2011
Tranonkala Vaovao mba Hanampiana ireo Tanora Hanomboka ny Tantaram-pianakaviana
Nôvambra 2011


Tranonkala Vaovao mba Hanampiana ireo Tanora Hanomboka ny Tantaram-pianakaviana

Natao mba hanampiana ireo tanora hahafantatra mikasika ny tantaram-pianakaviana sy hanompo ireo razambeny amin’ ny alalan’ ny fikarohana ny firaketana momba azy ireny ilay fizarana vaovao ao amin’ ny FamilySearch Youth and Family History an’ ny youth.lds.org (lds.org/familyhistoryyouth).

Manome fampahalalana izay mampianatra ireo tanora hahay ny fomba hanombohana ny fampiasana ny FamilySearch izany tranonkala izany. Amin’ ny alalan’ ny dingana tsotra miisa dimy no ampianarana ireo tanora ireo fomba hikarohana ny tetiaran’ ny fianakaviany, hanaovana ny firaketana ny fianakaviana ary hanomanana ireo anarana ho entina any amin’ ny tempoly. Ilay tranonkala koa dia ahitana hevitra maromaro mikasika ny fomba ahafahan’ ireo olona mianatra any amin’ ny kilasy sy kôlejy mampiasa ny tantaram-pianakaviana ho fitaovana entina hanompoana ny hafa.

Misy amin’ ny teny Anglisy, Pôrtôgey ary Espaniôla ilay fizarana vaovao hatreto. Hisy amin’ ny fiteny hafa fanampiny izany afaka volana vitsivitsy.