Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 7


DJS, Matio 7:1–2. Ampitahao amin’ny Matio 7:1–2

Aza mitsara araka ny tsy fahamarinana.

1 Ankehitriny dia ireto ny teny izay nampianarin’i Jesoa ny mpianany ka tokony holazain’izy ireo ny olona.

2 Aza mitsara araka ny tsy fahamarinana ianareo mba tsy hotsaraina; fa mitsarà kosa araka ny fitsarana marina.

DJS, Matio 7:4–8. Ampitahao amin’ny Matio 7:3–5

Nampianatra ny mpianany i Jesoa mba hifanatrika amin’ireo mpanora-dalàna, Fariseo, mpisorona ary Levita noho ny fihatsarambelatsihin’izy ireo.

4 Ary koa, hiteny amin’izy ireo ianareo hoe: Nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao?

5 Na ahoana no hilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin’ny masonao; nefa ianao tsy mahita ny andry eo amin’ny masonao?

6 Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: Hitanareo ve ny mpanora-dalàna, sy ny Fariseo, sy ny mpisorona ary ny Levita? Mampianatra ao amin’ny sinagogany izy ireo nefa tsy manaja ny lalàna, na ny didy; ary nivily lalana izy rehetra ka ao anatin’ny fahotana.

7 Mandehana ianao dia lazao izy ireo hoe: Nahoana ianareo no mampianatra ny lalàna sy ny didy amin’ny olona, nefa ianareo aza zanaky ny fahalotoana?

8 Lazao izy ireo hoe: Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.

DJS, Matio 7:9–11. Ampitahao amin’ny Matio 7:6

Nampianatra ny mpianany hitory fibebahana i Jesoa ary tsy hizara ny misterin’ny fanjakana amin’izao tontolo izao.

9 Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ka lazao amin’ny rehetra hoe: Mibebaha fa efa manatona akaiky anareo ny fanjakan’ny lanitra.

10 Ary ireo misterin’ny fanjakana dia hotehirizinareo ho anareo; fa tsy mety ny manome izay masina ho an’ny alika na manipy ho an’ny kisoa ny voahanginareo, fandrao hohosihoseny eo ambany tongony izany.

11 Fa izao tontolo izao dia tsy afaka mandray izay tsy hain’ny tenanareo zakaina; koa tsy homenareo azy ny voahanginareo, fandrao hifotitra izy ka hamiravira anareo.

DSJ, Matio 7:12–17. Ampitahao amin’ny Matio 7:7–8

Nampianatra ny mpianany i Jesoa fa ny Ray dia manome fanambarana an’ireo rehetra izay mangataka izany.

12 Lazao izy ireo hoe: Mangataha amin’ Andriamanitra; mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.

13 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana.

14 Dia hoy ny mpianany taminy: Hilaza aminy izy ireo hoe, efa olo-marina izahay ka tsy mila na iza na iza hampianatra anay. Fantatray, fa nihaino an’i Mosesy sy ny mpaminany sasantsasany Andriamanitra; fa raha izahay dia tsy hohenoiny.

15 Dia hilaza izy ireo hoe: Manana ny lalàna ho famonjena anay izahay ka ampy ho anay izany.

16 Ary i Jesoa namaly ka nilaza tamin’ny mpianany hoe: Izao no holazainareo amin’izy ireo,

17 Iza aminareo moa, raha manana zanakalahy iray tsy manan-kialofana izay hiteny hoe: Ray ô! Mba sokafy re ny tranonao hahafahako miditra sy miara-misakafo aminao, no tsy hiteny hoe: Mandrosoa ry zanako; fa anao izay ananako ary ahy izay anananao?