Boky torolalana sy antso
2. Fanohanana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana


“2. Fanohanana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“2. Fanohanana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
sarina fianakaviana

2.

Fanohanana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana

2.0

Teny fanolorana

Amin’ny maha-mpitarika anao ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia manohana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ianao rehefa manatanteraka ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana (jereo ny 1.2). Ny tanjona faratampon’ity asa ity dia ny hanampy ireo zanak’ Andriamanitra rehetra hahazo ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay sy fahasambarana sesehena.

Ny ankamaroan’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia tanterahina amin’ny alalan’ny fianakaviana. Ho an’ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana dia mifototra ao an-tokantrano ity asa ity. Ity toko ity dia hanampy anao hahatakatra:

  • Ny anjara toeran’ny fianakaviana eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra.

  • Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ao an-tokantrano.

  • Ny fifandraisana misy eo amin’ny tokantrano sy ny Fiangonana.

2.1

Ny anjara toeran’ ny fianakaviana eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra

Ny fianakaviana dia tendrin’ Andriamanitra, ary fototry ny drafiny. Isika tsirairay “dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra [manana] toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Isan’ny fianakavian’izy ireo isika. Niara-niaina tamin’izy ireo isika talohan’ny nahaterahantsika teto an-tany.

Anisan’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny nametrahany fianakaviana teto an-tany. Ny tanjony amin’ny fianakaviana dia ny hitondra fahasambarana ho antsika. Ny fianakaviana dia manolotra fahafahana hianatra, sy hivoatra, sy hanompo, sy hibebaka ary hamela heloka. Afaka manampy antsika izy ireo hiomana ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Eo amin’izao fiainana izao dia olona maro no voafetra ny fahafahany miaina ao anatina fifandraisan’ny mpianakavy feno fitiavana. Tsy misy fianakaviana tsy misedra olana na fanaintainana na fahoriana izany. Ireo olona tsirairay sy ireo fianakaviana dia mampihatra finoana an’ny Tompo ary miezaka miaina araka ireo fahamarinana izay nambarany mikasika ny fianakaviana. Nampanantena ny Mpamonjy fa hanampy Izy eo amin’ny fizakana ny enta-mavesatr’ireo rehetra izay manatona Azy (jereo ny Matio 11:28–30).

Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana dia miantoka fa ny zanany rehetra dia hanana fahafahana hanaiky ny filazantsarany sy handray ireo fitahiany lehibe indrindra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–10). Ireo rehetra izay manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy mitandrina izany dia afaka miaina fifaliana sy “fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary, fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23; jereo koa ny Môzià 2:41).

Ny fampanantenan’ Andriamanitra fianakaviana mandrakizay dia ahitana fanambadiana mandrakizay sy zanaka ary ireo fitahiana hafa rehetra ao amin’ny fianakaviana mandrakizay. Io fampanantenana io dia mihatra amin’ireo izay tsy manambady amin’izao fotoana izao na tsy manana fianakaviana ao amin’ny Fiangonana (jereo ny 38.1.4). Azo antoka ny fahazoana ireo fitahiana ireo ho an’ireo rehetra izay miezaka miaina fiainana amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy.

2.1.1

Fianakaviana mandrakizay

Ny fianakaviana mandrakizay dia miorina rehefa misy mpikamban’ny Fiangonana manao fanekempihavanana eo am-pandraisany ireo ôrdônansin’ny famehezana ao amin’ny tempoly. Ireo fitahian’ny fianakaviana mandrakizay dia tanteraka rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana ireo ny mpikambana ary mibebaka raha toa ka solafaka. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manampy ireo mpikambana hiomana handray ireo ôrdônansy ireo ary hanaja ny fanekempihavanany.

Ny olona tsirairay dia mety hanana anjara toerana maro ao anatina fianakaviana mandrakizay. Ireo anjara toerana rehetra ao amin’ny fianakaviana dia masina sy manan-danja. Ireo anjara toerana ireo dia mety ahitana ny ray sy ny reny, zanakalahy sy zanakavavy, anabavy sy rahavavy ary anadahy sy rahalahy, nenitoa sy dadatoa, ary renibe sy raibe. Ny fanatanterahana ireo anjara toerana ireo amim-pitiavana dia manampy ireo zanak’ Andriamanitra hivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Lafiny fanampiny eo amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay ny fanatanterahana ôrdônansy any amin’ny tempoly izay hahafahan’ireo mpikambana ho voafehy amin’ireo razambeny efa nodimandry.

Rehefa mahatakatra ny drafitr’ Andriamanitra ireo mpikambana dia mikatsaka ireo fitahiana noho ny fananana fianakaviana mandrakizay.

2.1.2

Ny mpivady

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tendrin’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15). Ny mpivady dia natao hiara-hivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny 1 Korintiana 11:11).

Anisan’ny fepetra takina hahazoana ny fiainana mandrakizay ny tokony hidiran’ny lehilahy sy vehivavy iray ao amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana selestialy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131: 1–4). Manao izany fanekempihavanana izany ny mpivady iray rehefa mandray ny ôrdônansin’ny famehezana fanambadiana ao amin’ny tempoly. Io fanekempihavanana io no fototry ny fianakaviana mandrakizay. Raha tandremana amim-pahatokiana izy io dia mahatonga ny fanambadian’izy ireo haharitra mandrakizay. Amin’ny farany izy ireo dia afaka ny ho tonga tahaka an’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20).

Nandidy ireo mpivady ny Tompo mba hifampifikitra (jereo ny Genesisy 2:24; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22). Amin’io sahan-kevitra io, ny teny hoe mifikitra dia midika hoe: manolotena sy mahatoky tanteraka amin’ny olona iray. Mifampifikitra ny olon-droa mpivady amin’ny alalan’ny fifankatiavana sy fifanompoana.

Tafiditra ao anatin’ny fifampifikirana ny fifanajana tanteraka eo amin’ny mpivady. Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia natao ho tsara sy masina. Tendrin’ Andriamanitra izany mba hahariana ireo zanaka sy ho fanehoam-pitiavana eo amin’ny mpivady. Fitiavana sy fifanajana, fa tsy fitiavan-tena, no tokony hibaiko ny fifandraisan’izy ireo eo amin’ny ara-nofo.

Nandidy Andriamanitra fa ny firaisana ara-nofo dia natokana ho an’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Ny fitandroana ny fahadiovana ara-nofo mialoha ny fanambadiana sy ny fahatokiana tanteraka ao anatin’ny fanambadiana dia manampy ny olona ho tena sambatra ary misoroka ny ratra ara-panahy sy ara-pihetseham-po ary ara-batana. Entanina ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hanao izay rehetra vitany mba hanamafisana io fampianarana io. (Jereo ny 38.6.5.)

Mikatsaka ny ho iray ny mpivady eo amin’ny fanorenana ny fianakaviany (jereo ny Genesisy 2:24). Ny firaisan-kina eo amin’ny fanambadiana dia mitaky fiaraha-miasa feno sy andraikitra iraisana. Mitovy lenta eo imason’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy mpivady. Tsy tokony hanjakazaka amin’ilay iray hafa ny iray. Ny fanapahan-kevitr’izy ireo dia tokony horaisina ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fitiavana, ka samy mandray anjara feno izy roa.

Naneho ohatra i Adama sy i Eva ho an’ireo mpivady. Niara-niasa sy niara-nivavaka izy ireo ary niara-nitsaoka (jereo Mosesy 5:1, 4). Nampianarin’izy ireo ny filazantsara ny zanak’izy ireo ary niara-nalahelo izy ireo noho ny fitsapana nahazo azy ireo (jereo ny Mosesy 5:12, 27). Niray hina izy ireo sady niray hina tamin’ Andriamanitra.

2.1.3

Ray aman-dreny sy zanaka

Ny didin’ Andriamanitra voalohany nomena an’i Adama sy i Eva amin’ny maha-mpivady azy ireo dia ny hanana zanaka (jereo ny Genesisy 1:28). Ireo mpaminanin’ny andro farany dia nampianatra fa “ny didin’ Andriamanitra ho an’ny zanany mba hitombo ka hameno ny tany dia mbola manan-kery” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:16–17).

Tombontsoa sy andraikitra masina ho an’ny mpivady ny hikarakara ireo zanaka izay ho aterak’izy ireo na hatsangan’izy ireo. Ireo ray aman-dreny manangan-jaza dia mahazo fitahiana sy andraikitra mitovy amin’ireo ray aman-dreny niteraka.

Ny mpivady feno fitiavana dia miara-manolotra ny sehatra tsara indrindra hitaizana sy hamelomana ireo zanaka. Ny toe-javatra manokana dia mety hanakana ny ray aman-dreny hiara-hitaiza ny zanak’izy ireo. Na izany aza dia hotahian’ny Tompo izy ireo rehefa mikatsaka ny fanampiany sy miezaka mitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo taminy.

Manana andraikitra tena manan-danja ireo ray aman-dreny hanampy ny zanak’izy ireo hiomana handray ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay. Mampianatra ny zanany izy ireo hitia sy hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa (jereo ny Matio 22:36–40). Mampianatra azy ireo izy ireo hivavaka amin’ny Ray any An-danitra sy handalina ny tenin’ Andriamanitra (jereo ny Almà 37:36–37, 44–46). Manampy ny zanak’izy ireo izy ireo hahatakatra ny fotopampianaran’ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa, ary ny fanomezana ny Fanahy Masina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25). Manampy azy ireo koa izy ireo hiomana hanao fanekempihavanana eo am-pandraisana ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

“Ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviany” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”). Raha tsy misy ray ao an-tokantrano dia ny reny no miahy ny fianakaviana.

Ny fiahiana ny fianakaviana dia andraikitra hanampy hitarika ireo olona ao amin’ny fianakaviana hiverina honina eo anatrehan’ Andriamanitra. Izany dia tanterahina amin’ny fanompoana sy fampianarana amim-katsaram-panahy sy ny halemem-panahy ary amin’ny fitiavana madio, manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy (jereo ny Matio 20:26–28). Ny fiahiana ny fianakaviana dia ahitana ny fitarihana ireo olona ao amin’ny fianakaviana amin’ny fanaovana tsy tapaka vavaka sy fandalinana filazantsara ary ireo endrika fitsaohana hafa. Miasa ao anatin’ny firaisan-kina ireo ray aman-dreny rehefa manatanteraka ireo andraikitra ireo.

“Ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”). Ny hoe mitaiza dia midika hoe mamahana sy mampianatra ary manohana, sady manaraka ny ohatry ny Mpamonjy (jereo ny 3 Nefia 10:4). Miray hina amin’ny vadiny ny reny ka manampy ny fianakaviany hianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara ary hitombo finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Izy ireo dia miaraka manome tontolo iray feno fitiavana ao amin’ny fianakaviana.

“Manoloana izany andraikitra masina izany, ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”). Mifanakalo hevitra amim-bavaka izy ireo ary mila hevitra amin’ny Tompo.

Sary
raim-pianakaviana mampianatra ny fianakaviany

2.2

Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ao an-tokantrano

Hoy ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ny tokantrano no fototry ny fiainana feno fahamarinana” (Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 11 feb. 1999). Any an-tokantranony ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mirotsaka amin’ny fanampiana an’ Andriamanitra amin’ny fanatanterahana ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

Mba hanampiana ireo mpikambana amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana any an-tokantrano, dia amporisihin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy ireo hanorina tokantrano hitoeran’ny Fanahy. Mamporisika ny mpikambana koa izy ireo hanaja ny andro Sabata, handalina sy hianatra ny filazantsara any an-trano, ary hanao takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro. Antitranterin’ireo mpitarika manokana ny fanohanana ireo olona izay mety tsy mahazo fanampiana sy fampaherezana avy amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana.

2.2.1

Tokantrano itoeran’ny Fanahy

Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia amporisihina hanao izay hahatonga ny tokantranon’izy ireo ho toeran’ny tanjaka ara-panahy sy ny fifaliana. Afaka manasa ny Fanahin’ny Tompo ho ao an-tokantrano izy ireo amin’ny alalan’ny ezaka tsotsotra maromaro.

2.2.2

Ny fitandremana ny andro Sabata

Nodidian’ Andriamanitra ireo zanany “[hahatsiaro] ny andro Sabata hanamasina azy” (Eksodosy 20:8). Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia miara-mivory rehefa Sabata mba handray ny fanasan’ny Tompo hahatsiarovana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:12). Ny Sabata dia andro hianarana sy hampianarana ny filazantsara any am-piangonana sy any an-tokantrano. Afaka mahazo hery ireo mpikambana amin’ny Sabata rehefa mirotsaka amin’ny karazana zavatra atao toy ny:

  • Fitsaohana ataon’ny tena manokana amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadian-kanina.

  • Fandalinana sy fianarana ny filazantsara.

  • Fanompoana ny hafa.

  • Tantaram-pianakaviana.

  • Fotoam-pifaliana hiarahan’ny mpianakavy.

  • Fiaraha-mivory mendrika hafa.

2.2.3.

Fandalinana sy fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano

Ny fampianarana sy ny fianarana ny filazantsara dia mifototra ao an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mamporisika ny mpikambana rehetra handalina ny filazantsara ao an-tokantrano amin’ny andro Sabata ary mandritra ny herinandro. Ny fandalinana ny filazantsara ao an-tokantrano dia manamafy orina ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Maha-lalim-paka ny fiovam-po ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo izany.

Ny fandalinana ny soratra masina araka izay nohazavaina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana no fandaharam-pianarana aroso handalinana ny filazantsara ao an-tokantrano.

Ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mikatsaka fitaomam-panahy rehefa misafidy ny handalina izay tena mifanaraka tsara amin’izay ilain’izy ireo. Ankoatra ireo andalan-tsoratra masina atolotra ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy, dia azon’izy ireo dinihina amim-bavaka ny handalinana:

  • Ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina hafa.

  • Hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

  • Ireo gazetibokin’ny Fiangonana sy boky hafa izay manefy.

2.2.4

Takariva ao an-tokantrano sy fiaraha-mientana hafa

Ireo mpaminanin’ny andro farany dia nanoro hevitra ireo mpikamban’ny Fiangonana hanao takariva ao an-tokantrano isan-kerinandro. Fotoana masina izy io hahafahan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mianatra ny filazantsara, manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona, manorina ny firaisan-kina, ary mankafy ny fahafahana miaraka.

Ny takariva ao an-tokantrano dia azo rafetina araka ny toe-javatra iainan’ny mpikambana. Azo atao ny Sabata izany na amin’ny andro sy fotoana hafa. Izany dia mety ahitana:

  • Fandalinana sy fampianarana ny filazantsara (azo ampiasaina araka izay ilaina ireo fitaovana Avia, hanaraka Ahy).

  • Fanompoana ny hafa.

  • Mihira sy mitendry fihirana sy hiran’ny Kilonga (jereo ny toko 19).

  • Manohana olona ao amin’ny fianakaviana amin’ny Children and Youth development.

  • Filankevitry ny mpianakavy hametrahana tanjona, sy hamahana olana, ary handrindrana tetiandro.

  • Fiaraha-mientana hialana voly.

Ireo mpikambana tokantena sy ny hafa dia afaka mivondrona miaraka ivelan’ny fanompoam-pivavahana mahazatra amin’ny Sabata mba handraisana anjara amin’ny takariva ao an-tokantrano sy hifanamafy orina amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara. Ny Avia, hanaraka Ahy dia afaka ny ho loharanom-pitaovana ho an’ireo izay maniry ny hiara-handalina.

Mba hanomezana fotoana ahafahan’ireo fianakaviana miaraka, dia tokony hotandrovan’ireo mpitarika ny tsy hanaovana fivoriam-piangonana na fiaraha-mientana ny alatsinainy hariva.

Mamporisika ireo mpikambana ny mpitarika hahavatra tsy hanapatapaka ny fanaovana ny takariva ao an-tokantrano sy ny fanokanana fotoana hiarahan’ny mpianakavy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33). Izany dia mety ahitana sakafo hiarahana, fiaraha-miasa sy fiaraha-manompo, ary ireo fiaraha-mientana hialana voly.

2.2.5

Fanohanana ny isam-batan’olona

Manampy ireo mpikambana izay mila fanohanana fanampiny ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ampian’ireo mpitarika izy ireo sy ny fianakaviany mba hanana fahafahana hifandray amin’olona sy hanana traikefa ara-tsosialy mahasoa, ary fitomboana ara-panahy. Amporisihin’ireo mpitarika sy ampiany izy ireo eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Omen’ireo mpitarika fahafahana ihany koa izy ireo hanompo ao amin’ny Fiangonana.

Sary
mpivady mihomehy

2.3

Ny fifandraisana misy eo amin’ny tokantrano sy ny Fiangonana

Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia mifototra ao an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana. Ireto fitsipika manaraka ireto no mihatra eo amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny tokantrano sy ny Fiangonana.

  • Ireo mpitarika sy ireo mpampianatra dia manome voninahitra ny anjara toeran’ireo ray aman-dreny ary manampy azy ireo. Ireo mpitarika sy ireo mpampianatra dia manorina ary mikolokolo fifandraisana mahomby miaraka amin’ireo ray aman-dreny.

  • Ny fivoriam-piangonana sasantsasany dia tena manan-danja any amin’ny paroasy sy sampana tsirairay. Anisan’izany ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo fivorian’ny kilasy sy kôlejy izay atao isaky ny Sabata. Maro amin’ireo fivoriana sy fiaraha-mientana ary fandaharan’asa hafa no tsy tena manan-danja. Mandamina azy ireny araka izay ilaina ireo mpitarika mba hanomezana fahafaham-po ny filan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Mila mandinika ny toe-java-misy sy ny loharano misy eo an-toerana ireo mpitarika.

  • Ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia mandinika ny toe-javatra iainany rehefa mandray fanapahan-kevitra mikasika ny handraisany anjara na tsia amin’ireo fandaharan’asan’ny Fiangonana izay tsy tena manan-danja.

  • Hotahian’ny Tompo ireo mpikambana rehefa manompo sy mahafoy tena ao amin’ny Fiangonany. Na izany aza anefa, ny habetsaky ny fotoana atokana ho an’ny fanompoana ao amin’ny Fiangonana dia tsy tokony hanelingelina ny fahafahan’ny mpikambana manatanteraka ny andraikitr’izy ireo any an-tokantrano sy any am-piasana ary any amin’ny toeran-kafa. Ireo mpitarika sy ireo mpikambana dia tsy tokony hovesarana andraikitra be loatra ao amin’ny Fiangonana. Ary tsy tokony hotakiana hanao fahafoizan-tena mihoa-pampana hanohanana fandaharan’asa na fiaraha-mientan’ny Fiangonana izy ireo.

Rehefa manaraka ireo fitsipika ireo sy ny fitaomana avy amin’ny Fanahy ireo mpikambana dia hotahian’ny Ray any An-danitra ny ezaka ataon’izy ireo.