2011
Ireo Zanakavavy ao amin’ ny Fanjakako: Boky Tantara iray ho an’ ny Vehivavy Olomasin’ ny Andro Farany Ankehitriny
Nôvambra 2011


Ireo Zanakavavy ao amin’ ny Fanjakako: Boky Tantara iray ho an’ ny Vehivavy Olomasin’ ny Andro Farany Ankehitriny

Ny Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society, (Ireo Zanakavavy ao amin’ ny Fanjakako: Ny Tantara sy ny Asan’ ny Fikambanana Ifanampiana), dia boky vaovao iray novokarina teo ambany fitarihan’ ny Fiadidiana Voalohany, izay ahitana firaketana ny lovan’ ny Fikambanana Ifanampiana sy ireo vehivavin’ ny Fiangonana, hoy i Julie B. Beck, filohan’ ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, nandritra ny fivoriamben’ ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’ ny Septambra 2011.

Hoy izy hoe: “Hampiray ireo rahavavy manerana an’ izao tontolo izao izany sy hanampy azy ireo hiaina araka ireo tanjon’ ny Fikambanana Ifanampiana sy ireo lamina sy tombontsoa amin’ ny maha-mpianatra.” “Vavolombelon’ ny anjara asa manan-danja ananan’ ny vehivavy ao anatin’ ny drafitry ny fahasambaran’ ny Raintsika izany, ary manome ireo fitsipika tsy azo hozongozonina mikasika ny zavatra inoantsika sy ny zavatra ataontsika ary ny zavatra ho arovantsika” (pejy 113 amin’ ity laharana ity).

Nilaza ny Rahavavy Beck fa manome fototra iorenan’ ilay maha-izy ny vehivavy amin’ ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra azy izany boky izany. Rehefa mandalina izany boky izany ny olona hoy izy dia ho afaka ny hahita ny fomba tokony hampiharana ny Fikambanana Ifanampiana eo amin’ ny fiainan’ ny rahavavy tsirairay.

Ahoana no Fomba Nivoahan’ ilay Boky

Rehefa nasain’ ny Fiadidiana Voalohany natao ilay fandaharan’ asa dia natomboka izany. Natokana mba hanoratra ilay boky i Susan W. Tanner, filohan’ ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha. Notendrena hitantana ilay fandaharan’ asa sy hiara-hiasa amin’ ny Rahavavy Tanner sy ireo mpanonta ary ireo misahana ny haifandrariana sy ireo hafa Rahavavy Beck sy ireo mpanolotsainy, Silvia H. Allred sy Barbara Thompson, mba handrafetana ny lamin’ asa amin’ ny alalan’ ny fanahin’ ny fanambarana. “Tsy mbola niasa tao anatin’ ny tetik’ asa iray aho hatramin’ izay izay nahitana ny fitarihan’ ny Fanahy bebe kokoa mihoatra noho ity,” hoy Rahavavy Beck.

Tao anatin’ izany dingana narahana izany dia nahitana ny fanapahana hevitra mikasika ny hoe firy amin’ ireo pejy an’ arivorivony mifono tantara ireo no tokony ho ampidirina ao amin’ ilay boky. Namaky ireo tatitry ny fivorian’ ireo Fikambanana Ifanampiana fahiny tany Nauvoo sy ireo tantara hafa mikasika ny Fikambanana Ifanampiana sy ny vehivavin’ ny Fiangonana ny Rahavavy Beck sy ireo mpanolotsainy ary Rahavavy Tanner.

Nilaza ny Rahavavy Beck fa ny vokatra azo dia tsy tantara manokana milahatra ara-banim-potoana fa kosa tantara ara-panahin’ ireo vehivavin’ ny Fiangonana sy Fikambanana Ifanampiana.

“Mandalina ny tantarantsika isika satria manampy antsika hiova izany,” hoy ny Rahavavy Beck nandritra ny lahateny nataony tamin’ ny fivoriamben’ ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’ ny Septambra 2010. “Amin’ ny farany, ny hasarobidin’ ilay tantara dia tsy any amin’ ny daty na fotoana na ny toerana nisehoan-javatra loatra. Sarobidy izany satria mampianatra antsika ireo fitsipika, tanjona, ary lamina izay tokony ho arahintsika. Izany dia manampy antsika hahafantatra hoe iza moa isika ary inona no tokony hataontsika ary mampiray hina antsika amin’ ny fanamafisana orina ny tokantranon’ i Ziona sy fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany” (“Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society,” Liahona Nôv. 2010, 115).

Raha toa ilay boky ka manaraka ny fisehon-javatra ara-banim-potoana, ny fampianarany kosa dia narindra ho anatin’ ny toko izay mifototra amin’ ny lohahevitra. Mampiasa tantara sy ohatra avy amin’ ny soratra masina izany ary ireo tenin’ ny mpaminany sy mpitarika ny Fikambanana Ifanampiana amin’ izao andro izao mba hampianarana ireo hafany manan-danja.

Ny Hery Mitaona avy amin’ ilay Boky

Nilaza ny Rahavavy Beck fa amin’ ny alalan’ ilay boky dia hianatra ny fomba entina manatanteraka ny tanjon’ ny Fikambanana Ifanampiana eo amin’ ny fiainany manokana sy amin’ ny maha-mpirahavavy izay mpanara-dia mitandrina fanekempihavanana azy ireo rahavavy.

“Hianatra ny tena dikan’ ny fampitomboana finoana sy fiainana am-pahamarinana izy ireo, ny fanamafisana orina ny fianakaviana sy ny tokantrano ary ny fitadiavana sy fanampiana ireo hafa izay mila fanampiana,” hoy ny Rahavavy Beck nandritra ny tafa sy dinika nataony tamin’ ny Gazetibokin’ ny Fiangonana. “Rehefa mahatakatra ny anjara asany ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana ireo rahavavy dia afaka mahatakatra fa tena nisy fiantraikany lehibe teo amin’ ny fampandrosoana ny Fiangonana ny maha- vehivavy azy, na tamin’ ny andro fahiny izany na amin’ izao andro farany izao, ary afaka mahafantatra ny tanjony sy ny maha-izy azy izy ireo.”

Mino Rahavavy Beck fa ireo izay mamaky ilay boky dia hianatra amin’ ny alalan’ ny ohatra sy fitsipika ny fomba hihainoana ny Fanahy Masina sy handraisana ny fanambarana ho an’ ny tena manokana. Afaka ny hahazo hery sy fanohanana eo amin’ ny fiainany andavanandro sy eo amin’ ireo fitsapana sy fahasahiranana atrehiny koa izy ireo.

“Misy ohatra maro maneho ny fananana tanjaka ao amin’ ilay boky—ohatra maro maneho ny fananana tanjaka izay azontsika alaina tahaka,” hoy Rahavavy Beck. “Noho izany rehefa tonga ny andro sarotra dia manantena aho fa ho ataon’ ny olona eo akaiky eo ny bokiny dia horaisiny izany ary hamaky tantara na ohatra iray izay hampatanjaka azy izy ireo.”

Nilaza ihany koa Rahavavy Beck fa hiditra ao amin’ ireo tokantranon’ ny Fiangonana amin’ ny alalan’ ny tanan’ ireo rahavavy izany boky izany, saingy mino izy fa io boky io dia ho loharanon-kevitra manan-danja sady ho an’ ny lehilahy no ho an’ ny vehivavy. Hanampy ireo zatovovavy hahatakatra ny fomba hahatonga azy ireo ho tadifiditra ao anatin’ ilay fikambanam-behivavy lehibe maneran-tany izany, ary afaka mampiray ny mpivady ao anatin’ ilay asa masina ataon’ izy ireo, dia ny fitarihana ny fianakavian’ izy ireo sy ny fanompoana ny Fiangonana izany.

Taorian’ ny fandalinana ilay boky dia nilaza i Dale Cook, filohan’ ny Tsatòkan’ i Bluff, Syracuse Utah, fa ho loharanon-kevitra manan-danja izay tsy hanampiana fotsiny ny vehivavin’ ny Fiangonana hahatakatra ny anjara toerany amin’ ny maha-mpanara-dia an’ i Kristy azy izany boky izany fa hanampiana ny lehilahy hahatakatra izany koa. “Hamaky sy hahita ianao fa mifampiankina sy mifandray amin’ ny fisoronana izany [ny Fikambanana Ifanampiana],” hoy ny Filoha Cook. “Nanampy ahy hahatakatra ny hery ananan’ ny vadiko izany sy hahafantatra ny [fomba] hitiavako azy [tsaratsara kokoa] ary hanampiako sy hanohanako azy.”

Mikasika ilay Boky

Natao ho loharanon-kevitra amin’ ny fandalinana ataon’ ny tena manokana sy ho an’ ny fampianarana ao an-tokantrano, ao amin’ ny Fikambanana Ifanampiana ary amin’ ny fotoana hafa ao am-piangonana ilay boky. Efa nalefa any amin’ ny eveka sy filohan’ ny sampana izany, izay hiara-hiasa amin’ ireo filohan’ ny Fikambanana Ifanampiana mba handinika ny fomba hahatongavan’ ny fizarana ilay boky ho lasa fitahiana ho an’ ireo rahavavy eo amin’ ny paroasy sy sampana.

Antenaina hisy amin’ ny fiteny am-polony mahery eo ho eo ilay boky amin’ ny faran’ ny volana Janoary 2012. Ny ankamaroan’ ireo dia efa hita amin’ ny alalan’ ny Internet, izay ahafahan’ ireo mpikambana mahita ireo rakitsary mifandraika amin’ izany, sy mizara teny avy amin’ ny tena manokana ary mamaky ireo sosokevitra mikasika ny fomba hampiasana sy hizarana ireo hafatra voarakitra ao amin’ ilay boky. Mandehana ao amin’ ny lds.org/relief-society/daughters-in-my-kingdom. Tsindrio ny “Additional Languages (PDF)” eo afovoan’ ny pejy eo ambanin’ ny “Related Resources.”Hipoitra eo amin’ ny sisiny havanan’ ny pejy manaraka ny lisitr’ ireo fiteny efa misy. Ho adika amin’ ny fiteny maro ilay tranonkala atsy ho atsy.

Misy ny fikasana hamoaka an’ izany boky izany izay hanana fonony matevina amin’ ny Anglisy, Pôrtôgey ary Espaniôla amin’ ny faran’ ny taona ary ho hita any amin’ ny Foibe Fanapariahana sy ao amin’ ny store.lds.org izany.

SARY NALAIN’ I RICK WALLACE