Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 4


DJS, Matio 4:1, 5–6, 8–9. Ampitahao amin’ny Matio 4:1, 5–6, 8–9; toy izany koa ny fanovana natao tao amin’ny Lioka 4:2, 5–11

Ny fanahy no nitarika an’i Jesoa fa tsy i Satana.

1 Dia notarihin’ny Fanahy i Jesoa hankany an’efitra, mba hiaraka amin’ Andriamanitra.

5 Dia nentina hankao amin’ny tanàna masina i Jesoa, ary nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly ny Fanahy.

6 Dia nanatona Azy ny devoly ary nanao hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Ianao dia mianjerà any ambany any, fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo anao fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.

8 Ary tao amin’ny Fanahy indray i Jesoa, ary izany dia nitondra Azy ho any amin’ny tendrombohitra avo izaitsizy tokoa ka nampiseho Azy ny fanjakana rehetra eto amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny.

9 Ary tonga teo aminy indray ny devoly ka nanao hoe: Ireo zavatra rehetra ireo dia homeko anao, raha miankohoka eto anoloako ianao ary midera ahy.

DJS, Matio 4:11. Ampitahao amin’ny Matio 4:11

Nirahin’i Jesoa ireo anjely mba hanompo an’i Jaona Mpanao Batisa.

11 Ary ankehitriny dia nahalala i Jesoa fa efa naiditra an-tranomaizina i Jaona, ka nirahiny ireo anjely, ary indro, tonga ireo ka nanompo azy.

DJS, Matio 4:18. Ampitahao amin’ny Matio 4:19

Niteny ny amin’i Jesoa ireo mpaminanin’ny Testamenta Taloha.

18 Ary hoy Izy taminy: Izaho no Ilay efa nosoratan’ireo mpaminany; manaraha Ahy, dia hataoko mpanarato olona ianareo.

DJS, Matio 4:22. Ampitahao amin’ny Matio 4:23

Nositranin’i Jesoa ny olona tamin’ireo izay nino ny anarany.

22 Ary i Jesoa nandeha eran’i Galilia ka nampianatra tao amin’ireo sinagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana; ary nanasitrana ny karazan’aretina rehetra mbamin’ny karazana rofy rehetra teo anivon’ny vahoaka izay nino ny anarany.