Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Marka 3


DJS, Marka 3:21–25. Ampitahao amin’ny Marka 3:28–30

I Jesoa dia hamela ny mpanota rehetra izay mibebaka afa-tsy ireo izay miteny ratsy ny Fanahy Masina.

21 Dia nisy olona vitsivitsy nanatona Azy ka niampanga Azy nanao hoe: Nahoana Ianao no mandray mpanota nefa milaza fa Zanak’ Andriamanitra?

22 Saingy namaly azy ireo izy hoe: Lazaiko marina aminareo fa ny fahotana rehetra nataon’ny olona, rehefa mibebaka izy ireo, dia ho voavela; satria aho tonga hitory fibebahana amin’ny zanak’olombelona.

23 Ary ny fitenenan-dratsy izay hataony dia ho voavela ho an’ireo izay manatona Ahy sy manao ny asa izay hitan’izy ireo ataoko.

24 Saingy misy fahotana iray izay tsy ho voavela. Izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana; fa manambana azy ny fandringanana ho any ivelan’izao tontolo izao. Ary handova ny fanamelohana mandrakizay izy ireo.

25 Ary izany no nolazainy tamin’izy ireo satria izy ireo nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.