Seminera
Matio 28; Lioka 24; Jaona 20


Matio 28; Lioka 24; Jaona 20

Vavolombelon’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty

Sary
Maria Magdalena mifanena amin’i Kristy nitsangana tamin’ny maty.

Niseho tamin’olona maro sy andian’olona maro i Jesoa Kristy taorian’ny fitsanganany famin’ny maty. Ity lesona ity dia afaka manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa velona ny Mpamonjy rehefa mandalina ireo zavatra niainan’ny sasany amin’ireo vavolombelona ireo ianao.

Mino fa tsy nahita

Jereo ity sarin’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty izay nivoaka avy avy tao am-pasana ity. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra mety hozarainao amin’ny olona iray izay miahiahy ny amin’ny nitrangan’io tranga manan-danja io. Inona amin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty no azonao zaraina amin’izy ireo?

Sary
I Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty mivoaka avy eo amin’ilay Fasana tao an-jaridaina. Sarin’i Kristy mandingana ny fasana. Naseho an-tsary Izy manao akanjo fotsy. Voninkazo mamelana eo akaikin’ny varavaram-pasana.
  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’ny Tompo ny handraisantsika tsirairay avy fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenantsika manokana fa velona Izy?

Saintsaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny amin’ny mahavelona an’i Jesoa Kristy sy ny amin’ny fomba hitahiana anao amin’ny alalan’ny fanamafisana orina an’io fijoroana ho vavolombelona io. Ny fandalinana ny tenin’ireo izay mahafantatra fa velona ny Mpamonjy dia afaka manamafy orina ny finoantsika ny mahavelona Azy tokoa na dia miahiahy aza ireo olona hafa manodidina antsika. Rehefa mandalina ianao androany, dia aoka ianao hahatsikaritra ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina izay manamafy ny fahamarinan’ireo tantara ireo ao am-ponao sy ao an-tsainao.

Ireo vavolombelona ao amin’ny Testamenta Vaovao

1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:

Halalino farafahakeliny ny iray amin’ireto tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao manaraka ireto izay ahitana olona nahita maso ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty.

  1. Vehivavy mahatoky: Matio 28:1–10

  2. Mpianatra roa teny amin’ny lalana nankany Emaosy: Lioka 24:13–35

  3. Maria Magdalena: Jaona 20:11–18

  4. Tomasy: Jaona 20:24–29

Raketo an-tsoratra ny valinteninao amin’ireto fanontaniana roa manaraka ireto sy ireo eritreritra sy fahatsapana hafa izay mety ho tonga aminao.

  • Inona no zavatra nianaranao ka afaka manamafy orina ny finoanao fa velona i Jesoa Kristy?

  • Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy avy tamin’ny fifandraisany tamin’io olona io na ireo olona ireo?

Vavolombelona ara-tsoratra masina hafa

2. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

Ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy dia afaka ny ho mafy orina bebe kokoa amin’ny alalan’ny fandalinana vavolombelona fanampiny ao amin’ny soratra masina hafa. Mianara telo farafahakeliny amin’ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto.

  1. Ireo olona tany amerika fahiny, fotoana fohy taorian’ny nitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty: 3 Nefia 11:18–17

  2. I Joseph Smith sy i Sidney Rigdon: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24

Raketo an-tsoratra ny valinteninao amin’ireto fanontaniana roa manaraka ireto sy ireo eritreritra sy fahatsapana hafa izay mety ho tonga aminao.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny zavatra vakinao manamafy orina ny finoanao fa velona i Jesoa Kristy?

  • Inona avy ireo hevi-baovao fanampiny momba an’i Jesoa Kristy izay azonao?

Vavolombelona maoderina

Fomba iray hafa tena manan-danja mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa velona i Jesoa Kristy ny fandalinana ny fijoroana ho vavolombelon’ireo “vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23), ireo Apôstôly voatendry amin’izao androntsika izao.

Azonao atao ny mijery ny horonantsary “Venez à moi” (manomboka eo amin’ny mari-potoana 16:18 hatramin’ny 16:47) sy ny horonantsary “Le seul vrai Dieu et celui qu’Il a envoyé, Jésus Christ” (2:26), samy hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Vakio ireo teny nolazain’ny Filoha Eyring sy ny Loholona Holland, vavolombelona roa maoderina momba an’i Jesoa Kristy.

Nijoro ho vavolombelona toy izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Henry B. Eyring nalaina tamin’ny martsa 2018.

Izaho dia tena vavolombelon’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty toy ireny hoe teo aho tamin’ilay hariva niaraka tamin’ireo mpianatra roa tao amin’ilay trano teo amin’ny lalan’i Emaosy. Fantatro fa velona Izy tahaka ny nahafantaran‘i Joseph Smith izany rehefa nahita ny Ray sy ny Zanaka tao anatin’ilay hazavana niseho tao anatin‘ny maraina namirapiratra iray tao amin’ny ala kely iray tao Palmyra izy.

Ity no Fiangonana marin an’i Jesoa Kristy.

(Henry B. Eyring, Mankanesa aty Amiko,”,” Liahona, mey 2013, 25)

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Zanaka ara-bakitenin’ilay Andriamanitsika velona. … Mijoro ho vavolombelona aho fa efa nitsangana tamin’ny maty ara-bakiteny Izy, ary taorian’ny niakarany tany amin’ny Rainy mba hanatanteraka ny dingan’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia niseho, niverimberina, tamin’ireo mpianatra an-jatony tany amin’ny Tontolo Fahiny sy tany amin’ny Vaovao. Fantatro fa Izy no ilay Iray Masin’ny Isiraely, ilay Mesia izay ho avy indray andro any amin’ny voninahitra farany indray, mba hanjaka ety an-tany amin’ny mahaTompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Azy.

(Jeffrey R. Holland, “Le seul vrai Dieu et celui qu’Il a evoyé, Jésus Christ,” Liahona, Nov. 2007, 42)

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny Mpamonjy no nanome antsika vavolombelona maoderina ankoatra ireo vavolombelony fahiny?

Ny fijoroana ho vavolombelona anananao

Vakio ny Jaona 20:29, ka tadiavo ireo fahamarinana izay nampianarin’i Jesoa Kristy an’i Tomasy momba ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona.

  • Inona no ampianarin’io andinin-tsoratra masina io anao momba ny fahazoana ny fijoroana ho vavolombelona ho anao momba an’i Jesoa Kristy?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’io andininy io ny hoe voatahy isika noho ny fisafidianana ny hino fa velona i Jesoa Kristy na dia tsy nahita Azy aza isika.

Ampio ny fijoroanao ho vavolombelona manokana momba ny Mpamonjy ambonin’ireo izay nohalalininao androany. Ho fomba iray hanaovana izany dia hevero ny hirakitra an-tsoratra ireo valin’ireo fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.

  • Inona no porofo hitanao teo amin’ny fiainanao sy teo amin’ny fiainan’ny hafa fa velona i Jesoa Kristy?

  • Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona taminao ny amin’ny fisian’i Jesoa Kristy?

  • Inona no torohevitra homenao ny olona iray izay tsy mbola mahazo antoka raha toa ka mino izy ireo fa velona ny Mpamonjy?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Nahoana no nisy holatra avy tamin’ny Fanomboana Azy teo amin’ny vatan’i Jesoa izay efa nitsangana tamin’ny maty?

Nanoratra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Na dia afaka namerina tanteraka amin’ny laoniny sy nanasitrana tanteraka ireo holatra azo tamin’ny nanomboana teo amon’ny hazo fijaliana aza ny herin’ny Fananganana amin’ny maty, ary tsy isalasalana fa ho tanteraka izany indray andro any, dia nisafidy ny hitana ireo holatra ireo i Kristy noho ny tanjona iray; anisan’izany ny ho amin’ny fisehoany amin’ny andro farany amin’ny fotoana hanehoany ireo marika ireo sy hanambarany fa noratraina “tao an-tranon’ny saikaiza[ny] Izy” [Zakaria 13:6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:52].

Ireo holatra eo amin’ny tanany sy ny tongony ary eo amin’ny lanivoany dia famantarana fa mandritra ny fiainana an-tany dia niharan’ny zavatra maharary na dia ilay madio sy tanteraka aza, famantarana fa ny fahoriana dia tsy porofo hoe tsy tia antsika Andriamanitra. Zava-dehibe sy mahavelom-panantenanana ny hoe ilay Kristy naratra no tonga hanavotra antsika.

(Jeffrey R. Holland, Christ and the New Covenant [1997], 258–59)

Jaona 20:17. Inona no tian’ny Mpamonjy nolazaina rehefa niangavy an’i Maria Magdalena Izy hoe “aza manendry [Azy]”?

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sarin’ny Loholona Bruce R. McConkie hatreo amin’ny soroka.

Ny Baiboly dikanteny King James dia milaza fa i Jesoa dia niteny hoe “Aza manendry Ahy.” Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia mivaky hoe: “Aza mihazona ahy.” Ny dikanteny samihafa avy amin’ny Teny Grika dia mandika ilay andinin-tsoratra masina hoe “Aza mifikitra amiko” na “Aza mitazona ahy.” Ny sasany dia manome ny dikan’ny hoe “Aza mifikitra amiko intsony,” na “aza mitazona ahy intsony.” Ny sasany dia miresaka ny hoe fitsaharana amin’ny fihazonana na fifikirana aminy, ka mamela ilay fiheverana fa efa nitazona Azy i Maria. Misy antony manan-kery ny fiheverana fa ilay hafatra nampitain’ilay Tompo nitsangana tamin’ny maty tamin’i Maria dia ny hoe: “Tsy afaka ny hihazona ahy eto ianao satria handeha hiakatra any amin’ny Raiko aho.”

(Bruce R. McConkie, The Mortal Messiah: From Bethlehem to Calvary [1981], 4:264)

Inona avy ireo horonantsary misy izay afaka manampy ahy haka sary an-tsaina ny tantaran’ny fisehoan’ny Mpamonjy izay efa nitsangana tamin’ny maty?

Azonao atao ny mijery ireto horonantsary manaraka ireto (hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org): “Jésus est ressuscité” (4:05)

Le Christ apparaît la route d’Emmaus” (3:32)

Heureux ceux qui n’ont pas vu, et qui ont cru” (2:29)