2012
Nambara ireo Nahazo Valisoa tamin’ny Fampirantiana Zavakanto Iraisam-pirenena ary Misokatra ny Fampirantiana
Mey 2012


Nambara ireo Nahazo Valisoa tamin’ny Fampirantiana Zavakanto Iraisam-pirenena ary Misokatra ny Fampirantiana

Tamin’ny Zoma 16 Martsa 2012 nandritra ny fanokafana ny Fifaninana Fampirantiana Zavakanto Iraisam-pirenena Fahasivy, dia mpahaikanto maro avy amin’izao tontolo izao no tafavory mba handray ireo valisoa noho ireo zavakanto nataony izay mifototra amin’ny lohahevitra mikasika ny Olomasin’ny Andro Farany.

Nisy Valisoa ho an’ny Asa Tena Mendrika izay nomena mpahaikanto 20 noho ireo sangan’asany izay noheverina fa “tena miavaka”, ary mpahaikanto 15 hafa nahazo Valisoa ho an’ny Asa Hovidiana, izay midika hoe ny Tranombakoky ny Tantaran’ny Fiangonana izay miantoka ilay fifaninana dia naka ilay sangan’asa mba ho angonina miaraka amin’ireo sangan’asa izay ananany.

Ny Loholona Marlin K. Jensen avy ao amin’ny Fitopololahy, izay Mpahaitantaran’ny Fiangonana ary Mpanao Firaketana dia nanatrika sy nanao lahateny fohy talohan’ny nanomezana ireo valisoa.

Ilay fampirantiana zavakanto dia nisokatra tamin’ny 16 Martsa 2012 ary mitohy hatramin’ny 14 Ôktôbra 2012 ao amin’ny Tranombakoky ny Tantaran’ny Fiangonana ao Salt Lake City, Utah, Etazonia.

Ny fifaninana tamin’ity taona ity Ampahafantaro ireo Asa Mahatalanjona (F&F 65:4), dia nisarika mpandray anjara mihoatra ny 1149 tao anatin’ny fampitam-baovao isan-karazany, ka tafiditra tao anatin’izany ny sary sokitra, ny lamba firakotra misesika volom-borona na lamba hafa, zavakanto vita amin’ny taratasy ary sary hosodoko. Ny tranombakoka dia hampiranty sangan’asa 198.

Arak’i Rita R. Wright, izay Mpitahiry Zavakanto sy Zavatra Namboarina ao amin’ny tranombakoka, ny fandraisana anjara dia tsaraina araka ny hatsaran’ny zavakanto sy ny fifandraisan’izany amin’ny lohahevitra. Ireo asa ireo dia maneho karazana fomba samihafa sy fombafomba ara-kolotsaina samihafa izay mijoro ho vavolombelona momba ilay asa mahatalanjon’ny Tompo, hoy izy ary matetika mampiasa tandindona mba hanehoan-javatra sy hampianarana.

Ohatra ny Tempolin’i Kiev Ukraine izay nataon’ilay teratany avy any Ukraine Valentyna Musiienko ary nahazo Loka ho an’ny Asa Hovidiana, dia namerina nanao teo amin’ny taratasy miloko ireo marika sasantsasany hita eo amin’ilay tempoly.

I Alexandra Gomez Chaves avy any Bogotá, Colombie dia nilaza fa ilay fifaninana dia fomba iray hijoroana ho vavolombelona. Izy dia namorona ilay sangan’asa izay nahazo Loka ho an’ny Asa Tena Mendrika, nantsoina hoe Rano Velona niaraka tamin’ny fanampian’ny reniny, izay nodimandry fotoana fohy talohan’ny nisokafan’ilay fampirantiana.

“Ny olona izay mijery ity zavakanto ity … dia hahita ny fijoroana ho vavolombelona fa loharanon’ilay rano velona i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany,” hoy izy. “Ho hitan’izy ireo ao anatin’io sangan’asa io ny fitiavana rehetra izay azon’ny reny iray ampianariny an-janany satria io reny io dia maka siny ary mampianatra ny zanany vavy mba hampianatra ny filazantsara.”

Maimaim-poana ny fidirana ao amin’ilay fampirantiana ary ireo mpitsidika dia entanina mba hitondra ny fianakaviany. Afaka mifidy izay sangan’asa tiany indrindra izy ireo ary hisy ny fanomezana Loka miisa enina natokana ho an’ny Asa Nofidian’ny Mpitsidika izay atolotra amin’ny Septambra ary mifototra amin’ny fifidianana ataon’ny mpitsidika izany.

Atsy ho atsy ny olona dia afaka hijery ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana amin’ny teny Anglisy ireo resadresaka nifanaovana tamin’ireo mpahaikanto 11 samihafa izay nandray anjara tao amin’ilay fifaninana. Ireo horonan-tsary ireo dia ho aseho koa ao amin’ny tranombakoka.

Ny Tranombakoky ny Tantaran’ny Fiangonana koa dia mikasa ny hanao fampirantiana en ligne ao amin’ny history.lds.org/artcompetition.

Ho fampahalalana bebe kokoa momba ilay fampirantiana dia tsidiho ny history.lds.org na antsoy ny 801-240-4615.

Ho Alefako ny Teniny (Jakoba Mpampianatra), nataon’i Elspeth Caitlin Young, Etazonia

Nahazoana lalana avy tamin’ny Tranombakoky ny Tantaran’ny Fiangonana

Ilay Tanana Mampitraka, nataon’i Joumana Borderie, Liban

Nahazoana lalana avy tamin’ny Tranombakoky ny Tantaran’ny Fiangonana