Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Marka 8


DJS, Marka 8:37–38. Ampitahao amin’ny Marka 8:35

Na iza na iza vonona ny ho faty noho ny amin’i Jesoa dia hahazo famonjena.

37 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery izany; ary na iza na iza ta-hamonjy ny ainy, dia ho vonona ny hanolotra izany noho ny Amiko; ary raha tsy vonona ny hanolotra izany izy noho ny Amiko, dia hahavery izany.

38 Fa na iza na iza ho vonona ny hamoy ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara dia izy no hahavonjy izany.

DJS, Marka 8:42–43. Ampitahao amin’ny Marka 8:38

Ny olona izay menatra noho ny amin’i Kristy dia tsy manana anjara ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany, fa ireo izay vonona ny ho faty ho an’i Kristy dia ho avy miaraka Aminy ao anatin’ny voninahiny.

42 Ary tsy hanana anjara ao amin’io fitsanganana amin’ny maty io izy ireo rehefa tonga izy.

43 Fa lazaiko marina aminareo fa ho avy Izy; ary izay manolotra ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara dia ho avy miaraka Aminy, ary hotafina amin’ny voninahiny eny amin’ny rahon’ny lanitra, eo an-tanana an-kavanan’ny Zanak’olona.