2012
Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe
Mey 2012


Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia azo hampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Filoha Boyd K. Packer

(6) Nanolotra hafatra mifono fanantenana ho an’ireto ray aman-dreny vonton’alahelo ireo misiônera.

(6) Notaizan’ny ray aman-dreny mahatoky i Boyd K. Packer na dia mpikambana malaina aza ny rainy tao amin’ny Fiangonana.

Cheryl A. Esplin

(10) Nivavaka ny zafikelivavin’i Cheryl A. Esplin mba ho tsara fanahy ny anadahiny.

Loholona Donald L. Hallstrom

(13) Nihaino ny Filoha David O. McKay tao amin’ny Tabernakelin’i Honolulu i Donald L. Hallstrom fony mbola zazalahy.

Loholona Paul E. Koelliker

(16) Nifankahery ireo misiônera nahazo fandroahana ka nanohina ny fon’ilay lehilahy izany.

Loholona Dallin H. Oaks

(19) Nanontanian’ny Filoha Gordon B. Hinckley ny mpikambana vaovao iray raha toa izy ka vonona ny hahafoy zavatra maro toy izany ho an’ny filazantsara.

(19) Niasa mba hamelomana ny fianakaviany ilay rahalahin’ny misiônera Breziliana iray izay 16 taona.

Loholona David A. Bednar

(48) Nanontany ny antony tsy hanaovan’ireo mpihazona ny fisoronana ny fampianarany isan-tokantrano ny rain’i David A. Bednar.

Eveka Richard C. Edgley

(52) Fony i Richard C. Edgley mpikambana tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka iray dia niantso vehivavy iray malaina izy mba ho misiôneran’ny tsatòka.

(52) Nivavaka ho an’ireo gadra tamin’ny Ady Lehibe faha II izay handeha hovonjeny ireo mpamonjy.

Adrián Ochoa

(55) Namporisihan’ny tovolahy mpisorona iray tany Afrika Atsimo ny mpisorona iray hafa mba hiverina hiangona.

(55) Nisy tovolahy mpisorona iray tany Chili izay afaka nanao batisa ny namany.

Filoha Thomas S. Monson

(66) Nomen’ny miaramila tantsambo iray tsodrano ny namany naratra iray nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

(66) Fony mbola eveka i Thomas S. Monson dia nanoratra isam-bolana taratasy manokana ho an’ireo miaramila izy.

(90) Rehefa nahafantatra ny vehivavy iray fa manana olana ara-pahasalamana dia nanova ny fiainany izy.

(90) Nanova ny firoaharoahan-tsainy ny fahafatesan’ny vehivavy vadin’ilay olona iray izay tsy mpino.

Loholona L. Tom Perry

(94) Nizara ny filazantsara tamin’ilay olona nipetraka teo akaikiny tao anaty fiaramanidina ny mpikamban’ny Fiangonana iray.

Loholona O. Vincent Haleck

(101) Nifady hanina sy nivavaka ho an’ireo zanany ny ray aman-drenin’i O. Vincent Haleck.

Loholona Larry Y. Wilson

(103) Tsy nahazo aina ny zanakavavin’i Larry Y. Wilson mikasika ny filalaovana baolina Alahady.

Loholona David F. Evans

(106) Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny tovolahy iray rehefa nahita ny ohatra nasehon’ny namany sy ny mpiray efitrano aminy.

Loholona Neil L. Andersen

(111) Notehirizin’ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny telo taona ilay baolina fingotra kilalao mba homeny indray an’ilay zatovo iray tratran’ny homamiadana saingy sitrana soa aman-tsara.

(111) Avotra ireo zaza telo tao amin’ny fianakaviana Saintelus taorian’ny horohorontany nitranga tany Haiti.

Ann M. Dibb

(117) Namporisihan’ny zatovovavy iray ilay mpiara-mianatra aminy mba hanajanona ny fitenenan-dratsy.

(117) Nanaja ny Tenin’ny Fahendrena ny zatovovavy iray na dia teo aza ny faneriterena.

Elaine S. Dalton

(123) Nahavita nilomano ihany i Florence Chadwick na dia teo aza ilay zavona matevina.

Filoha Thomas S. Monson

(126) Niova fo ho amin’ny filazantsara ny ray iray taorian’ny nanatrehany seminera niaraka tamin’ny zanany vavy.

(126) Nahatohitra ny fakam-panahy ny zatovovavy iray rehefa nanatrika ny Atrik’asa Ifampizarana.