Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 9


DJS, Matio 9:18–21. Ampitahao amin’ny Matio 9:16–17

Notsipahan’i Jesoa ny batisan’ireo Fariseo; tsy manan-kery izany satria nandà Azy izy ireo. Nambarany fa Izy no ilay nanome ny lalàn’i Mosesy.

18 Dia hoy ireo Fariseo Taminy: Nahoana ianao no tsy ta handray anay miaraka amin’ny batisanay kanefa izahay mitandrina ny lalàna iray manontolo?

19 Fa hoy i Jesoa taminy: Tsy mitandrina ny lalàna ianareo. Raha nitandrina ny lalàna ianareo dia ho nandray Ahy, fa Izaho no izy izay nanome ny lalàna.

20 Tsy mandray anareo miaraka amin’ny batisanareo Aho satria tsy mahasoa anareo na amin’ny inona na amin’ny inona izany.

21 Fa rehefa tonga izay vaovao dia vonona ny olona ny hampirina ny tonta.