona. 13 taona taty aoriana monja dia lasa filohan’ny Misiônan’i Rome, Italie ny Loholona Cardon.

Nanomboka tamin’ny 2006 ka hatramin’ny 2011, ny Loholona Cardon dia nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritr’i Afrika Andrefana, ary hoy izy raha namaritra an’izany zavatra niainany izany hoe: “fitahiana lehibe ny fiasana eo anivon’ny olona izay tiantsika fatratra.”

Nandritra ny androm-piainany, ny Loholona Cardon dia nanokana ny ankamaroan’ny fotoany tamin’ny fanaovana asa soa ho an’ny mpiara-belona teo anivon’ny fianakaviana avy amin’ny fireneny sy avy amin’ireo firenena maneran-tany ary teo anivon’ny fikambanan’ny tanora.

Ny Loholona Cardon dia zanak’i Wilford Pratt sy Vilate Allen Cardon teraka tany Mesa, Arizona, Etazonia tamin’ny volana Desambra 1948. Taorian’ny nahazoany ny mari-pahaizana Licence momba ny haitoebola avy tao amin’ny Arizona State University, dia nanao asa tena miompana amin’ny fandraharahana hahazoana tombony maro izy. Taty aoriana izy dia nahazo ny mari-pahaizana MPA (Master of Pubic Administration) avy tao amin’ny Harvard University’s Kennedy School.

Talohan’ny niantsoana azy ho Manampahefana Ambony, dia efa filohan’ny kôlejin’ny loholona izy, misiônera teo anivon’ny tsatòka, filohan’ny misiôna, eveka, filohan’ny tsatòka, mpampianatra ny Fotopampianaran’ny Filazantsara, ary mpampianatra institiota.

“Na inona na inona toe-javatra iainan’ny olona manokana dia ampy ho an’izay rehetra manatona Azy ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.”