Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 21


DJS, Matio 21:33. Ampitahao amin’ny Matio 21:32–33

Tsy maintsy mibebaka ny olona vao afaka ny hino an’i Kristy.

33 Fa izay tsy nino an’i Jaona momba Ahy, dia tsy afaka ny hino Ahy raha tsy mibebaka izy aloha.

DJS, Matio 21:47–56. Ampitahao amin’ny Matio 21:45–46

Nilaza i Jesoa fa Izy no vato fehizoro. Ny filazantsara dia atolotra ny Jiosy, ary rehefa izany dia atolotra ny Jentilisa. Hofongorana ny olon-dratsy rehefa miverina indray i Jesoa.

47 Ary nony efa nandre ny fanoharany ireo lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nahatakatra izy ireo fa Izy dia niresaka momba azy ireo.

48 Ary nifampiresaka izy ireo hoe: Moa va mihevitra ity lehilahy ity fa Izy irery dia afaka mandrava ity fanjakana lehibe ity? Dia tezitra taminy izy ireo.

49 Saingy nony nokatsahiny ny hisambotra Azy, dia natahorany ny vahoaka, satria fantany fa ny vahoaka dia nihevitra Azy ho mpaminany.

50 Ary ankehitriny dia nanatona Azy ny mpianany, ary hoy i Jesoa taminy: Talanjona va ianareo amin’ny tenin’ny fanoharana izay noteneniko taminy?

51 Lazaiko aminareo marina tokoa, Izaho no vato ary ireo olon-dratsy ireo dia mitsipaka Ahy.

52 Izaho no vato fehizoro. Ireo Jiosy ireo dia hifanditra Amiko ka ho torotoro.

53 Ary ny fanjakan’ Andriamanitra dia hoesorina aminy ka homena ny firenena mampahavokatra izany; (izany hoe ny Jentilisa.)

54 Koa na zovy na zovy no hianjeran’izany vato izany dia hanorotoro azy ho vovoka izany.

55 Ary rehefa avy ny Tompon’ny tanimboaloboka dia hofongorany ireo lehilahy mavany sy ratsy ireo, ka havelany ho an’ireo mpiasa tany hafa ny tanimboalobony, dia amin’ny andro farany, izay hamerina Aminy ny voany amin’ny vanim-potoany.

56 Ary tamin’izay dia azon’izy ireo ny fanoharana izay noteneniny taminy, fa ny Jentilisa dia hofongorana koa rehefa hidina avy any an-danitra ny Tompo mba hanjaka eo amin’ny tanimboalobony, izay ny tany sy ny mponina eo aminy.