Seminera
Lioka 24:1–12, 36–48


Lioka 24:1–12, 36–48

Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty

Sary
Fasana foana nisy an’i Jesoa Kristy - tao Goshen, Utah

Taorian’ny fandevenana ny Mpamonjy dia nitondra zava-manitra tany amin’ny fasana ireo mpianatra mahatoky. Ho solon’ny fahitana ny vatana mangatsika an’ny Mpamonjy, dia nahita fasana foana izy ireo. Nanambara ireo anjely fa efa nitsangana ny Tompo. Afaka kelikely tamin’io alina io, rehefa niara-nivory ireo mpianatra dia niseho tamin’izy ireo Izy ary nampiseho azy ireo ny vatany efa nitsangana tamin’ny maty. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao.

Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty

Diniho ny sarin’ny fasana foana nisy an’i Jesoa Kristy izay hita any am-piandohan’ity lesona ity, ary saintsaino ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no hevitr’io sary io aminao?

1. Saintsaino ny zavatra fantatrao momba ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao amin’ny alalan’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Hanana fahafahana hamerina hijery ireo fanontaniana ianao any amin’ny fiafaran’ny fandalinanao androany.

  • Inona no fantatrao momba ny fitsanganana amin’ny maty?

  • Miantraika aminao manokana amin’ny fomba ahoana ny fahalalanao sy ny finoanao momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty?

Rehefa avy nanome ny ainy an-tsitra-po teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa Kristy dia nalaina ny vatany ary nofonosina tao anatina lamba madio vita amin’ny hariry madinika ary napetraka tao amin’ny fasana iray. Taorian’ny Sabata dia niverina tany am-pasana vao maraina i Maria Magdalena sy ireo vehivavy mahatoky vitsivitsy (jereo ny Lioka 24:10; Jaona 20:11–18).

Vakio ny Lioka 24:1–12, ary tadiavo ny zavatra hitan’izy ireo sy nianarany raha mbola teo amin’ny fasan’ny Mpamonjy izy ireo.

  • Inona araka ny eritreritrao no neritreretin’ireo mpianatra sy ny zavatra tsapan’izy ireo taorian’ny zavatra izay hitany sy reny?

Fotoana fohy taorian’io zavatra niainany io dia niseho tamin’ny mpianatra roa teny amin’ny lalana nankany Emaosy i Jesoa Kristy (jereo ny lioka 24:13–32). Niverina tany Jerosalema izy ireo mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ireo Apôstôly (jereo ny Lioka 24:33–35).

Vakio ny Lioka 24:36–48 mba hikarohana ny zava-nitranga rehefa tafavory ireo mpianatr’i Jesoa mba hifanakalo hevitra momba ny fisehoan’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty.

azonao atao ny mijery ny horonantsary “Le Seigneur Jésus Christ ressuscité apparaît aux apôtres” (2:19), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny Lioka 24:36–39 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Hianatra bebe kokoa mikasika io andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io ianao ao amin’ny lesona manaraka.

  • Inona no manaitra anao ao amin’ireo andininy ireo avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ireo mpianany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no “Fiadanana ho anareo” no anisan’ireo teny voalohany izay nolazain’ny Mpamonjy tamin’izy ireo? (Lioka 24:36).

  • Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo momba ny hoe iza moa ny Mpamonjy ary inona no tiany ho takatry ny mpianany?

Mampitombo ny fahatakaranao ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe i Jesoa Kristy dia manana vatana nofo sy taolana nitsangana tamin’ny maty.

  • Inona no dikan’ny hoe mitsangana amin’ny maty?

Ny fitsanganana amin’ny maty, “ny fitambaran’ny fanahy amin’ny vatana nofo sy taolana aorian’ny fahafatesana,” dia natao ho antsika tsirairay avy noho i Jesoa Kristy (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fitsanganana amin’ny maty,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Noho ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nataon’ny Mpamonjy izay hahafahantsika tsirairay hiaina hiaraka Aminy sy ho tonga tahaka Azy.

Saintsaino izay fanontaniana anananao momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy ny dikan’izany eo amin’ny fiainanao. Ny fanontaniana sasany izay mety anananao momba ny fotopampianaran’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia voatanisa etsy ambany. Hevero ny hanao lisitra ireto fanontaniana ireto ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

  • Nahoana no manan-danja ny hoe manana vatana nofo sy taolana i Jesoa Kristy?

  • Inona no dikan’ny Fitsanganan’i Mpamonjy tamin’ny maty eo amin’ny fiainako?

Fomba iray hitadiavana valiny amin’ireo fanontaniantsika ny mandalina ny zavatra nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôlin’ny Tompo. Ireto ambany ireto misy fampianarana sasany avy amin’ny Loholona D.Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Rehefa mandalina ireo teny ireo ianao, dia tadiavo ny valin’ny sasany amin’ireo fanontaniana anananao. Hevero ihany koa ny hitady teny fanampiny avy amin’ireo mpanompo voatendrin’ny Tompo izay mety hanampy anao.

Sary
Sarin’ny Loholona D. Todd Christofferson. Nalaina tamin’ny martsa 2020.

Eritrereto vetivety ny maha zava-dehibe ny Fitsanganana amin’ny maty eo amin’ny famahana tanteraka amin’izay, ny mahakasika ny hoe iza marina moa i Jesoa avy any Nazareta sy ny momba ireo adihevitra lehibe ara-pilôzôfia sy ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana. Raha tena nitsangana tamin’ny maty ara-bakiteny tokoa i Jesoa, dia tsy maintsy mandeha ho azy avy amin’izany ny hoe olona iray izay andriamanitra Izy. Tsy misy olona tsotra mety maty ka hanana fahefana avy amin’ny tenany hiverina ho amin’ny fiainana indray rehefa avy maty. Koa satria Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy afaka ny ho mpandrafitra fotsiny ihany i Jesoa na ho mpampianatra fotsiny, na ho raby fotsiny na ho mpaminany fotsiny. Noho Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy maintsy hoe Andriamanitra i Jesoa Kristy, dia ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray.

Noho izany, dia marina ireo zavatra izay nampianariny; tsy afaka mandainga Andriamanitra.

Noho izany, dia Izy no Mpahary ny tany araka izay nolazainy.

Noho izany, dia tena misy ny lanitra sy ny helo, araka izay nampianariny.

Noho izany, dia misy ny tontolon’ny fanahy izay novangiany taorian’ny nahafatesany.

Noho izany, dia Ho avy indray Izy araka ny nambaran’ilay anjely, ary “hanjaka eto an-tany mihitsy” [Ireo fanekem-pinoana 1:10].

Noho izany, dia misy ny Fitsanganana amin‘ny maty sy ny Fitsarana farany ho an’ny olon-drehetra.

(D. Todd Christofferson, “Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty,” Liahona, mey 2014, 113)

Raha ampy ny fotoana dia hevero ny hijerena ilay horonantsary “Il vit—Fêter Pâcques parce que Jésus Christ vit” (2:26) eo am-piomananao hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mety hanampianao ny valinteninao tamin’ireo fanontaniana tany am-piandohan’ny lesona?

  • Ahoana no hanazavanao hoe inona ny atao hoe fitsanganana amin’ny maty amin’ny olona iray izay tsy mahafantatra an’io fampianarana io?

  • Misy fiantraikany amin’ny fankasitrahanao sy ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Nahoana no manan-danja amiko ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty?

Ao amin’ilay lahateniny manao hoe “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?” Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra ny fiantraikan’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty eo amintsika tsirairay (Liahona, mey 2021, 75–77).