2011
Fotoana Hiomanana
Nôvambra 2011


Fotoana Hiomanana

Tokony hanokana ny fotoanantsika isika ho an’ireo zavatra manan-danja indrindra.

Sary
Elder Ian S. Ardern

Ny toko fahavalo ao amin’ ny Torio ny Filazantsarako dia misarika ny saintsika amin’ ny fampiasana amim-pahendrena ny fotoana. Ao amin’ izany toko izany dia nampahatsiahy antsika ny Loholona M. Russell Ballard fa tokony hametraka tanjona isika sy hianatra ireo fomba hifehezantsika ny teknika hahatratrarana azy ireo (jereo ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ ny Asa fanompoan’ ny Misiônera [2004], 163). Ao anatin’ ny fifehezana ireo teknika izay ilaina amin’ ny fanatratrarana tanjona ny fahaizana mitantana ny fotoanantsika.

Feno fankasitrahana aho noho ny ohatra asehon’ ny Filoha Monson. Na dia eo aza ireo zavatra sahaniny amin’ ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra azy dia ataony foana izay ahitana fotoana hamangiana ireo marary, tahaka ny nataon’ ny Mpamonjy (jereo ny Lioka 17:12–14), hankaherezana ireo kivy, ary mba ho mpanompon’ ny olon-drehetra. Feno fankasitrahana noho ny ohatra asehon’ ireo maro hafa koa aho amin’ ny fanoloran’ izy ireo fotoana hanompoana ny hafa. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanolorantsika fotoana hanompoana ny hafa dia mahafaly an’ Andriamanitra ary ny fanaovana izany dia hampanakaiky antsika kokoa Aminy. Hihazona ilay fampanantenany manao toy izao ny Mpamonjy: “izay mahatoky sy hendry amin’ ny fotoana dia isaina ho mendrika ny handova ireo trano nomanin’ ny Raiko ho azy” (F&F 72:4).

Tsy azo hamidy velively ny fotoana. Na hiezaka toy ny inona aza ianao, ny fotoana dia zavatra iray izay tsy azonao vidina eny amin’ ny fivarotana eny na ohatrinona na ohatrinona. Kanefa raha ampiasaina amim-pahendrena ny fotoana dia ho sarobidy tokoa izany. Ao anatin’ ireo andro rehetra izay omena antsika, dia samy omena tsy misy sarany, minitra sy ora mitovy isika mba ho ampiasaina ary vetivety dia mahazo fampianarana rehefa ampianarin’ ity hira mahazatra antsika ity tsara ny hoe: “Mandeha haingana dia haingana tokoa ny fotoana ary rehefa dify izany dia tsy miverina intsony” (“Improve the Shining Moments,” Hymns, no. 226). Tokony ho ampiasaintsika amim-pahendrena ny fotoana izay ananantsika. Nilaza ny Filoha Brigham Young hoe: “Manana trosa onerana amin’ Andriamanitra isika rehetra amin’ ny fahaizana mampiasa ny fotoana hahasoa antsika ary ho angatahany isika hanao tatitra hentitra mikasika ny nampiasantsika [izany]” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 286).

Noho ireo zavatra maro takiana amintsika ankehitriny dia tsy maintsy mianatra manisy laharam-pahamehana amin’ ny safidintsika isika mba hampifanaraka izany amin’ ny tanjontsika, fa raha tsy izany dia mety ho voafaokan’ ny rivotry ny fanemoran-dava ary ho atopatopan’ ny zavatra iray mandany fotoana fotsiny mankany amin’ ny anankiray hafa. Nampianarin’ ilay Mpampianatra Lehibe antsika tsara ny momba ireo laharam-pahamehana raha nanambara Izy tao anatin’ ny Toriteny teo An-tendrombohitra hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” (Matio 6:33, fanovozan-kevitra eny amin’ ny farany ambanin’ ny pejy a; ao amin’ ny Dikantenin’ i Joseph Smith, Matio 6:38). (Jereo koa ny Dallin H. Oaks, “Focus and Priorities,” Liahona, Jolay 2001, 99–102.)

Niresaka momba ny laharam-pahamehana koa i Almà rehefa nilaza fa “ity fiainana ity dia nanjary fotoana fizahan-toetra; fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra” (Almà 12:24). Mety mitaky torolalana vitsivitsy ny fahaizana mampiasa amin’ ny fomba tsara indrindra ilay fanomezana sarobidin’ ny fotoana hiomanana hihaona amin’ Andriamanitra, kanefa azo antoka fa ho ataontsika ho lohalaharana ao anatin’ izany ny Tompo sy ny fianakaviantsika. Nampahatsiahy antsika ny Filoha Uchtdorf “fa ny teny hoe fitiavana dia tena tononina hoe f-o-t-o-a-n-a ao anatin’ ny fifandraisan’ ny mpianakavy” (“Of Things That Matter Most,” Liahona, Nôv. 2010, 22). Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa katsahina amim-bavaka sy amin-kitsimpo ny fanampiana dia hanampy antsika ny Ray any an-danitra hifantoka kokoa amin’ ireo zavatra izay mendrika ny ampiasantsika ny fotoanantsika mihoatra noho ireo zavatra hafa.

Ny tsy fahaizana mampiasa fotoana dia manakaiky ny fahakamoana. Rehefa manaraka ny didy “hampitsahatra ny fidonanaham-poana” (F&F 88:124) isika, dia tsy maintsy maka antoka koa isika fa ny fahafenoan’ ny fotoana dia mitovy amin’ ny hoe mamokatra. Ohatra, mahafinaritra ny manana ireo fitaovam-pifandraisana tsy tapaka izay tendren’ ny tanantsika, kanefa tokony haka antoka isika fa tsy ho lasa hiankin-doha amin’ ny fifandraisana tendrena amin’ ny tanana fotsiny. Mahatsapa aho fa maro ireo tratran’ ny fandriky ny fiankinan-doha amin’ ilay zavatra iray vaovao izay mandany fotoana—fitaovana iray izay manandevo antsika mba hijery sy handefa hafatra amin’ ny fitaovan-tserasera tsy tapaka ka dia lasa manome endrika diso an’ ilay hoe tena rempotra ary mamokatra.

Maro ireo tombontsoa azontsika amin’ ny fahamoran’ ny fampiasana ireo fitaovam-pifandraisana sy fahazoana fampahalalana. Tsapako fa manampy tokoa ny fahafahana mahazo ireo lahatsoratra hanaovana famakafakana, ireo lahatenin’ ny fihaonambe, ny firaketana momba ireo razambe, ary ny fahafahana mandray ireo e-mail, ireo fampahatsiahivana amin’ ny alalan’ ny Facebook, sy Twitter, ary ny sms. Na dia tsara aza ireo zavatra ireo dia tsy tokony havelantsika haka ny toeran’ ireo zavatra tena manan-danja. Tena hampalahelo ny hahita hoe nosoloin’ ny telefaonina sy solosaina avo lenta ilay vavaka amin-kitsimpo tsotra atao amin’ ny Ray any an-danitra be fitiavana. Aoka isika ho mailaka ny handohalika hivavaka toy ny maha-mailaka antsika rehefa handefa sms.

Tsy hahasolo maharitra ireo tena namana izay afaka manome antsika fihina feno fankaherezana sy afaka mivavaka ho antsika ary mikatsaka izay zava-mahasoa antsika ireo kilalao elektrônika sy olom-pantatra amin’ ny alalan’ ny fifandraisana amin’ ny internet. Tena feno fankasitrahana aho nahita ireo kôlejy, olona ao amin’ ny kilasy ary mpikamban’ ny Fikambanana Ifanampiana niray hina mba hifanohana. Tao anatin’ ny fotoana toy izany no nahatakarako tsara kokoa ny dikan’ ny zavatra notenenin’ ny Apôstôly Paoly hoe: “Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ ny olona masina” (Efesiana 2:19).

Fantatro fa ireo fahasambarantsika lehibe indrindra dia azo avy amin’ ny fifantohana amin’ ny Tompo (jereo ny Almà 37:37) ary avy amin’ ireo zavatra izay mitondra valisoa maharitra fa tsy fandaniana ora maro tsy am-piheverana hilazana ny vaovaontsika farany, fanaovana Farmville, ary filalaovana kilalao amin’ ny Internet. Mamporisika antsika tsirairay avy aho mba handinika ireo zavatra izay mandany ireo fotoan-tsarobidintsika ary hanapa-kevitra ny ho tonga mpifehy azy ireo, fa tsy hamela azy ireo hifehy antsika noho izy ireo mampiankin-doha.

Mba hahafahana manana ilay fiadanana izay noresahin’ ny Mpamonjy (jereo ny Jaona 14:27), dia tsy maintsy manolotra ny fotoanantsika hanaovana ireo zavatra izay manan-danja indrindra isika ary izany dia ny zavatr’ Andriamanitra. Rehefa mifandray amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny vavaka amin-kitsimpo isika, rehefa mamaky sy mandalina ny soratra masina isan’ andro ary misaintsaina ny zavatra novakiantsika sy tsapantsika ary avy eo mampihatra sy miaina ireo lesona nianarana dia hanakaiky kokoa Azy isika. Ny fampanantenan’ Andriamanitra dia ny hoe rehefa mikatsaka zavatra amin’ ireo boky tsara indrindra isika dia “[Homeny fahalalana] amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masiny” (F&F 121:26; jereo koa ny F&F 109:14–15).

Haka fanahy antsika mba tsy hampiasa araka ny tokony ho izy ny fotoanantsika i Satana amin’ ny alalan’ ireo zava-mahavarimbariana manafin’ endrika. Na dia hisy aza ny fakam-panahy dia nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook hoe: “Ireo Olomasina izay manaraka ny hafatry ny Mpamonjy dia tsy ho voatarika any amin’ ny fikatsahana zavatra mahavarimbariana sy manimba” (“Are You a Saint?” Liahona, Nôv. 2003, 96.) Nampianatra antsika lesona sarobidy mahakasika ny zava-mahavarimbariana i Hiram Page, izay iray tamin’ ireo vavolombelona valon’ ny Bokin’ i Môrmôna. Nanana vato izy ary tamin’ ny alalan’ izany dia nirakitra ireo fanambarana izay noheveriny fa ho an’ ny Fiangonana (jereo ny F&F 28). Rehefa avy nahitsy tamin’ izany izy dia nisy tantara nilaza fa nalaina ilay vato ary nototototoina ho vovoka mba tsy ho zavatra hahavarimbariana intsony.1 Manasa antsika aho hamantatra ireo zavatra mahavarimbariana izay mandany fotoana eo amin’ ny fiainantsika izay mety mila totototoina mba ho lasa vovoka koa ara-bakiteny. Mila mampiasa fahendrena isika eo amin’ ny fakantsika antoka fa ny fomba ampiasantsika ny fotoanantsika dia mifandanja tsara mba hampidirana ny Tompo, ny fianakaviana, ny asa ary ireo fialam-boly mampivoatra ao anatin’ izany. Araky ny efa hitan’ ireo olona maro dia mitombo ny fahasambarana eo amin’ ny fiainana rehefa mampiasa ny fotoanantsika isika hikatsahana ireo zavatra izay “mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendrim-piderana” (Fanekem-pinoana 1:13).

Mandeha haingana ny fotoana. Anio dia fotoana tsara, eto amin’ izao fiainana mandalo izao, hanaovana jery todika mikasika izay zavatra ataontsika mba hiomanana amin’ ny fihaonana amin’ Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa misy valisoa lehibe kokoa ho an’ ireo izay manokana ny fiainany eto an-tany hiomanana amin’ ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Provo Utah Central Stake general minutes, Apr. 6, 1856, Boky faha- 10 (1855–60), Church History Library, Salt Lake City, 273 (fanononana, mari-tsoratra, ary renisoratra amin’ ny endrika maoderina): “Nolazain’ i [Emer] Harris Rainy fa nilaza ny Apôstôly fa mila mitolona amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana isika. Nangady tany ny Rahalahy Hiram Page ary nahazo vato miloko mainty ary nanao izany tao am-paosiny. Rehefa tonga tany an-tranony izy dia nijery izany. Ary nahita fehezan-teny teo amin’ izany tahak’ ireny voasoratra tamin’ ny taratasy ireny. Raha vao manoratra ny fehezan-teny iray izy dia misy fehezan-teny iray mipoitra indray mandra-panoratany pejy 16. Nampitaina tamin’ ny Rahalahy Joseph ny zava-nitranga. Nanontany an’ i Joseph ny olona iray raha toa marina ny zavatra nosoratany. Nilaza izy fa tsy fantany kanefa nivavaka izy ary nandray fanambarana fa avy amin’ ny devoly ilay vato. Nopotehina sy nodorana ireo rakitsoratra. Asa avy amin’ ny herin’ ny maizina izany. Amena.”