Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Marka 7


DJS, Marka 7:10–12. Ampitahao amin’ny Marka 7:10

Nohelohin’i Jesoa ireo izay nandà ireo mpaminany sy tsy nankatò ny lalàn’i Mosesy.

10 Feno tsara ny zavatra momba anareo nosoratan’ireo mpaminany izay nolavinareo.

11 Nijoro ho vavolombelona marina tokoa ny amin’ireo zavatra ireo izy ireo, ary ho eo aminareo ny rany.

12 Tsy nitandrina ireo ôrdônansin’ Andriamanitra ianareo; fa hoy i Mosesy hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao; ary koa: izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia avelao izy ho faty tahaka ny hahafatesan’ny mpandika lalàna, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànareo; nefa ianareo tsy manaja ny lalàna.