2012
Carole M. Stephens
Mey 2012


Carole M. Stephens

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany

Sary
Carole M. Stephens

I Carole M. Stephens dia nanana foana fanajana ny zavatra masina. Izany fanehoana fanajana izany dia nanomboka tamin’izy ankizivavy rehefa nofehezina tany amin’ny tempoly ny fianakaviany taorian’ny niovan’ny reniny fo tao amin’ny filazantsara.

“Tsy takatro daholo ny niseho,” hoy ity mpanolotsaina vaovao ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany ity. “Saingy fantatro fa zavatra niavaka izany. Efa mba lehibe ihany aho tamin’izany ka nahatsiaro fa ny tempoly dia toerana masina.”

Rahavavy Stephens dia naterak’i Carl L. sy Forest Manzel tamin’ny Martsa 1957 ary fahatelo tamin’ireo zaza sivy izy ary lehibe tany Ogden, Utah, Etazonia. Tsaroany tsara ireo ohatra nasehon’ny ray aman-dreniny azy mikasika ny asa fanompoana, ny fahafoizan-tena ary ny dikan’ny hoe manao ho lohalaharana ny fianakaviana sy ny Fiangonana.

“Ny filazantsara no zava-dehibe indrindra ho azy ireo ary nampisehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny ohatra ny atao hoe asa fanompoana tahaka ny an’i Kristy,” hoy izy. “Nampianariny anay ny dikan’ny hoe asa fanompoana—sy ny fomba fanompoana marina.”

Rehefa nanompo tao anatin’ny toe-javatra samihafa ny ray aman-dreniny dia nampandraisiny anjara ny zanany. Nandritra ireo fotoana ireo no nampitomboan’izy ireo ny finamanany—zavatra izay nezahan’izy sy ny vadiny Martin “Marty” Stephens natao niaraka tamin’ireo zanany enina.

Izy sy i Marty vadiny dia nifankahita rehefa nianatra tao amin’ny Weber State University tao Ogden, Utah izy ireo ary nianatra mikasika ny fampianarana mialoha ny ankizy izy. Nivady tamin’ny Aprily 1976 izy ireo tao amin’ny Tempolin’i Logan Utah. Nilaza Rahavavy Stephens fa izy sy ny vadiny dia toy ny “tarika” lehibe anankiray nandritra ny taona maro satria nifanohana izy ireo tao anatin’ireo andraikitra samihafa, tao anatin’izany ireo antsony toy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny tsatòka sy ny Fikambanana Ifanampian’ny paroasy, mpanolotsaina sy mpampianatra, filohan’ny Zatovovavin’ny paroasy; mpanolotsaina sy mpampianatra tao amin’ny Kilongan’ny paroasy sy mpitarika ny Skoto zandriny, mpampianatra seminera ary misiônera misahana ny asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana.

“Na dia teo aza ny hamaroan’ny zavatra natao dia nahita fifaliana izahay,” hoy izy. “Nampandraisinay anjara tao anatin’ny asa fanompoana nataony ny zanakay sy ny zafikelinay. Noho izany dia lasa nihamafy orina ny fifandraisan’ny fianakavianay rehefa niaraka nanompo izahay.”