2012
Ny Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao isan-taona faha-182 dia Nahitana Fanovana mpitarika tao anatin’ny Fitopololahy, sy ny Episkôpà ary ny Fikambanana Ifanampiana
Mey 2012


Ny Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182 dia Nahitana Fanovana mpitarika tao anatin’ny Fitopololahy, sy ny Episkôpà ary ny Fikambanana Ifanampiana

“Tsy afaka ny hivory anaty trano lehibe iray isika rehetra,” hoy ny Filoha Thomas S. Monson, Filohan’ny Fiangonana, nandritra ny fivoriana fanokafana ny Fihaonamben’ny Fiangonana Fanao Isan-taona faha-182 tamin’ny 31 Martsa 2012, “kanefa ankehitriny manana fahafahana hanaraka ny fizotran’ny fihaonambe amin’ny alalan’ny fahitalavitra, ny fampielezam-peo, ny cable, ny zanabolana ary ny Internet—eny na amin’ny alalan’ireo fitaovam-pifandraisana enti-tanana koa aza. Isika dia miara-mivory mba hitambatra ho iray ary miteny amin’ny fiteny maro, saingy ao anatin’ny finoana sy fotopampianarana ary tanjona iray ihany.”

Marina izany teny izany satria olona mihoatra ny 100.000 no nanatrika ireo fivorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana tao amin’ny Foiben’ny Fihaonambe tao Salt Lake City, Utah, Etazonia tamin’ny 31 Martsa sy 1 Aprily—ary olona an-tapitrisany maro no nijery sy nihaino tamin’ny alalan’ny fampitana tamin’ny fahitalavitra, radiô, zanabolana, ary internet. Na tamin’ny alalan’ny fampitana mivantana izany na tamin’ny alalan’ny fandefasana ny fihaonambe fotoana fohy taty aoriana dia mpikambana sy olona hafa manerana an’izao tontolo izao tao anatin’ny fiteny 94 no nandray anjara tamin’izany.

Na dia talohan’ny fiantombohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana aza dia maro ireo mpikambana no nampiasa ireo teknôlôjia maoderina mba hanasana ny hafa handray anjara amin’ny fihaonambe. Ireo zava-baovao aroso ao anatin’ny tranonkala, ireo saina sy ireo fampahalalana aseho an-tsoratra izay nampidirina tamin’ny volana Martsa ary misy amin’ny fiteny maro, dia ho ampidirina ao amin’ny conference.lds.org herinandro vitsivitsy alohan’ny fihaonambe tsirairay.

Maro ireo fanovana natao teo amin’ireo mpitariky ny Fiangonana nandritra ny fivoriana Asabotsy Tolakandro. Anisan’ireo nisaorana ireo mpikambana tao amin’ny Episkôpà Mpiahy sy ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany. Nisaorana tamin’ny naha tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy azy ny Loholona Steven E. Snow. Fitopololahin’ny Vondrom-paritra 37 koa no nisaorana. Mba hahitana ny lisitra fenon’ny fanohanana sy ny fisaorana natao dia jereo ny pejy 27.

Nantsoina ho ao amin’ny Epikôpà Mpiahy i Gary E. Stevenson, Eveka Mpiahy; i Gérald Caussé, Mpanolotsaina Voalohany ary i Dean M. Davies, Mpanolotsaina Faharoa. Nantsoina ho ao amin’ny fiadidiana vaovaon’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany i Linda K. Burton, filoha; i Carole M. Stephens, mpanolotsaina voalohany; ary i Linda S. Reeves, mpanolotsaina faharoa.

Ny Loholona Richard J. Maynes avy ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy dia nantsoina mba hanompo ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy.

Nantsoina ho mpikambana ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy ny Loholona Larry Echo Hawk, sy ny Loholona Robert C. Gay ary ny Loholona Scott D. Whiting. Nantsoina hiala ao amin’ny Kôlejy Faharoan’ny Fitopololahy mba ho ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy ny Loholona Craig A. Cardon sy ny Loholona Stanley G. Ellis.

Ny Eveka H. David Burton sy ireo mpanolotsainy dia niara-nanompo tao amin’ny Episkôpà Mpiahy nandritra ny 16 taona mahery. Raha efa nisy ireo Episkôpà Mpiahy izay nanompo nandritra ny fotoana ela, dia tsy mbola nisy kosa Episkôpà Mpiahy izay niara-nanompo nandritra ny fotoana tena ela toy ny azy ireo.

Vakio ny tantaram-piainan’ireo olona vao nantsoina ireo manomboka ao amin’ny pejy 135.

Tao anatin’ny fihaonambe dia maro ireo fanovana natao teo amin’ny mpitarika ny Fiangonana nandritra ny fivoriana Asabotsy maraina. Anisan’ny tao anatin’ireo voantso ireo mpikambana ao amin’ny Episkôpà Mpiahy sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. Ny Loholona Richard J. Maynes dia nantsoina ho ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy. Fitopololahin’ny Vondrom-paritra miisa 40 koa no nantsoina.

Maribolana: ???