2012
Nampiana Fampahalalana Vaovao Ho an’ireo Tompon’andraikitra Manokana Misahana ny Fahasembanana ao amin’ny LDS.org
Mey 2012


Nampiana Fampahalalana Vaovao ho an’ireo Tompon’andraikitra Manokana Misahana ny Fahasembanana ao amin’ny LDS.org

I Julie Brink avy any Indiana, Etazonia dia nitaiza zanakavavy izay Marenina ary nandritra ny taona maro izy dia mpandika teny tanana tao amin’ny tsatòkany. I Elaine Allison avy any Arizona, Etazonia dia niasa nandritra ny fotoana ela tamin’ny naha-mpampianatra azy tany amin’ny sekoly tsy miankina iray, ka nanana fifandraisana mivantana sy tsy mivantana tamin’ireo manana fahasembanana izy. Izy koa dia nanana zanaky ny mpiray tampo aminy anankiray izay tratran’ny trisomie 21 ary nanana namana akaiky maromaro izay voan’ny sclérose en plaque sy SLA (sclérose latelate amyotrophique) na ny Maladie de Lou Gehrig.

Samy tsy misy mihevitra ny tenany ho “manam-pahaizana” eo amin’y sehatry ny fahasembanana na Rahavavy Brink na Rahavavy Allison, kanefa izy roa ireo dia samy tompon’andraikitra misahana ny fahasembanana eo anivon’ny tsatòka, ka nampiana fampahalalana izay amin’ny fiteny 10 mikasika izany antso izany ao amin’ny fizarana Manompo ao amin’ny Fiangonana ao amin’ny LDS.org. (Raha ny marina io antso io dia azo atao eo anivon’ny tsatòka na eo anivon’ny paroasy na, raha ilaina, dia samy asiana.)

Na dia zavatra kely fotsiny aza no resahana momba ilay antso hoe tompon’andraikitra misahana ny fahasembanana eo anivon’ny tsatòka na eo anivon’ny paroasy ao amin’ny Manuel 2: Administration de L’Église, dia misy mpitarika mety manontany tena hoe inona marina moa izany antso izany.

“Ny zavatra miseho indraindray dia tsy tsapan’ireo mpitarika ao amin’ny paroasy ny filana izany na rehefa hitan’izy ireo izany dia tsy fantatr’izy ireo ny zavatra tokony hatao mba hiatrehana ny filana manokana iray,” hoy i Christopher Phillips, tale mpitantana ny Sampan-draharaha misahana ny Fahasembanana ao amin’ny Fiangonana. “Maro ireo toe-javatra izay ahitana fa mety tena manampy ny fananana tompon’andraikitra misahana ny fahasembanana, saingy tsy ny rehetra akory no mahatsapa hoe misy io antso io.

“Ity zavatra vaovao en ligne ao anatin’ny fizarana Manompo ao amin’ny Fiangonana ity dia tsy mamaritra amin’ny antsipiriany ny zavatra rehetra tokony hataon’ny olona iray manana ity antso ity,” hoy izy nanohy izany, “saingy mba manome hevitra sy loharano izany mba hahafahan’ilay olona manompo eo amin’io toerana io manampy ireo mpitarika sy mpampianatra ary fianakaviana manana olana mikasika ny fahasembanana.”

Ilay fampahalalana nampidirina ao amin’ny LDS.org amin’ny fiteny 10 dia mifantoka amin’ny fomba ahafahan’ireo tompon’andraikitra manampy ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy tsatòka mba:

  • Hitady sy hamantatra izay olona manana fahasembanana sy ny fianakaviany ao anatin’ny paroasy sy tsatòka.

  • Hampandray anjara an’ireo mpikambana manana fahasembanana ao anatin’ireo fivoriana sy fiaraha-mientana.

  • Hamaly ireo fanontaniana mifandray amin’ny fahasembanana sy ireo olana ananan’ny ray aman-dreny sy mpitarika ary olona manokana hafa.

  • Hitady fomba lehibe ahafahan’ireo mpikambana manana fahasembanana manompo.

  • Hamantatra izay zavatra manokana ilain’ny fianakaviana (tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fikarakarana) ary raha azo atao dia mitady izay loharano misy eo anivon’ny fiaraha-monina, paroasy sy tsatòka mba hanampiana an’ireo izay mila fanampiana.

Zava-dehibe ny manantitrantitra fa tsy ny tompon’andraikitra misahana ny fahasembanana irery akory no hany manao ireo zavatra ireo. Fa ny anjara asany dia ny manampy ireo mpitarika hahatakatra tsara kokoa ny fahasembanana sy hanompo ireo manana fahasembanana. Ankoatra izany ny tompon’andraikitra misahana ny fahasembanana koa dia “mizara fampahalalana miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy ireo mpitarika amin’ny fomba tena manampy ho an’ny olona manokana sy ny ray aman-dreny izay mizaka ny fahasembanana.”

Ilay fampahalalana vaovao ao amin’ny LDS.org amin’ny fiteny 10 dia manampy ireo izay voantso ho tompon’andraikitra misahana ny fahasembanana eo anivon’ny tsatòka mba hampahery ireo mpikambana manana fahasembanana.