Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 11


DJS, Matio 11:13–15. Ampitahao amin’ny Matio 11:10–11, 13–14

I Jaona mpanao batisa no ilay Elià izay ho avy hanomana ny lalan’ny Mpamonjy.

13 Saingy ho avy ny fotoana izay tsy hananan’ny olona mahery setra hery; fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany fa ho toy izany mandra-pahatonga an’i Jaona.

14 Eny, ny olona rehetra izay efa naminany dia efa nanambara mialoha ireo andro ireo.

15 Ary raha mandray ianareo, dia izy marina tokoa no ilay Elià, izay ho avy sy hanomana ny zavatra rehetra.