2012
Linda S. Reeves
Mey 2012


Linda S. Reeves

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany

Sary
Linda S. Reeves

I Linda Sheffield Reeves dia nianatra avy tamin’ilay reniny niova fo sy andry iankinana tao anatin’ny fahatanorany mba hitodika any amin’Andriamanitra amin’ny fotoam-pahoriana ary hiezaka ny hanao ny tsara indrindra araka ny nampianarin’ny rainy azy.

“Vetivety aho dia nanana fijoroana ho vavolombelona mafy orina teo amin’ny fiainako noho ireo fanamby izay nanampy ahy ara-panahy mba ho matotra haingana,” hoy izy.

Rahavavy Reeves dia naterak’i Elbert Jolley sy Barbara Welsch Sheffield tany Los Angeles, California, Etazonia tamin’ny Aogôsitra 1951. Tsaroany ilay izy nitraka nijery ny lanitra feno kintana fony izy 13 taona nandritra ny lasin’ny Zatovovavy ary nanolotra vavaka tsotra avy amin’ny fo hoe: “Ray ô! Ao ve Ianao?”

“Nofonosin’ny Fanahiny sy ilay fahalalana ny fanatrehany sy ny fisiany aho ary ny fitiavany ahy,” hoy izy.

Rahavavy Reeves dia nifankahita tamin’i Melvyn Kemp Reeves tao amin’ny paroasiny tao Pasadena. Niaraka izy ireo rehefa samy nianatra tao amin’ny Brigham Young University ary taorian’ny asa fitoriana nataon’i Melvyn Kemp Reeves. Nivady izy ireo tamin’ny Jiona 1973 tao amin’ny Tempolin’i Los Angeles Californie ary nanan-janaka 13.

Rahavavy Reeves dia nifikitra tamin’ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny Sorompanavotana teo anivon’ireo fitsapany, indrindra taorian’ny nahafatesan’i Emily Michelle zanany vavy, 17 taona tao anatin’ny lozam-piarakodia tamin’ny 2005.

“Mpampianatra lehibe ny fahoriana,” hoy izy. “Ny fahoriana dia mamolavola antsika sy manomana antsika amin’ny asa fanompoana hataontsika amin’ny ho avy ao amin’ny fanjakana, ao amin’ny tokantranontsika sy eo amin’ny fiaraha-monina ary manomana antsika mba ho lasa fitaovana eo an-tanan’ny Tompo.”

Talohan’ny antsony ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, Rahavavy Reeves dia niara-nanompo tamin’ny vadiny tamin’izy niahy ny Misiônan’i Riverside Californie nanomboka tamin’ny 2008 ka hatramin’ny 2011. Izy dia efa filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny tsatòka, filohan’ny Zatovovavin’ny paroasy, mpampianatra hira tao amin’ny Kilonga ary mpampianatra tao amin’ny Sekoly Alahady.

Rahavavy Reeves dia nahazo mari-pahaizana licence mikasika ny fampianarana manokana avy tao amin’ny BYU tamin’ny 1974. Tsy matahotra ny mamoaka ny heviny izy indrindra rehefa eo amin’ny lafiny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny olona rehetra izay mihaona aminy.