Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 11


Famerenana fifehezana fotopampianarana 11

Takaro ary ampiharo

Sary
Jesoa Kristy mijoro ao amin’ny Sinagoga sady mamaky ny soratra masina

Ity lesona ity dia hanampy anao hamerina hijery ireo fahamarinana hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hanampy anao hampihatra ireo fahamarinana ireo ao anatin’ny toe-javatra samihafa.

Famerenana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Makà fotoana fohy hamerenana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao. Inona avy ireo hainao tsara? Inona avy ireo tsy dia hainao loatra?

  • Inona avy ireo fahamarinana ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay tena manan-danja indrindra aminao?

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

Lioka 2:10–12

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Jaona 3:5

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Jaona 3:16

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Matio 5:14–16

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Aoka hazava eo imason’ny olona ny fahazavanareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Matio 11:28–30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Matio 16:15–19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Hoy i Jesoa: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Jaona 7:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Matio 22:36–39

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tiava ny Tompo Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Lioka 22:19–20

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Nandidy i Jesoa Kristy hoe raiso ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Jaona 17:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Lioka 24:36–39

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

Ny fomba iray hitadidiana ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina ny mampifandray azy ireny amin’ny zavatra fahita isan’andro. Misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana roa, ary avereno jerena ireo andian-teny manan-danja mifandray amin’ny tsirairay amin’izany. Avy eo dia ataovy amin’ny tsirairay amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto izao manaraka izao:

Sary
tadin-jiro fotsy
  • Manaova sary na makà sary iray ana-zavatra izay tsapanao fa mifandray amin’ireo andian-teny manan-danja ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. (Ohatra, ho an’ny Matio 5:14–16, dia azonao atao ny manao sary na maka ny sarina hazavana).

  • Manorata fanazavana fohy momba ny fomba ifandraisan’ilay zavatra amin’ny fahamarinana ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina.

Mampifandray ireo fahamarinana amin’ny fiainantsika

Ny loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fahamarinana iray izay afaka manampy antsika hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Nampianatra izy fa ny fitsipiky ny filazantsara dia “[manolotra] ilay fomba fijery sarobidy an’ilay fahamarinana mandrakizay rehefa mamakivaky ireo toe-javatra samihafa, ireo olana, ireo fanapahan-kevitra, ary ireo zavatra iainana mandritra ny fiainana an-tany isika” (“–Ireo fitsipiky ny filazantsarako,–Liahona, mey 2021, 123–24). Ireo fitsipika hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy antsika hahafantatra ny fomba hiatrehana ireo toe-javatra maro izay mety hitranga eo amin’ny fiainantsika.

1. Ataovy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa atao manaraka ity ho an’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana roa:

Fariparito ny toe-javatra iray izay ahafahan’ny olona iray mampihatra ny fahamarinana iray avy amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray nofanteninao. Hazavao ny fomba ahafahan’ny fampiharana io fahamarinana io hanampy ilay olona hahazo ny fanampian’ny Mpamonjy.

Misaintsaina momba ireo fahamarinan’ny Mpamonjy

Saintsaino ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja izay ampianarina mandritra ny tapany voalohany amin’ny taona (jereo ny tabilao izay hita tany amin’ny voalohandohan’ny lesona).

2. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

Manorata taratasy fohy ho an’ny olona iray izay hanomboka hanatrika seminera tsy ho ela ary tsy mahafantatra momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hazavao azy ireo ny fomba hanampian’ireo andinin-tsoratra masina ireo azy ireo hahafantatra bebe kokoa ny Mpamonjy sy hanome azy ireo ny valin’ireo fanontaniana sy olana izay mety hitranga eo amin’ny fiainan’izy ireo. Hevero ny hizara ohatra momba ny fotoana nitahiana anao na ny olona iray fantatrao tamin’ny alalan’ny fahafantarana sy ny fahatsiarovana ireo fahamarinan’ny Mpamonjy izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.