Seminera
Tombano ny fianaranao 6


Tombano ny fianaranao 6

Matio 26–28; Marka 14–16; Lioka 22–24; Jaona 13–21

Sary
Zatovolahy sy zatovovavy manatrika kilasy Seminera maraina any Argentine.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tombatombana ireo tanjona napetrakao sy ny fivoaranao manokana nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao.

Tiavo amin’ny fonao rehetra Andriamanitra

Manaova sary fo iray ao amin’ny diary fandalinanao. Tanisao ao anatiny na manodidina ilay fo ny zavatra izay nianaranao na tsapanao momba ny Mpamonjy ka nampitombo ny fitiavanao Azy. Raha azo atao, dia manontania namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana ny zavatra tiany momba ny Mpamonjy, ary ampidiro ao amin’ny lisitrao izany. Valio eo ambanin’ilay sarina fo izay nataonao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Nanosika anao hiezaka hitia kokoa ny Ray ny An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny fomba ahoana ny fianarana misimisy kokoa momba ny fitiavan’ Izy Ireo anao?

  • Nanampy anao hampitombo ny fitiavanao ny olona hafa tamin’ny fomba ahoana ny fahatakaranao ny fitiavan’ Izy Ireo anao?

Tsarovy fa ny Mpamonjy dia nampianatra fa amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy no anehoantsika ny fitiavana Azy (jereo ny Jaona 14:15). I Jesoa Kristy dia nanome ohatra tonga lafatra amin’ny fanehoana fitiavana ny Ray any An-danitra tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny didy rehetra (jereo ny Jaona 14:31).

Rehefa avy nandalina ny Jaona 14:15 ianao, dia mety ho nanoratra tao anatin’ny diarinao mikasika ny fanirianao mba hitandrina ny didy sy ny antony manosika anao, na ny antony anaovanao izany. Raha izany no nataonao, dia avereno jerena ny zavatra izay nosoratanao.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra tsapanao momba ny fanirianao sy ny antony manosika anao amin’izao fotoana hitandrina ireo didy mba hanehoana ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Ampitahao ny fanirianao sy ny antony manosika anao ankehitriny amin’izay tany am-piandohan’ny taom-pianarana.

  • Inona no fiovana tsikaritrao teo amin’ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa nandalina ny Testamenta Vaovao ianao? Raha nahatsikaritra fiovana ianao, inona araka ny eritreritrao no nahatonga ireo fiovana ireo?

  • Moa ve mbola misy fiovana fanampiny tsapanao fa mila atao mba hanehoana na hampitomboana ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy: Hanao ahoana ny fiainanao raha tsy nisy izany?

Eritrereto ny zavatra izay nianaranao avy amin’ny Testamenta Vaovao momba ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy. Saintsaino vetivety ny lanjan’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony ho anao manokana. Diniho hoe mety ho nanao ahoana ny fiainanao raha tsy nisy azy ireo.

Sary
Sary maneho an’i Jesoa mivavaka eo amin’ny Sahan’i Getsemane, manatanteraka ny Sorompanavotana.

Rehefa avy naka fotoana hisaintsainana ianao dia soraty izao ny eritreritrao sasany amin’ny alalan’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto. Asio antsipirian-javatra manan-danja ny valin-teninao, ary ampidiro ireo andinin-tsoratra masina izay nisy fiantraikany taminao momba ny sorona nataon’ny Jesoa Kristy.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao fanontaniana manaraka ireto:

  • Mety ho ahoana ny fiainanao raha toa ka tsy nijaly ho anao tao Getsemane ary tsy maty ho anao teo amin’ny hazofijaliana tao Kalvary ny Mpamonjy?

  • Mety ho ahoana ny fiainanao raha toa ka tsy nandresy ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny Fitsanganany tamin’ny maty tamim-boninahitra i Jesoa Kristy?

  • Inona no zavatra mety hitranga amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra raha tsy nisy ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy?

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard, izay Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004.

Soa ihany fa, nanatanteraka tamin-kerim-po io sorona io tao Jerosalema fahiny i Jesoa Kristy. … Nanaiky an-tsitrapo ny hijaly i Jesoa mba hahafahantsika rehetra ho voadio—amin’ny alalan’ny finoana Azy, fibebahana amin’ny fahotantsika, fanaovana batisa amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana araka ny tokony ho izy, fahazoana ny fanomezana manadion’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fanamafisana ho mpikambana, ary ny fanekena ireo ôrdônansy rehetra hafa ilaina. Raha tsy nisy ny Sorompanavotan’ny Tompo, dia tsy ho nisy azontsika ireo fitahiana ireo, ary tsy afaka ny ho lasa mendrika sy vonona ny hitoetra indray eo anatrehan’ Andriamanitra isika.

(M. Russell Ballard, “L’Expiation et la valeur d’une seule âme,” Liahona, mey 2004, 85)

Mizara ny vaovao mahafalin’i Jesoa Kristy

Rehefa avy nandinika ny maha-zava-dehibe ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa Kristy ianao dia vakio ity teny manaraka izay nataon’ny Filoha Russell M. Nelson.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Ny teny hoe filazantsara dia midika hoe “vaovao mahafaly.” Ny vaovao mahafaly dia i Jesoa Kristy Tompo sy ny hafatry ny famonjena omeny. Ho an’i Jesoa dia tafiditra ao amin’ny filazantsarany ny asa nanirahana Azy sy ny fanompoana nataony tety an-tany.

(Russell M. Nelson, “Les missionnaires d’âge mûr et l’Évangile;” Liahona, nov. 2004, 81)

3. Ataovy ao anaty diary fandalinanao ity sahanasa manaraka ity:

Inona no vaovao mahafaly izay tianao hozaraina amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy sy ny asa masina nanirahana Azy? Alaivo sary an-tsaina hoe ny Fiangonana dia manao fanentanana amin’ny tamba-jotran-tserasera mba hanaparitahana ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy izay voarakitra ao amin’ireo Filazantsara efatra. Ny Fiangonana dia mangataka zavatra avoaka amin’ny tamba-jotran-tserasera ho fanentanana.

Manorata zavatra fohy izay manazava ny vaovao mahafalinao momba an’i Jesoa Kristy. Eritrereto ny zavatra izay nianaranao avy tamin’ireo Filazantsara (Matio, Marka, Lioka, ary Jaona) izay miavaka aminao ary nanampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Ohatra, azonao atao ny misafidy zavatra izay nampianarin’i Jesoa, fahagagana nataony, fanoharana, tantara iray mikasika ny fifandraisany tamin’ny hafa, toetra iray nasehony tamin’ny ohatra, na zavatra ao anatin’ny sorona fanavotana nataony, ny fahafatesany, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Raha tsy mampaninona anao, dia azonao atao ny mandefa ny vaovao mahafalinao amin’ny tamba-jotran-tserasera na mizara izany amin’olon-kafa. Ampidiro ao amin’ny zavatra havoakanao ireto antsipiriany manaraka ireto:

  • Mamoròna tari-dresaka na lohateny ho an’ny lahatsoratrao.

  • Hazavao ny naha-zava-dehibe ny vaovao mahafalin’ny Mpamonjy aminao sy ny nanampiany anao hahatsiaro ho akaiky kokoa Azy.

  • Asio andinin-tsoratra masina manokana avy ao amin’ireo Filazantsara (Matio, Marka, Lioka, na Jaona).

  • Ataovy tafiditra ao ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy ny fomba hitondran’izany vaovao mahafaly izany tombontsoa ho an’ny hafa.