Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Marka 9


DJS, Marka 9:3. Ampitahao amin’ny Marka 9:4

Teo an-tendrombohitry ny Fiovan-tarehy i Jaona Mpanao Batisa.

3 Ary teo no nisehoan’i Elia sy i Mosesy, na amin’ny teny hafa, i Jaona Mpanao Batisa sy i Mosesy tamin’izy ireo; ary niresaka tamin’i Jesoa izy ireo.

DJS, Marka 9:40–48. Ampitahao amin’ny Marka 9:43–48

Noharin’i Jesoa amin’ny fampitsaharana ny fifaneraserana izay mety hitarika ny olona iray haniasia ny fanapahana ny tanana na ny tongotra manafintohina.

40 Koa raha manafintohina anao ny tananao dia tapaho izy hiala; na raha manafintohina anao ny rahalahinao ka sady tsy mibaboka no tsy mahafoy izany dia hosarahina izy hiala. Tsara kokoa ho anao ny miditra kilemaina any amin’ny fiainana, noho ny manana tanana roa nefa mandeha any amin’ny helo.

41 Fa tsara kokoa ho anao ny miditra any amin’ny fiainana tsy miaraka amin’ny rahalahinao, noho ny hanipazana anao sy ny rahalahinao any amin’ny helo; any amin’ny afo izay tsy hovonoina na oviana na oviana, izay tsy maty ny kankany ary tsy vonoina ny afo.

42 Ary ankoatra izany, raha manafintohina anao ny tongotrao dia tapaho izy hiala; fa izy izay fakan-tahaka ho anao, izay amin’ny alalany no andehananao, raha tonga mpamadika lalana izy dia hotapahina hiala.

43 Tsara kokoa ho anao ny miditra mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tongotra roa mba hatsipy any amin’ny helo; any amin’ny afo izay tsy hovonoina na oviana na oviana.

44 Ka aoka ny olona tsirairay hijoro na ho lavo noho ny amin’ny tenany ihany fa tsy noho ny amin’ny olona iray hafa na noho ny fitokiana olona iray hafa.

45 Milà torohevitra amin’ny Raiko dia ho to izany amin’io fotoana io indrindra izay hangatahinareo, raha mangataka amin’ny finoana ianareo sady mino fa handray.

46 Ary raha ny masonao izay mahita ho anao, izy ilay voatendry hiambina anao mba hampiseho aminao ny hazavana, no tonga mpamadika lalàna ary manafintohana anao, dia ongoty izy hiala.

47 Tsara kokoa ho anao ny miditra toka-maso any amin’ny fanjakan’ Andriamanitra noho ny manana maso roa mba hatsipy any amin’ny helo afo.

48 Fa tsara kokoa ny hamonjena anao noho ny hanipazana anao miaraka amin’ny rahalahinao any amin’ny helo izay tsy maty ny kankany ary tsy vonoina ny afo.