Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 17


DJS, Matio 17:10–14. Ampitahao amin’ny Matio 17:11–13

Nampianatra Elia anankiroa i Jesoa—ny anankiray mba hanomana ary ny anankiray hafa mba hamerina ho amin’ny laoniny.

10 Ary namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: Ho avy marina tokoa aloha i Elia hamerina indray ny zava-drehetra araka izay efa voasoratr’ireo mpaminany.

11 Ary lazaiko aminareo indray fa efa tonga sahady i Elia, izay toy izao no voasoratra momba azy: Indro handefa ny irako Aho ary izy hanomana ny lalana eo anoloako; ary tsy fantatr’izy ireo izy ary efa nataon’izy ireo taminy izay tiany.

12 Dia tahaka izany koa no hampijalian’izy ireo ny Zanak’olona.

13 Nefa lazaiko aminareo, iza i Elia? Indro, izy no Elia, dia izay irahiko hanomana ny lalana eo anoloako.

14 Dia azon’ny mpianatra fa niteny taminy ny momba an’i Jaona Mpanao Batisa Izy, ary koa ny momba ny iray hafa izay ho avy ka hamerina indray ny zava-drehetra araka izay voasoratry ny mpaminany.