2011
Fihaonamben’ ny Fiangonana Fanao Isaky ny Tapa-taona faha-181
Nôvambra 2011


Fihaonamben’ ny Fiangonana Fanao Isaky ny Tapa-taona faha-181

Nihoatra ny 100.000 ireo olona nanatrika ireo fivoriana dimy tamin’ ny Fihaonamben’ ny Fiangonana Fanao Isaky ny Tapa-taona faha-181 an’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany tao amin’ ny Foiben’ ny Fihaonamben’ ny Fiangonana tao Salt Lake City, Utah, Etazonia, tamin’ ny 1 sy 2 Ôktôbra. An-tapitrisany maro hafa no nijery na nihaino izany tamin’ ny alalan’ ny fampitana tamin’ ny fahitalavitra, ny fampielezam-peo, ny zana-bolana ary ny Internet.

Nandritra ny fivoriana voalohany ny Asabotsy 1 Ôktôbra no nanambaran’ ny Filoha Thomas S. Monson ireo toerana hisian’ ny tempoly enina vaovao: Barranquilla, Colombie; Durban, Afrika Atsimo; Kinshasa, Repoblika Demôkratikan’ i Congo; Paris, Frantsa; Provo, Utah, Etazonia; ary any Star Valley, Wyoming, Etazonia.

Taorian’ io filazana io dia nanasa ireo mpikambana ny Filoha Monson mba hitondra anjara biriky ao amin’ ny Tahirim-bolan’ ny Fiangonana Maneran-tany ho Fanohanana ireo Mpandeha any amin’ ny Tempoly. Hoy izy hoe: “Izany tahirim-bola izany dia hanome fahafahana handeha ho any amin’ny tempoly indray mandeha ho an’ ireo olona izay raha tsy nisy izany dia tsy afaka ny handeha ho an’ ny amin’ ny tempoly mihitsy.”

Ny Asabotsy tolakandro dia nanao filazana mikasika ny fizarana vaovao ao amin’ ny youth.lds.org—FamilySearch Youth and Family History (lds.org/familyhistoryyouth) ny Loholona David A. Bednar ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo. Ny tanjon’ ity fizarana vaovao ity dia hanampiana ireo tanora hahafantatra bebe kokoa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy hanompo ireo razambeny amin’ ny alalan’ ny fikarohana ireo firaketana momba azy ireo. (Jereo ny lahatsoratra ao amin’ ny pejy “00” (128).)

Nandritra izany fivoriana izany koa no nisaorana ny Loholona Claudio R. M. Costa tamin’ ny naha-mpikambana azy tao amin’ ny Fiadidian’ ny Fitopololahy. Notohanana ho ao amin’ ny Fiadidian’ ny Fitopololahy ny Loholona Tad R. Callister (jereo ny pejy “00” (128) izay ahitana ny mombamomba azy). Nisaorana na nalefa nisotro ronono ny Fitopololahy sy Fitopololahin’ ny Vondrom-paritra roa ambin’ ny folo (jereo ny pejy “00” (23) mikasika ireo fanohanana sy fisaorana).

Nandritra ny lahateniny ny Alahady maraina no nampahatsiahivan’ ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany ilay antso avo natao tamin’ ny mpikambana rehetra—izay natao nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana ny volana Aprily tamin’ ity taona ity—mba handray anjara ao anatin’ ny andro iray hanaovana asa fanompoana amin’ ity taona 2011 ity (jereo ny Henry B. Eyring, “Fahafahana Hanao Zava-tsoa,” Liahona, Mey 2011, 22).

Nihaino ny fihaonamben’ ny Fiangonana tamin’ ny fiteny 93 ireo mpikambana manerana an’ izao tontolo izao. Tsidiho ny lds.org/general-conference/when-conference-materials-will-be-available mba hahazoana fampahalalana mikasika ny fotoana hisian’ ny lahatsoratra, raki-peo sy rakitsarin’ ny fihaonamben’ ny Fiangonana amin’ ny fiteny maro isan-karazany.

Asehon’ ny mpahaikanto iray amin’ ny alalan’ ny asa tanany ny Tabernakelin’ i Provo, izay ravan’ ny afo, ary haverina haorina mba ho tempoly faharoa eo Provo, Utah, Etazonia.

© 2011 an’ ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana.