Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 5


DJS, Matio 5:21. Ampitahao amin’ny Matio 5:19

Na zovy na zovy no mitandrina ny didy sy mampianatra ny hafa hanao izany koa dia ho voavonjy.

21 Ary amin’izany na zovy na zovy no mandika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona hanao toy izany dia tsy ho voavonjy velively ao amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo didy ao amin’ny lalàna ireo mandra-pahatanteraka izany, dia izy no hatao hoe lehibe ary ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.