2012
Loholona Richard J. Maynes
Mey 2012


Loholona Richard J. Maynes

Ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy

Sary
Loholona Richard J. Maynes

“Ny olona rehetra manerana an’izao tontolo izao dia zanak’Andriamanitra ary tia ny zanany rehetra amin’ny fomba tsy miangatra Izy,” hoy ny Loholona Richard John Maynes, izay vao nantsoina ho ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy. Izany, hoy izy, no fitsipika voalohan’ny filazantsara izay tonga ao an-tsainy rehefa mandinika ireo asa fanompoana nataony izy izay nivelatra nankany amin’ny firenena hafa, toy ny asa natao tany naneran-tany Uruguay, Paraguay, Mexique, Équateur, Pérou, ary Philippines.

Nanampy izy hoe: “Ireo fitahiana mandrakizay izay avy amin’ny fanekena, ary avy eo fiainana ireo fitsipika nampianarin’i Jesoa Kristy, dia hanandratra ireo zanaky ny Ray any an-danitra rehetra amin’ny farany, na aiza na aiza ipetrahan’izy ireo ary na inona na inona fanamby atrehany eto amin’ity fotoana fizahan-toetra ity.”

Ny Loholona Maynes dia zanak’i Stan sy Betty Maynes teraka tamin’ny Ôktôbra 1950 tany Berkeley, California, Etazonia. Nanomboka ny fanompoany tany amin’ny firenena hafa izy tamin’ny 1969 rehefa nanao asa fitoriana ny filazantsara nandritra ny fotoana feno tany Paraguay sy Uruguay hatramin’ny 1971.

Nanambady an’i Nancy Purrington izy, izay hitany fony izy niasa tao amin’ny toeram-pialan-tsasatra iray tany Idaho tamin’ny Aogôsitra 1974 tany amin’ny Tempolin’i Manti Utah. Manan-janaka efatra izy ireo.

Nahazo mari-pahaizana mikasika ny fandraharahana tao anatin’izay taona izay ihany avy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young ny Loholona Maynes ary taty aoriana dia nahazo ny mari-pahaizana MBA avy tao amin’ny Thunderbird School of Global Management. Ny asany dia tompon’orinasa iray nifantoka manokana tamin’ny fihariam-pandehatenany ary Tale Mpitantana izany.

Ny Loholona Maynes dia filohan’ny Misiônan’i Monterrey Mexique nanomboka tamin’ny 1989 ka hatramin’ny 1992. Voantso ho Manampahefana Ambony izy tamin’ny 1997. Nanomboka tamin’izay izy dia nanompo tao amin’ny fiadidian’ny Vondrom-paritra tany Avaratra Andrefan’i Amerika Atsimo, tao amin’ny fiadidian’ny Vondrom-paritra tany Andrefan’i Amerika Atsimo sy tao amin’ny fiadidian’ny Vondrom-paritra tany Philippines.

Nantsoina izy tamin’ny 20 Janoary mba hanompo ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, hisolo ny Loholona Steven E. Snow izay voantso ho Mpahaitantara sy Mpanao firaketana mikasika ny Fiangonana.