2012
Eveka Dean M. Davies
Mey 2012


Eveka Dean M. Davies

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Episkôpà Mpiahy

Sary
Dean M. Davies

Rehefa nanontanian’ny Filohan’ny Fiangonana antsipirian-javatra mikasika ny toerana hananganana tempoly iray ny Eveka Dean Davies, toy ny hoe hafiriana eo no hahatongavana any amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka akaiky indrindra raha miala avy eo, dia tsy namerina nilaza toe-javatra tsotra Rahalahy Davies. Fantany mivantana ny zavatra niainan’ilay mpandeha any amin’ny tempoly izay nandeha an-tongotra tamin’ilay lalana.

“Ahoana no anaovanao izany?” Hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley nanontany azy indray mandeha.

Fifantohana mifono fahavitrihana sy fitandremana amin’ireo antsipirian-javatra no fomba niainan’ny Eveka Dean Myron Davies ny fiainany—izay vao nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Episkôpà Mpiahy.

Ny Eveka Davies dia zanak’i Oliver T. sy Myra Davies tany Salt Lake City, Utah, Etazonia, tamin’ny Septambra 1951 ary notaizana tao amin’ny fianakaviana iray izay ny fitiavana sy ny asa no fitsipika mitarika. Raha te hahazo zavatra iray izy dia tsy maintsy manao asa mba hahazoana izany. Rehefa tsy nahomby ilay fitalahoana tsy an-kijanona tamin-dreniny mba hanomezany azy kilalao iray izay niriany dia nandinika ny karazan-javatra azony natao izy. Mbola tsaroany foana ilay havizanana ara-batana sy ny vokatra nahafa-po avy tamin’ny fanosehana an’ilay hetibe fanetezena bozaka izay efa tranainy teo amin’ilay bozaka lavaben’ny mpifanolobodirindrina aminy.

Taorian’ny nanaovany asa fanompoana tao amin’ny Misiônan’i Uruguay/Paraguay nanomboka tamin’ny 1970 ka hatramin’ny 1972, dia nody izy mba hanambady an’i Darla James, izay namana iray tamin’izy mbola zatovo, tamin’ny Jiona 1973 any amin’ny Tempolin’i Salt Lake. Ny Eveka Davies dia nahazo mari-pahaizana licence mikasika ny toe-karena ara-pambolena avy tao amin’ny Brigham Young University tamin’ny 1976 ary taty aoriana dia nahazo fanofanana avo lenta ho an’ny mpiandraikitra ambony tao amin’ny Stanford University sy Northwestern University.

Izy dia efa filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo in-dimy ary nanompo tao anatin’ny episkôpà maro sy tao anatin’ny andraikitra samihafa tao amin’ny paroasy. Izy koa dia efa filohan’ny Misiônan’i San Juan Puerto Rico San Juan nanomboka tamin’ny 1998 ka hatramin’ny 2001. Tamin’ilay fotoana nanaovany an’ilay antsony vao haingana indrindra dia niasa toy ny tale mpitantana ny Departemanta misahana ny Fandaharan’asa Manokan’ny Fiangonana izy.

Tao anatin’ireo lesona izay azony dia nianatra izy fa “ny Tompo dia tia sy mitarika ny zanany.”