Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Marka 16


DJS, Marka 16:3–6. Ampitahao amin’ny Marka 16:4–7; Lioka 24:2–4

Anjely anankiroa niarahaba ireo vehivavy teo amin’ny fasan’ny Mpamonjy.

3 Fa nony nijery izy ireo dia nahita fa efa voakodia niala ny vato, (fa lehibe dia lehibe izany) ary anjely roa no nipetraka teo amboniny, nanao akanjo fotsy lava; dia natahotra izy ireo.

4 Fa hoy ireo anjely taminy: Aza matahotra; mitady an’i Jesoa avy any Nazareta izay nohomboana ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo ny toerana izay nampandriany Azy;

5 Dia mandehana ka lazao amin’ny mpianany sy i Petera fa mialoha lalana anareo any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy araka izay nolazainy taminareo.

6 Ary nony niditra tao am-pasana izy ireo dia nahita ny toerana nampandrian’izy ireo an’i Jesoa.