2011
Loholona Tad R. Callister
Nôvambra 2011


Loholona Tad R. Callister

Ao amin’ ny Fiadidian’ ny Fitopololahy

Sary
Elder Tad R. Callister

Nanazava ny Loholona Tad Richards Callister, izay vao notohanana ho ao amin’ ny Fiadidian’ ny Fitopololahy ary mpikambana ao amin’ ny Kôlejy Faharoa ao amin’ ny Fitopololahy, fa ny tanjon’ ireo Rahalahy dia ny hitondra “firoboroboana azo tsapain-tanana” eto am-piangonana. “Izany dia tsy midika fotsiny hoe fitondrana olona bebe kokoa hanatrika ny fivorian’ ny Fanasan’ ny Tompo fa koa handray ny Fanasan’ ny Tompo, handray ireo ôrdônansy atolotry ny Fiangonana ary hitandrina ireo fanekempihavanana,” hoy izy.

Noho ny faniriany hanampy ireo mpitarika ny Fiangonana any amin’ ny toerana maro ao anatin’ izany asa izany, dia naneho fankasitrahana ny Loholona Callister noho ny nanomezan’ ny Tompo azy fahafahana hanompo tamin’ ny antso maro. Hoy izy nanazava hoe: “Noho izaho efa niaina izay iainan’ ireo olona iarahako miasa ankehitriny—toy ny filohan’ ny tsatòka sy eveka ary filohan’ ny kôlejin’ ny loholona—dia antenaiko fa hahatonga ahy hahatsapa sy hahafantatra bebe kokoa izay zavatra ilain’ izy ireo izany.”

Ny Loholona Callister dia efa misiônera nanompo tamin’ ny fotoana feno tany amin’ ny Misiônan’ i Eastern Atlantic States, filohan’ ny kôlejin’ ny loholona, filohan’ ny misiônan’ ny tsatòka, mpanolotsain’ ny tsatòka, eveka, filohan’ ny tsatòka, solontenan’ ny vondrom-paritra, Fitopololahin’ ny Vondrom-paritra, filohan’ ny Misiônan’ i Canada Toronto Atsinanana (2005–08), ary Filohan’ ny Vondrom-paritra Pasifika izao voantso ho ao amin’ ny Fiadidian’ ny Fitopololahy izao.

Zanak’ i Reed sy Norinne Callister izy ary teraka tamin’ ny Desambra 1945, tany Glendale, Californie, Etazonia. Ny Loholona Callister dia manana mari-pahaizana momba ny haitoebola izay azony tao amin’ ny Oniversiten’ i Brigham Young tamin’ ny 1968. Nahazo mari-pahaizana avy tao amin’ ny sampam-pianarana lalàna tao amin’ ny Oniversiten’ i Californie Los Angeles tamin’ ny 1971 izy. Nahazo ny mari-pahaizana ambony LLM (na Masters) momba ny lalàna miompana amin’ ny hetra tao amin’ ny Oniversiten’ i New York izy tamin’ ny 1972. Niasa toy ny mpahay lalàna izy nanomboka tamin’ ny 1972 ka hatramin’ ny 2005 ary efa nanoratra boky maromaro mikasika ny Sorompanavotana sy ny Apôstazia ary ny Famerenana tamin’ ny Laoniny.

Nanambady an’ i Kathryn Louise Saporiti tamin’ ny volana Desambra 1968 tao amin’ ny Tempolin’ i Los Angeles Californie izy. Manan-janaka enina izy ireo.

Nahatsapa ny fiasan’ ny tanan’ ny Tompo teo amin’ ny fiainany ny Loholona Callister. “Mihoapampana tokoa ny fitiavan’ ny Mpamonjy ka mieritreritra aho fa tsy andrin’ Izy sy ny Raintsika any an-danitra ny hanomezana fitahiana antsika na amin’ izay zavatra tsara faran’ izay kely indrindra ataontsika aza, satria izay ny toetoetran’ Izy ireo.”