2011
Manasa ireo Tanora mba Hamirapiratra ny Fifaninana Ara-javakanto
Nôvambra 2011


Manasa ireo Tanora mba Hamirapiratra ny Fifaninana Ara-javakanto

Manasa ireo tanora 13 taona ka hatramin’ ny 18 taona ny Tranom-bakoky ny Fiangonana mba handray anjara amin’ ny Fifaninana Ara-javakanto ho an’ ny Tanora.

Asaina mamorona asa tanana izay maneho ny dikan’ ny hoe “mitsangàna ary mamirapirata” (jereo ny F&F 115:4–6) ireo mpahaikanto.

Tsy maintsy asa tanana noforonina taorian’ ny 1 Janoary 2009 ilay izy. Ireo mpandray anjara dia tsy maintsy 13 taona amin’ ny 1 Janoary 2012, ary afaka mandrotsaka asa tanana iray ao amin’ ny tranonkala manomboka ny 2 Janoary 2012 mandrapahatonga ny daty fametrahana farany—ny Zoma 1 Jona 2012. Ny halehiben’ ilay asa tanana dia tsy mihoatra ny 213 sentimetatra manaraka ny halavany. Ekena ao anatin’ ny fifaninana ny fampiasana haino aman-jery sy ny fiangaly ara-java-kanto rehetra.

Ho hita ao amin’ ny lds.org/youthartcomp ny fampahalalana momba ny fisoratana anarana.

Ireo mpandresy dia ho angatahina handefa ny asa tanana nataon’ izy ireo ao amin’ ny tranom-bakoka mba ho haseho mandritra ny fampiratiana manomboka ny 16 Nôvambra 2012 ka hatramin’ ny 17 Jona 2013.