Antso ao amin’ny misiôna
Toko 3: Lesona 3—Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy


“Toko 3: Lesona 3—Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Toko 3: Lesona 3,” Torio ny filazantsarako

Toko 3: Lesona 3

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Sary
The Second Coming (Ny Fiaviana Fanindroany), nataon’i Harry Anderson

Mety hanontany tena ny olona

  • Iza moa i Jesoa Kristy? Ahoana no ahafahany manampy ahy sy ny fianakaviako?

  • Inona no dikan’ny hoe manana finoana an’i Jesoa Kristy? Afaka mitondra fitahiana eo amin’ny fiainako amin’ny fomba ahoana ny fananana finoana Azy?

  • Inona no atao hoe mibebaka?

  • Ahoana no ahafahako mahatsapa fiadanana sy famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra rehefa nanao safidy ratsy aho?

  • Inona no tanjon’ny batisa?

  • Inona no atao hoe fanomezana ny Fanahy Masina?

  • Inona no dikan’ny hoe maharitra hatramin’ny farany?

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ny fomba ankanesantsika ao amin’i Kristy. Tena tsotra izany ka na ny ankizy aza dia afaka mahatakatra izany. Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny filazantsaran’i Kristy sy ny fotopampianarany, ka tafiditra ao anatin’izany ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany. Mifantoka ihany koa amin’ny fomba itahian’ny filazantsara ny zanak’ Andriamanitra rehetra izany.

Ny teny hoe filazantsara dia midika ara-bakiteny hoe “vaovao mahafaly.” Vaovao mahafaly ny filazantsaran’i Jesoa Kristy satria manolotra ilay fotopampianarana, dia ny fahamarinana mandrakizay izany, izay ilaintsika mba hanatonana Azy mba ho voavonjy (jereo ny 1 Nefia 15:14). Ny filazantsara dia mampianatra antsika ny fomba hananana fiainana tsara sy misy tanjona. Ny vaovao mahafalin’ny filazantsara dia manolotra lalana ho antsika mba hahafahantsika ho voavela amin’ireo fahotantsika, sy hohamasinina, ary hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra indray.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ity fizarana ity dia manome santionana rindran-damina mba hanampiana anao hiomana hampianatra. Ahitana ohatra amin’ireo fanontaniana sy fanasana azonao ampiasaina koa izany.

Rehefa miomana hampianatra ianao dia diniho ombam-bavaka ny toe-javatra iainan’ny olona tsirairay sy ny zavatra ilainy ara-panahy. Manapaha hevitra hoe inona no zavatra tena hanampy ka tokony hampianarina. Miomàna hamaritra teny mety tsy azon’ny olona. Manaova drafitra mifanaraka amin’ny habetsaky ny fotoana hanananao, ary tadidio ny hihazona ny lesona ho fohy.

Misafidiana soratra masina hampiasaina rehefa mampianatra ianao. Ny fizarana “Fototra ara-potopampianarana” ao amin’ny lesona dia ahitana soratra masina mahasoa maro.

Eritrereto izay fanontaniana hapetraka rehefa mampianatra ianao. Manomàna fanasana hatolotra izay hamporisika ny olona tsirairay handray andraikitra.

Antitrantero ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra, ary zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny zavatra ampianarinao.

Sary
misiônera mampianatra fianakaviana

Inona no azonao ampianarina ny olona ao anatin’ny 15–25 minitra

Misafidiana iray na maromaro amin’ireto fitsipika manaraka ireto mba hampianarina. Ny fototra ara-potopampianarana ho an’ny fitsipika tsirairay dia omena aorian’ity rindran-damina ity.

Ny asa masina nanirahana an’i Jesoa Kristy

  • Nandefa ilay Zanaka Malalany, Jesoa Kristy, ho ety an-tany ny Ray any An-danitra mba hanavotra antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana.

  • Noho ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa dia afaka ny ho voadio amin’ny fahotantsika sy hohamasinina isika rehefa mibebaka.

  • Taorian’ny nanomboana an’i Jesoa dia nitsangana tamin’ny maty Izy. Noho ny Fitsanganany tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra aorian’ny fahafatesantsika. Midika izany fa hitambatra indray ny fanahin’ny olona tsirairay sy ny vatany, ary ny tsirairay amintsika dia hiaina mandrakizay ao anatin’ny vatana tonga lafatra sy vatana nitsangana tamin’ny maty.

Finoana an’i Jesoa Kristy

  • Ny finoana no fitsipika voalohan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Tafiditra ao anatin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fananana fahatokiana fa Izy no ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra sy ny fitokisana Aminy amin’ny maha-Mpamonjy sy amin’ny maha-Mpanavotra antsika Azy.

  • Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia fitsipika mitaky asa sy mifono hery.

  • Mampatanjaka ny finoantsika isika amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina ary ny fankatoavana ireo didy.

Fibebahana

  • Mitarika antsika ho amin’ny fibebahana ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny fibebahana dia ilay dingan’ny fitodihana amin’ Andriamanitra sy fialana amin’ny fahotana. Rehefa mibebaka isika, ny zavatra ataontsika sy ny faniriantsika ary ny eritreritsika dia miova mba hifanaraka kokoa amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.

  • Rehefa mibebaka amin-kitsim-po isika dia hamela antsika Andriamanitra. Azo tanterahina ny fibebahana satria nanao sorona fanavotana ho an’ny fahotantsika i Jesoa Kristy.

  • Rehefa mibebaka isika dia mahatsapa fiadanana rehefa sitrana amin’ny fahatsapana ho meloka sy alahelo isika.

  • Dingana atao mandritra ny androm-piainanany fibebahana. Mandray antsika hatrany Andriamanitra isaky ny mibebaka isika. Tsy hilavo lefona amintsika na oviana na oviana Izy.

Batisa: Ny fanekempihavanana voalohany ataontsika amin’ Andriamanitra

  • Ny batisa no fomba idirantsika voalohany ao anatina fifandraisana ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra.

  • Mizara roa ny batisa: ny batisa amin’ny rano sy ny batisa amin’ny Fanahy Rehefa atao batisa sy raisina ho mpikambana isika dia voadio amin’ny fahotantsika, ka izany dia manome fiaingana vaovao ho antsika eo amin’ny fiainantsika.

  • Atao batisa asitrika isika, manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa.

  • Tsy atao batisa ny ankizy raha tsy feno valo taona. Ny ankizy izay maty talohan’izany taona izany dia voavotra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro isika ho fahatsiarovana ny sorona nataon’i Jesoa sy hanavaozana ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra.

Ny fanomezana ny Fanahy Masina

  • Ny Fanahy Masina no mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra.

  • Aorian’ny batisantsika dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fandraisana ho mpikambana.

  • Rehefa mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika dia afaka ny hanana Azy ho namana mandritra ny fiainantsika manontolo raha toa ka mahatoky isika.

  • Ny Fanahy Masina dia manamasina antsika, mitarika antsika, mampionona antsika, ary manampy antsika hahafantatra ny fahamarinana.

Maharitra hatramin’ny farany

  • Tafiditra ao anatin’ny faharetana ny fanohizana mampihatra finoana an’i Kristy isan’andro. Manohy mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra isika, mibebaka, mikatsaka ny fananana ny Fanahy Masina ho namana, ary mandray ny fanasan’ny Tompo.

  • Rehefa mikatsaka amim-pahatokiana ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy isika dia mampanantena antsika Andriamanitra fa hanana ny fiainana mandrakizay isika.

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mitahy ny zanak’ Andriamanitra rehetra

  • Ny fiainana ny filazantsara dia mampitombo ny fifaliantsika, manolo-kevitra antsika ao anatin’ireo zavatra ataontsika, ary mampatanjaka ireo fifandraisantsika.

  • Azo inoana fa ho sambatra isika,dia ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana izany, rehefa miaina ny fampianaran’i Jesoa Kristy.

  • Amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia voatahy ny fianakaviana eto amin’ity fiainana ity ary afaka ny ho tafaray mandrakizay, sy hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra.

Fanontaniana azonao apetraka amin’ny olona

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia ohatra amin’ny zavatra azonao apetraka amin’ny olona. Ireo fanontaniana ireo dia afaka manampy anao hanana resadresaka manan-danja sy hahatakatra zavatra ilain’ny olona iray sy ny fomba fijeriny.

  • Inona no zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy?

  • Midika inona aminao ny hoe manana finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no fiovana tianao hoentina eo amin’ny fiainanao?

  • Inona ny fahatakaranao ny fibebahana?

  • Inona ny fahatakaranao ny batisa? Inona no azonao atao izao mba hiomanana amin’ny batisa?

  • Inona no azon’ny Fanahy Masina anampiana anao eo amin’ny dianao miverina eo anatrehan’ Andriamanitra?

  • Inona no olana atrehanao na ny fianakavianao? Afaka mizara fomba vitsivitsy ahafahan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy manampy ve izahay?

Ireo fanasana azonao atolotra

  • Moa ve ianao hangataka an’ Andriamanitra ao anatin’ny vavaka mba hanampy anao hahafantatra raha toa ka marina ny zavatra ampianarinay? (Jereo ny “Tari-dalana enti-mampianatra: Vavaka” ao amin’ny fizarana farany ao amin’ny lesona 1.)

  • Handeha ho any am-piangonana ve ianao amin’ity alahady ity mba hianatra bebe kokoa momba ny zavatra nampianarinay?

  • Moa ve ianao hamaky ny Bokin’i Môrmôna ary hivavaka mba hahafantaranao fa tenin’ Andriamanitra izany? (Azonao atao ny manolotra toko na andininy manokana.)

  • Moa ve ianao hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa ka hatao batisa? (Jereo ny “Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana,” izay mialoha avy hatrany ny lesona 1.)

  • Afaka mametraka fotoana hanaovana ny fitsidihanay manaraka ve isika?

Fototra ara-potopampianarana

Ity fizarana ity dia manome fotopampianarana sy soratra masina hohalalininao mba hanamafisana ny fahalalanao ny filazantsara sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara ary hanampiana anao hampianatra.

Sary
These Twelve Jesus Sent Forth (Ireo Roambinifololahy izay nirahin’i Jesoa), nataon’i Walter Rane

Ny asa masina nanirahana an’i Jesoa Kristy

Ny Ray any An-danitra dia nandefa an’i Jesoa Kristy Zanaka Malalany ho ety an-tany mba hahafahantsika rehetra manana fahafahana hiaina fifaliana eto amin’ity izao tontolo izao ity sy fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy. “Ary izao no filazantsara, ny vaovao mahafaly, … Fa tonga teo amin’izao tontolo izao i [Jesoa Kristy] … hitondra ny fahotan’izao tontolo, ary mba hanamasina izao tontolo sy hanadio izany amin’ny tsy fahamarinana rehetra; mba ho amin’ny alalany no hahazoana mamonjy ny rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:40–42).

Amin’ny maha-olombelona mety maty antsika dia manota avokoa isika rehetra ary ho faty avokoa isika rehetra. Ny fahotana sy ny fahafatesana dia hanakana antsika tsy hanana fiainana mandrakizay miaraka amin’ Andriamanitra raha tsy hoe misy Mpanavotra isika (jereo ny 2 Nefia 9). Talohan’ny nahariana izao tontolo izao ny Ray any An-danitra dia nisafidy an’i Jesoa Kristy mba hanavotra antsika. Tao anatin’ny fanehoana fitiavana faratampony no nahatongavan’i Jesoa Kristy tety an-tany ary nanatanterahany ilay iraka masina nanirahana Azy. Nataony izay hahafahantsika ho voavotra amin’ny fahotantsika, ary nataony azo antoka fa hitsangana amin’ny maty isika aorian’ny fahafatesantsika.

Nanana fiainana tsy nisy fahotana i Jesoa Kristy. Rehefa nifarana ny asa fanompoany tety an-tany dia nitondra teo Aminy ny fahotantsika Izy tamin’ny alalan’ny fijaliany tao Getsemane sy rehefa nohomboana (jereo ny 1 Nefia 11:33). Lehibe izaitsizy ny fijalian’i Jesoa ka nahatonga Azy “hangovitra noho ny fangirifiriana, sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18). Taorian’ny Fanomboana Azy dia nitsangana tamin’ny maty i Jesoa, nandresy ny fahafatesana. Ny fitambaran’ireo zava-nitranga ireo no atao hoe ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Mahatonga antsika tsy hadio ara-panahy ny fahotantsika, ary “ny zavatra tsy madio dia tsy afaka hiara-mitoetra amin’ Andriamanitra” (1 Nefia 10:21). Ankoatra izay, ny lalàn’ny fahamarinana dia mitaky ny vokatry ny fahotana ataontsika.

Ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa dia manome lalana ho antsika ho voadio amin’ny fahotana sy hohamasinina rehefa mibebaka isika. Manome lalana mba hanomezana fahafaham-po ny fitakian’ny fahamarinana ihany koa izany (jereo ny Almà 42:15, 23–24). Hoy ny Mpamonjy hoe: “ Izaho … dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka. Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–17). Raha tsy noho i Jesoa Kristy dia ho nampitsahatra ny fanantenana rehetra momba ny fiainana ho avy miaraka amin’ny Ray any An-danitra ny fahotana.

Rehefa nanolotra ny Tenany ho sorona ho antsika i Jesoa dia tsy nanaisotra ny andraikitry ny tenantsika manokana akory Izy. Mila manana finoana Azy isika, mibebaka, ary miezaka mankatò ireo didy. Rehefa mibebaka isika dia hitaky ho an’ny tenantsika ny zony hanolotra famindram-po avy amin’ny Rainy i Jesoa (jereo ny Môrônia 7:27–28). Noho ny fanelanelanan’ny Mpamonjy dia mamela heloka antsika ny Ray any An-danitra, manamaivana antsika amin’ny vesatra ny fahotantsika sy ny fahatsapana ho meloka noho ny fahotantsika (jereo ny Môzià 15:7–9). Voadio ara-panahy isika ary afaka ny ho raisina tsara eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny farany.

Ny iraka masina nanirahana an’i Jesoa dia ny mba hamonjy antsika amin’ny fahafatesana ihany koa. Satria nitsangana tamin’ny maty Izy, dia hitsangana amin’ny maty daholo isika rehetra aorian’ny fahafatesantsika. Midika izany fa hitambatra indray ny fanahin’ny olona tsirairay sy ny vatany, ary ny tsirairay amintsika dia hiaina mandrakizay ao anatin’ny vatana tonga lafatra sy vatana nitsangana tamin’ny maty. Raha tsy noho i Jesoa Kristy dia ho nampitsahatra ny fanantenana rehetra momba ny fiainana ho avy miaraka amin’ny Ray any An-danitra ny fahafatesana.

Fandalinana ny soratra masina

Nandefa ny Zanany lahy Andriamanitra

Famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Finoana an’i Jesoa Kristy

Ny fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy. Ny finoana no fototry ny fitsipiky ny filazantsara rehetra.

Tafiditra ao anatin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fananana fahatokiana fa Izy no ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra. Tafiditra ao anatin’izany ny fitokisana Aminy fa Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, fa Izy no hany lalana ahafahana miverina eo anatrehan’ Andriamanitra (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:10–12; Môzià 3:17; 4:6–8). Mahazo fanasana isika hampihatra “[finoana] Azy tsy voahozongozona ary [hiantehitra] tanteraka amin’ny fahamendrehan’ilay Mahery ka mahavonjy” (2 Nefia 31:19).

Tafiditra ao anatin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny mino fa nijaly noho ny fahotantsika Izy tao anatin’ny sorona fanavotana nataony. Noho ny sorona fanavotana nataony dia afaka ny ho voadio amin’ny fahotantsika sy hovotana isika rehefa mibebaka. Io fanadiovana io dia manampy antsika hahita fiadanana sy fanantenana eto amin’ity fiainana ity. Manome fahafahana antsika handray fahafenoan’ny fifaliana aorian’ny fahafatesantsika ihany koa izany.

Tafiditra ao anatin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fahatokiana fa amin’ny alalany dia hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra aorian’ny fahafatesantsika. Izany finoana izany dia afaka manohana sy mampionona antsika ao anatin’ny fotoana namoizana olon-tiana. Ny fampanantenan’ny Fitsanganana amin’ny maty dia afaka manaisotra ny alahelo ateraky ny fahafatesana.

Tafiditra ao anatin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny mino sy matoky fa nitondra teo Aminy ny fanaintainantsika sy ny aretintsika Izy (jereo ny Isaia 53:3–5). Fantany amin’ny alalan’ny zavatra niainany ny fomba hanohanana antsika amim-pamindram-po eo anatrehan’ireo olana eo amin’ny fiainana (jereo ny Almà 7:11–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:8). Rehefa mampihatra finoana isika dia manampy antsika handroso hatrany hamakivaky ireo fotoan-tsarotra Izy.

Amin’ny alalan’ny finoantsika Azy, i Jesoa dia afaka manasitrana antsika ara-batana sy ara-panahy. Vonona hatrany Izy hanampy antsika rehefa mahatsiaro ity fanasany ity isika hoe: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36).

Fitsipiky mifono asa sy hery

Mitondra any amin’ny fanaovana asa ny finoana an’i Jesoa Kristy. Maneho ny finoantsika isika amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo didy sy ny fanaovana ny tsara isan’andro. Mibebaka amin’ny fahotantsika isika. Tsy mivadika Aminy isika. Miezaka ny ho tonga tahaka Azy kokoa isika.

Rehefa mampihatra finoana isika dia afaka miaina ny herin’i Jesoa eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Hampitombo ny ezaka tsara indrindra vitantsika Izy. Hanampy antsika hivoatra sy hanohitra fakam-panahy Izy.

Mampatanjaka ny finoantsika

Nampianatra ny mpaminany Almà fa ny fanorenana finoana dia afaka manomboka amin’ny “[faniriana tsotra] ny hino” (Almà 32:27). Avy eo, mba hitomboan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia mila mikolokolo izany amin’ny alalan’ny fianarana ny teniny sy ny fampiharana ireo fampianarany ary ny fankatoavana ireo didiny isika. Nampianatra i Almà fa rehefa mikolokolo amim-paharetana sy amim-pahazotoana ny tenin’ Andriamanitra ao am-pontsika isika “dia hiorim-paka [izany ary] ho tonga hazo maniry hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay”—ka izany dia hampatanjaka ny finoantsika (Almà 32:41; jereo ny andininy 26–43).

Fandalinana ny soratra masina

Finoana, hery, ary famonjena

Ny fotopampianaran’ny finoana

Ohatra maneho ny finoana

Asa sy fankatoavana

Finoana ho amin’ny fibebahana

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Jesoa Kristy,” “Sorompanavotana,” “Finoana

  • Bible Dictionary: “Faith

  • Sujets de l’Évangile: “Jésus Christ,” “Expiation de Jésus-Christ,” “Foi en Jésus Christ

Fibebahana

Inona no atao hoe fibebahana?

Ny fibebahana no fitsipika faharoan’ny filazantsara. Mitarika antsika hibebaka ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavantsika Azy (Helamàna 14:13). Ny fibebahana dia ilay dingan’ny fitodihana amin’ Andriamanitra sy fialana amin’ny fahotana. Rehefa mibebaka isika, dia miova mba hifanaraka kokoa amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ny zavatra ataontsika sy ny faniriantsika ary ny eritreritsika. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony no ahafahantsika mahazo famelana ny fahotana.

Mihoatra lavitra noho ny fampiasana finiavana hanova fitondrantena na handresy fahalemena iray ny fibebahana. Ny fibebahana dia fitodihana amin-kitsim-po amin’i Kristy, izay manome antsika ny hery hiaina “fiovana mahery vaika” ao am-pontsika (Almà 5:12–14). Rehefa miaina izany fiovana ao am-po izany isika dia ateraka indray ara-panahy (jereo ny Môzià 27:24–26).

Amin’ny alalan’ny fibebahana dia mampitombo ao amintsika fomba fijery vaovao momba an’ Andriamanitra sy ny tenantsika ary izao tontolo izao isika. Mahatsapa indray ny fitiavan’ Andriamanitra ho antsika amin’ny maha-zanany antsika isika, ary ny fitiavan’ny Mpamonjy ho antsika ihany koa. Ny fahafahana mibebaka dia isan’ireo fitahiana lehibe indrindra omen’ Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ny Zanany.

Dingan’ny fibebahana

Rehefa mibebaka isika dia miaiky ny fahotantsika ary mahatsapa nenina tena avy amin’ny fo. Mibaboka ny fahotantsika amin’ Andriamanitra isika ary mangataka ny famelany. Mibaboka ireo fahotana tena goavana any amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nomena fahefana hisahana izany koa isika , izay hanampy antsika rehefa mibebaka isika. Manao izay vitantsika isika mba hanaovana fanonerana, izay midika hoe manitsy ny olana mety nateraky ny zavatra nataontsika. Ny fibebahana avy amin’ny fo dia tena hita taratra amin’ny alalan’ireo zavatra atao amim-pahamarinana mandritra ny fotoana maharitraritra.

Dingana atao isan’andro mandritra ny androm-piainana ny fibebahana. “Samy efa nanota [ny] rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra” (Romana 3:23). Tokony hanohy hibebaka isika, sady mahatsiaro fa “mahay ny zavatra rehetra [isika] ao amin’ilay mpampahery [antsika]” (Filipiana 4:13). Nanome toky antsika ny Tompo fa “isaky ny mibebaka ny oloko dia Izaho hamela ny fahadisoany Tamiko” (Môzià 26:30).

Fitahiana avy amin’ny fibebahana

Ny fibebahana dia fitsipika tsara izay mitondra fifaliana sy fiadanana. Mitondra antsika “mankamin’ny herin’ny Mpanavotra ho famonjena ny fanahiny” (Helamàna 5:11).

Rehefa mibebaka isika dia sitrana ilay fahatsapana ho meloka sy ilay alahelo rehefa mandeha eny ny fotoana. Mahatsapa ny fitomboan’ny fitarihan’ny Fanahy bebe kokoa isika. Mihamafy ny faniriantsika hanaraka an’ Andriamanitra

Sary
Filoha Russell M. Nelson

“Maro loatra ireo olona mihevitra ny fibebahana ho toy ny fanasaziana, zavatra iray izay tokony hosorohina. … Saingy i Satana no mamorona izany fahatsapana ho voasazy izany. Izy dia miezaka ny manakana antsika tsy hibanjina an’i Jesoa Kristy ilay mijoro miaraka amin’ny sandriny mivelatra, manantena sy vonona ny hanasitrana, hamela, hanadio, hampatanjaka ary hanamasina antsika” (Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67).

Fandalinana ny soratra masina

Fibebahana

Fanavotana sy famelan-keloka

Famindram-po ho an’ireo izay mibebaka

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Mibebaka, Fibebahana,” “Sorompanavotana

  • Bible Dictionary: “Repentance

  • Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 32.1

  • Sujets de l’Évangile: “Repentir,” “Expiation de Jésus-Christ

Sary
zatovovavy atao batisa

Batisa: Ny fanekempihavanana voalohany ataontsika amin’ Andriamanitra

Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana dia manomana antsika ho amin’ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Ny batisa no ôrdônansy voalohany ho an’ny famonjena ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa mandray io ôrdônansin’ny fanantenana mahafaly io isika dia manao ny fanekempihavanantsika voalohany amin’ Andriamanitra.

Ny ôrdônansy dia asa masina na fombafomba masina izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. Ny ôrdônansy sasany, toy ny batisa, dia tena ilaina ho an’ny famonjena antsika.

Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny ôrdônansy. Ireo fanekempihavanana ireo dia fampanantenana masina eo amintsika sy Andriamanitra. Mampanantena ny hitahy antsika Izy rehefa mitandrina ny fampanantenana nataontsika Taminy isika. Tokony hanana fanolorantena mafy orina ny hitandrina ny fampanantenana nataontsika tamin’ Andriamanitra isika.

Nanome ôrdônansy sy fanekempihavanana Andriamanitra mba hanampiana antsika hanatona Azy sy hahazo ny fiainana mandrakizay. Rehefa mandray ôrdônansin’ny fisoronana sy mitandrina ny fanekempihavanana mifandray amin’izany isika dia afaka ny hiaina “ny herin’ Andriamanitra” eo amin’ny fiainantsika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20).

Ny fanekempihavanan’ny batisa

Nampianarin’ny Mpamonjy fa ny batisa dia ilaina mba hahafahantsika miditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra (jereo ny Jaona 3:5). Ilaintsika koa izany mba hahafahantsika ho lasa mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Nampiseho ny ohatra tokony hatao ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny nanaovana batisa Azy (jereo ny Matio 3:13–17).

Rehefa atao batisa sy mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika isika dia mampanantena ny hamela ny fahotantsika Andriamanitra (jereo ny Asan’ny Apostoly 22:16; 3 Nefia 12:1–2). Io fitahiana lehibe io dia azo tanterahina amin’ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy, izay “tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika amin’ny ràny” (Apokalypsy 1:5). Mampanantena ihany koa Andriamanitra ny hitahy antsika amin’ny fanomezana antsika ny ny Fanahy Masina amin’ny fananana ho namana mba hahafahantsika hohamasinina sy hotarihana ary hahazo fampiononana.

Ao anatin’ny fanekempihavanan’ny batisa ataontsika, isika dia vavolombelona fa vonona ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy. Mampanantena ihany koa isika fa hahatsiaro Azy mandrakariva sy hitandrina ny didiny. Mampanantena isika ny hitia sy hanompo ny hafa, “[ny] hiara-malahelo amin’izay malahelo[,] … [ny] hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra, ary amin’ny toerana rehetra” (Môzià 18:9; jereo ny andininy 8–10, 13). Mampiseho fahavononana feno isika ny hanompo an’i Jesoa Kristy hatramin’ny fiafaran’ny fiainantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37; Môzià 2:17).

Ny fanolorantenantsika ao anatin’ny fanekempihavanana izay mifandray amin’ny batisa dia andraikitra lehibe. Manentana ny fanahy sy mitondra fifaliana ihany koa izy ireo. Izy ireo dia mampiorina fifandraisana miavaka eo amintsika sy ny Ray any An-danitra, ka amin’ny alalan’izany no hanolorany tsy tapaka ny fitiavany.

Ny batisa asitrika

Nampianatra i Jesoa fa ilaina atao batisa asitrika ho famelana ny fahotantsika isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:72–74). Ny batisa asitrika dia tandindon’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny fandevenana Azy ary ny fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Romana 6:3–6).

Ny batisa asitrika dia mifono tandindona mahery vaika ho antsika manokana ihany koa. Maneho ny fahafatesan’ny fiainantsika taloha izany, ny fandevenana izany fiainana izany, ary ny fiarenantsika ho amin’ny fahaterahana vaovao ara-panahy indray. Rehefa atao batisa isika dia manomboka ny dingan’ny fahaterahana indray ka lasa zanakalahy sy zanakavavy ara-panahin’i Kristy (jereo ny Môzià 5:7–8; Romana 8:14–17).

Ny ankizy

Ny ankizy dia tsy atao batisa raha tsy efa mahatratra ny taona maha-tompon’andraikitra azy, dia ny fahavalo taona izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:27). Ny ankizy izay maty alohan’izany taona izany dia voavotra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Môrônia 8:4–24; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10). Mialoha ny hanaovana batisa ny ankizy, dia tokony hampianarina azy ireo ny filazantsara mba hahafahan’izy ireo ho vonona ho amin’io dingana manan-danjan’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany io.

Ny fanasan’ny Tompo

Tian’ny Raintsika any An-danitra isika ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana izay ataontsika Aminy. Mba hanampiana antsika amin’izany, dia nandidy antsika Izy mba hivory matetika ary handray ny fanasan’ny Tompo. Ny fanasan’ny Tompo dia ôrdônansin’ny fisoronana izay nampahafantarin’i Jesoa an’ireo Apôstôliny taloha kelin’ny Sorompanavotany.

Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo no tanjona fototry ny fivoriana fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Tsofina rano ny mofo sy ny rano ary atolotra ny mpanatrika. Ny mofo dia maneho ny nahafoizan’ny Mpamonjy ny vatany ho antsika. Ny rano dia maneho ny rany, izay nalatsany ho antsika.

Mandray ireo tandindona ireo isika ho fahatsiarovana ny sorona nataon’ny Mpamonjy sy hanavaozana ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra. Raisintsika indray ny fampanantenana fa ny Fanahy dia hiaraka amintsika mandrakariva.

Fandalinana ny soratra masina

Ny ohatra nasehon’i Kristy

Ny fanekempihavanan’ny batisa

Zavatra takina mialoha ny batisa

Fitahiana ampanantenaina amin’ny batisa

Ny ilana fahefana

Nanorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa

Ny vavaky ny Fanasan’ny Tompo

Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Batisa,” “Fanasan’ny Tompo

  • Sujets de l’Évangile: “Baptême,” “Sainte Cène

Sary
I Kristy mametra-tanana amin’ny vehivavy iray

Ny fanomezana ny Fanahy Masina

Ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina

Misy ampahany roa ny batisa. Nampianatra i Jesoa fa mila “ateraky ny rano sy ny Fanahy” isika mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra (Jaona 3:5; nampiana fanamafisana). Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Ny batisa amin’ny rano dia antsasaky ny batisa ihany, ary tsy misy dikany raha tsy misy an’ilay antsasany iray hafa, dia ny batisa amin’ny Fanahy Masina” (Enseignements des Présidents de L’Église: Joseph Smith [2007], 95).

Ny batisa amin’ny rano dia tsy maintsy arahin’ny batisa amin’ny Fanahy mba hahafeno izany. Rehefa mandray ireo batisa roa ireo isika dia voadio amin’ny fahotantsika ary ateraka indray ara-panahy. Manomboka fiainam-baovao ara-panahy isika avy eo amin’ny maha-pianatr’i Kristy antsika.

Mandray ny batisan’ny Fanahy amin’ny alalan’ny ôrdônansy iray antsoina hoe fandraisana ho mpikambana isika. Io ôrdônansy io dia tanterahin’ny mpihazona ny fisoronana iray na maromaro izay mametraka ny tanan’izy ireo eo ambonin’ny lohantsika. Raisin’izy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana aloha isika, ary avy eo dia manolotra ny fanomezana ny Fanahy Masina eo amintsika izy ireo. Io ihany ilay ôrdônansy voalaza ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:14–17; 3 Nefia 18:36–37).

Ny Fanahy Masina no mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra. Miara-miasa amim-piraisankina amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Izy. Rehefa mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika dia afaka ny hanana Azy ho namany mandritra ny fiainantsika manontolo raha toa ka mahatoky.

Ireo fomba itahian’ny Fanahy Masina antsika

Ny fanomezana ny Fanahy Masina no iray amin’ireo fanomezana sarobidy indrindra avy amin’ny Ray any An-danitra. Ny Fanahy Masina dia manadio sy manamasina antsika, mahatonga antsika ho masina sy feno kokoa, ho tahaka an’ Andriamanitra kokoa (jereo ny 3 Nefia 27:20). Manampy antsika hiova sy hitombo ara-panahy Izy rehefa mikatsaka ny hanaraka ireo fitsipik’ Andriamanitra isika.

Ny Fanahy Masina dia manampy antsika hianatra sy hamantatra fahamarinana (jereo ny Môrônia 10:5). Manamafy ny fahamarinana ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ihany koa Izy. Ankoatra izany, ny Fanahy Masina dia manampy antsika hianatra fahamarinana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14). Rehefa mianatra sy mampianatra fahamarinana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina isika dia mitondra izany ao am-pontsika Izy (jereo ny 2 Nefia 33:1).

Rehefa mikatsaka amim-panetrentena fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina isika dia hitarika antsika Izy (jereo ny 2 Nefia 32:5). Tafiditra ao anatin’izany ny bitsika ho antsika mba hahafahantsika manompo ny hafa.

Ny Fanahy Masina dia manome tanjaka ara-panahy hanampiana antsika handresy fahalemena. Manampy antsika hanohitra fakam-panahy Izy. Afaka mampitandrina antsika amin’ireo loza ara-panahy sy ara-batana Izy.

Ny Fanahy Masina dia hanampy antsika hamakivaky ireo olana sy fanambin’ny fiainana. Hampionona antsika Izy mandritra ireo fotoam-pitsapana sy alahelo, hameno fanantenana ao amintsika (jereo ny Môrônia 8:26). Afaka mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra antsika isika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Fandalinana ny soratra masina

Ny toetoetry ny Fanahy Masina

Ireo fitahiana sy fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina

Ny maha-zava-dehibe ny fanomezana ny Fanahy Masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Sary
I Jesoa mihazona zazakely

Maharitra hatramin’ny farany

Rehefa atao batisa sy raisina ho mpikambana isika dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika. Ankoatra ireo zavatra hafa, dia mampanantena isika ny hitandrina ny didiny sy hanompo Azy mandritra ny androm-piainantsika sisa (jereo ny Môzià 18:8–10, 13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37).

Rehefa tafiditra ao amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana isika dia manao izay ezaka rehetra azo atao mba hijanonana ao amin’izany. Rehefa tafala teo amin’ilay lalana isika, na dia kely fotsiny aza, dia mampihatra finoana an’i Krisy ho amin’ny fibebahana. Ny fitahian’ny fibebahana dia manome fahafahana antsika hiverina eo amin’ny lalan’ny filazantsara sy hihazona ireo fitahian’ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra. Rehefa tena mibebaka amin-kitsim-po isika dia vonona ny hamela antsika foana sy handray antsika indray Andriamanitra.

Ny faharetana hatramin’ny farany dia midika hoe mitoetra ho mahatoky an’ Andriamanitra hatramin’ny fiafaran’ny fiainantsika, na ao anatin’ireo fotoana tsara mora na ao anatin’ireo fotoana sarotra, na ao anatin’ny firoboroboana na ao anatin’ny fahoriana. Mamela amim-panetrentena an’i Kristy isika mba hamolavola antsika sy hanao izay hitoviantsika kokoa Aminy. Mibanijina an’i Kristy amin’ny finoana sy fahatokiana ary fanantenana isika, na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainantsika.

Ny faharetana hatramin’ny farany dia tsy midika tsotra fotsiny hoe miaritra mandra-pahafatintsika. Fa midika kosa izany hoe mampifantoka ny fiainantsika sy ny eritreritsika ary ny zavatra ataontsika amin’i Jesoa Kristy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanohizana mampihatra finoana an’i Kristy isan’andro. Manohy mibebaka ihany koa isika, mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra, ary mikatsaka ny fiarahana amin’ny Fanahy Masina.

Tafiditra ao anatin’ny faharetana hatramin’ny farany ny hoe “mibosesika [m]androso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy, amin’ny [fananana] fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra.” Mampanantena ny Ray any An-danitra fa rehefa maharitra hatramin’ny farany isika dia “hahazo ny fiainana mandrakizay” (2 Nefia 31:20).

Fandalinana ny soratra masina

Maharitra hatramin’ny farany

Ireo fitahiana azon’ireo izay maharitra

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Sujets de l’Évangile: “Adversité

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina: “Maharitra,” “Fahoriana

Sary
fianakaviana mitsikitsiky

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mitahy ny zanak’ Andriamanitra rehetra

Natao ho an’ny zanak’Andriamanitra rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mampianatra ny soratra masina fa “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra” na inona na inona fiaviantsika na toe-javatra iainantsika. Manasa “ ny rehetra Izy hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny fahatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy” (2 Nefia 26:33).

Mitahy antsika mandritra ny fiainantsika eto an-tany sy mandritra ny fiainana mandrakizay ny filazantsara. Azo inoana fa ho sambatra kokoa isika, ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, rehefa miaina araka ireo fampianaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Môzià 2:41; “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” ChurchofJesusChrist.org). Ny fiainana ny filazantsara dia mampitombo ny fifaliantsika, manolo-kevitra antsika ao anatin’ireo zavatra ataontsika, ary mampatanjaka ireo fifandraisantsika.

Ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia afaka miaro antsika ihany koa amin’ny fanaovana safidy izay handratra antsika ara-batana na ara-panahy. Manampy antsika hahita tanjaka sy fampiononana mandritra ny fotoana hisian’ny fitsapana sy ny alahelo izany. Manome antsika ny lalana mitondra mankamin’ny fiainana mandrakizay feno fifaliana izany.

Isan’ireo hafatra lehibe ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ny hoe anisan’ny fianakavian’ Andriamanitra avokoa isika rehetra. Zanakalahy sy zanakavavy malalany isika. Na inona na inona toetoetry ny fianakaviantsika ety an-tany, isika tsirairay dia mpikambana ao amin’ny fianakavian’ Andriamanitra.

Anisan’ny ampahany lehibe amin’ny hafatra entintsika ny hoe afaka ny ho tafaray mandrakizay ny fianakaviana. Ny fianakaviana dia tendrin’Andriamanitra. Ny drafitra masin’ny fahasambarana an’ny Ray any An-danitra no ahafahan’ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana hitohy any ankoatry ny fasana. Ny ôrdônansy sy fanekempihavanana masina any amin’ny tempoly no hahafahan’ny fianakaviana ho tafaraka mandrakizay.

Amin’ny alalan’ny fahazavan’ny filazantsara, ny fianakaviana dia afaka mamaha ireo tsy fifankahazoana sy fifandirana ary olana. Ny fianakaviana rotidrotehin’ny fifandirana dia afaka ny ho sitranina amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny famelana ary ny finoana ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manampy antsika hanana fifandraisana ao amin’ny fianakaviana matanjaka kokoa. Ny tokantrano no toerana tsara indrindra hampianarana sy hianarana ireo fitsipiky ny filazantsara. Ny tokantrano miorina amin’ireo fitsipiky ny filazantsara dia ho toeram-pialofana sy toeram-piarovana. Ho toerana azo ipetrahan’ny Fanahin’ny Tompo izany.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Drafi-pampianarana fohy mankany amin’ny drafi-pampianarana antonontonony

Ity rindran-damina manaraka ity dia santionany amin’ny zavatra azonao ampianarina olona iray raha toa ka tsy manana afa-tsy fotoana fohy ianao. Rehefa mampiasa ity rindran-damina ity dia mifidiana fitsipika iray na maromaro hampianarina. Ny fototra ara-potopampianarana ho an’ny fitsipika tsirairay dia omena mialoha ao amin’ny lesona.

Rehefa mampianatra ianao dia mametraha fanontaniana ary mihainoa. Manaova fanasana izay hanampy ny olona hianatra ny fomba hanakaikezana kokoa an’ Andriamanitra. Ny fanasana manan-danja iray atao dia ny mba hihaonan’ilay olona aminao indray. Ny halavan’ny lesona dia hiankina amin’ny fanontaniana apetrakao sy ny fihainoana ataonao.

Sary
misiônera mampianatra vehivavy

Inona no azonao ampianarina ny olona ao anatin’ny 3–10 minitra

  • Nandefa ilay Zanaka Malalany, Jesoa Kristy, ho ety an-tany ny Ray any An-danitra mba hanavotra antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana.

  • Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia fitsipika mifono asa sy hery. Ny finoana dia manampy antsika hahazo ny hery mampatanjaky ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika.

  • Mitarika antsika ho amin’ny fibebahana ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny fibebahana dia ilay dingan’ny fitodihana amin’ Andriamanitra sy fialana amin’ny fahotana. Rehefa mibebaka isika, dia miova mba hifanaraka kokoa amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ny zavatra ataontsika sy ny faniriantsika ary ny eritreritsika.

  • Rehefa mibebaka isika dia mamela antsika Andriamanitra. Azo tanterahina ny fibebahana satria nanao sorona fanavotana ho an’ny fahotantsika i Jesoa Kristy.

  • Mizara roa ny batisa: ny batisa amin’ny rano sy ny batisa amin’ny Fanahy Rehefa atao batisa sy raisina ho mpikambana isika dia voadio amin’ny fahotantsika, ka izany dia manome fiaingana vaovao ho antsika eo amin’ny fiainantsika.

  • Aorian’ny batisa amin’ny rano dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fandraisana ho mpikambana.

  • Rehefa manaraka amim-pahatokiana ny lalan’ny filazantsara hatrany amin’ny fiafaran’ny fiainantsika isika, dia mampanantena Andriamanitra fa hahazo ny fiainana mandrakizay isika.