Boky torolalana sy antso
9. Fikambanana Ifanampiana


“9. Fikambanana Ifanampiana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, (2020).

“9. Fikambanana Ifanampiana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
Vehivavy mandalina ny soratra masina

9.

Fikambanana Ifanampiana

9.1

Tanjona sy firafitra

Manampy ireo zanak’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny Fikambanana Ifanampiana. Amin’ny maha-zanakavavin’ny ray aman-dreny any an-danitra azy ireo, dia “[ma]melabelatra ny soratra masina,” sy “[ma]nentana ny fiangonana,” sy mankahery ny fon’ny olona ary “mifiki[tra] amin’ny fanekempihavanana izay efa nataon’[izy ireo]” ny mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:713).

9.1.1

Tanjona

Ny Fikambanana Ifanampiana dia fikambanana natsangan’ Andriamanitra ho an’ireo vehivavy lehibe rehetra ao amin’ny Fiangonana. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny hamonjy fanahy sy hanamaivana ny fijaliana. Nilaza izy fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tsy mbola norafetina amin’ny fahafenoany raha tsy efa voarafitra toy izany ireo rahavavy.

Ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia miara-miasa mba hanampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana. Manompo ny hafa, manatontosa ireo andraikitra ao amin’ny fanekempihavanana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana izy ireo.

Ny teny filamatry ny Fikambanana Ifanampiana dia ny hoe “Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay” (1 Korintiana 13:8). Hita taratra eo amin’ny sary famantarana ny Fikambanana Ifanampiana io filamatra io.

Sary
Sary famantarana ny Fikambanana Ifanampiana

9.1.2

Ny maha mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana

Ny Fikambanana Ifanampiana dia fianakavian’ny mpirahavavy mandritra ny fiainana. Mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana avokoa ireo rahavavy 18 taona no ho miakatra rehetra. Mpikambana izy ireo na dia tsy afaka manatrika ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana aza.

Afaka manatrika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ny zatovovavy iray rehefa feno 18 taona. Mifanakalo hevitra miaraka amin’ireo ray aman-dreniny sy ny eveka izy momba ny fotoana tsara hanaovana izany. Rehefa feno 19 taona izy na koa rehefa miala ao amin’ny tranony toy ny rehefa handeha ho any amin’ny oniversite na rehefa hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia tokony handray anjara ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.

Mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ihany koa ireo vehivavy izay manambady ka latsaky ny 18 taona.

Raha te hahalala bebe kokoa mikasika ireo ray aman-dreny tsy nanambady ka latsaky ny 18 taona dia jereo ny 38.1.5.

9.1.3

Sary
Sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana
Fampifanarahana amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana

Mety ahitana vehivavy olon-dehibe maro be ny paroasy sasantsasany. Afaka manome lalana ny fananganana Fikambanana Ifanampiana mihoatra ny iray eo anivon’ny paroasy ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka ho an’ireo paroasy ireo. Manana ny fiadidiany manokana ny Fikambanana Ifanampiana tsirairay. Raha azo atao dia tokony hisy mpikambana avy amin’ny sokajin-taona samihafa sy manana traikefa isan-karazany ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana tsirairay.

9.2

Fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana

Manasa ny rehetra Andriamanitra hanatona an’i Kristy sy handray anjara amin’ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny:

  • Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Fikarakarana ireo izay sahirana.

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara.

  • Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay.

Ny mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia mamolavola ireo fivoriana isaky ny alahady, ireo fiaraha-mientana, ny fanompoana, ny asa fanompoana ary ireo fifandraisana hafa mba hanampiana ireo vehivavy handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona dia miasa amim-piraisan-kina ho fanatanterahana izany asa izany.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia halalino ny toko 1.

9.2.1

Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ireo mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia manohana ireo mpikambana amin’ny fiainan’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izy ireo dia manamafy ny fampiharana finoana, ny fibebahana, ny fitomboana ao amin’ny fizakan-tena ary ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra amin’ny fandraisana ireo ôrdônansy. Anisan’ireo ôrdônansy ireo ny fanafiana masina any amin’ny tempoly. Jereo ny 1.2.1.

9.2.1.1

Fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano

Rehefa mianatra sy miaina ny filazantsara ao an-tokantrano ireo mpikambana dia mihalalina ny fiovam-pon’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ireo mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia mamporisika ireo rahavavy handalina ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona, samirery sy miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ireo loharanom-pitaovana hafa dia afaka mifameno amin’ny fandalinan’izy ireo.

Ny takariva ao an-tokantrano dia fomba manan-danja iray ianarana ny filazantsara ao an-tokantrano. Izy ireny dia atao isan-kerinandro, matetika ny alahady, ny alatsinainy hariva na koa amin’ny fotoana hafa. Azo atao amin’izany ny vavaka, ny fandalinana ny filazantsara, ny fijoroana ho vavolombelona, ny fihirana ary fiaraha-mientana mahafinaritra.

9.2.1.2

Fianarana ny filazantsara mandritra ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana

Mihaona isaky ny alahady ireo Fikambanana Ifanampiana ho amin’ireto tanjona manaraka ireto:

  • Hampatanjaka finoana.

  • Hanorina firaisan-kina.

  • Hampatanjaka ny fianakaviana sy ny tokantrano.

  • Hanao drafitra mba hanampiana amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

Ny alahady faharoa sy fahefatry ny volana no anatanterahana ny fivoriana. Maharitra 50 minitra izy ireo. Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana no mamolavola ireo fivoriana ireo. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana no mitarika ny fotoana.

Manomboka amin’ny vavaka ny fivoriana. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana avy eo no mitarika izay raharaha tokony hodinihina. Ohatra, ireo rahavavy dia afaka mifanakalo hevitra mikasika ireo lafin-javatra ao anatin’ny fandraisana anjara ao amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana. Tokony hanokanana fotoana ampy tsara avy eo ny hanaovana fampianarana sy fifanakalozan-kevitra manan-danja momba ny filazantsara.

Ireo fivoriana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia mifantoka amin’ny lohahevitra avy amin’ny lahateny iray na maro natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra. Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana dia misafidy amim-bavaka ireo hafatra izay hifanakalozana hevitra miankina amin’ny filàn’ireo rahavavy. Azo atao ny mihira fihirana entina hanamafisana ny lesona iray. Tokony mifarana amin’ny vavaka ireo fivoriana.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny ComeFollowMe.ChurchofJesusChrist.org.

9.2.1.3

Fiaraha-mientana

Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana dia afaka mamolavola fiaraha-mientana. Ireo fiaraha-mientana ireo dia mampatanjaka ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ary manome azy ireo fahafahana hiara-hanompo. Atao amin’ny andro hafa ankoatra ny alahady sy ny alatsinainy hariva ny ankamaroan’ireo fiaraha-mientana.

Ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana no manara-maso ireo fiaraha-mientana ireo. Afaka mangataka mpanolotsaina iray na rahavavy iray hafa ao amin’ny kôlejy izy mba handray ny andraikitra amin’ny fandrindrana sy fanatanterahana izany (jereo 9.3.4). Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ataon’ny fiadidiana ny mifanakalo hevitra momba ireo fiaraha-mientana miaraka amin’ny eveka.

9.2.2

Mikarakara ireo izay mila fanampiana

Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy azy ireo dia manana ny andraikitra hanolo-tanana amim-pitiavana ho an’ny sahirana ireo rahavavy. Mitady fomba hanompoana ny hafa ao amin’ny paroasy sy ny fiarahamonina izy ireo, na ny tsirairay izany na ny Fikambanana Ifanampiana. Ny JustServe.org any amin’ny toerana ahitana azy dia manolotra sosokevitra ny amin’ireo zavatra azo araraotina mba hanaovana asa fanompoana eny anivon’ny fiarahamonina.

Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fomba fikarakaran’ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona ireo sahirana dia jereo ny 22.6.2.

Sary
Vehivavy manatitra sakafo

9.2.2.1

Fanompoana

Ny fanompoana dia fikarakarana ny hafa tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy. Mandray fanendrena hanompo avy amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ireo rahavavy. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny toko 21.

9.2.2.2

Ireo zavatra ilaina ao anatin’ny fotoana fohy

Mikatsaka ny hahazo an-tsaina sy handray andraikitra eo anatrehan’ny zavatra ilain’ireo izay tompoiny ny rahavavy mpanompo. Mety mila fanampiana tsy maharitra ireo mpikambana amin’ny fotoan’ny aretina, ny fiterahana, ny fahaverezan’asa na amin’ny toe-javatra hafa.

Rehefa ilaina dia mangataka fanampiana amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ireo rahavavy mpanompo. Afaka manome tolo-kevitra ny hiantsoana olona iray ho mpandrindra ny fanompoana mba hanampy amin’ireo fandrindrana ireo ezaka ireo ny fiadidiana (jereo ny 9.3.4).

Mandrindra ny ezaka atao amin’ny fikarakarana ireo zavatra ilaina ao anatin’ny fotoana fohy ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona (jereo ny 22.3.2). Afaka mitondra fanampiana amin’ny alalan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ny eveka.

Amin’ny faritra sasany dia manana safidy hanolotra fanampiana amin’ny famatsiana sakafo sy entana fototra ilaina andavanandro ireo eveka ho an’ireo mpikambana sahirana. Amin’ny ankapobeny dia ny eveka no manendry ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hihaona amin’ireo mpikambana ary mameno ilay taratasy fangatahana ireo zavatra ilaina. Azony atao anefa ny manendry ny filohan’ny kôlejin’ny loholona. Raha tsy afaka ny filoha dia azo tendrena ny mpanolotsaina iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana na kôlejin’ny loholona. Ilay mpitarika voatendry no manome ny eveka ilay taratasy efa nofenoina mba hahazoana ny fankatoavany.

Ho fanampim-pahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 22.6.2 sy ny “Ressources pour les dirigeants en matière d’entraide et d’autonomie” ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers.

9.2.2.3

Ireo zavatra ilaina ao anatin’ny fotoana maharitra sy ny fizakan-tena

Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny kôlejin’ny loholona dia manampy ireo mpikambana amin’ireo zavatra ilaina ao anatin’ny fotoana maharitra sy ny fizakan-tena araka izay handrindran’ny eveka izany. Mampianatra ireo fitsipiky ny fizakan-tena ara-panahy sy ara-batana izy ireo. Jereo ny toko 22 sy ny “Fizakan-tena” ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile.

Raha mila fanampiana ny olona na ny fianakaviana iray dia mifanakalo hevitra ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona mikasika ny fomba azo hanampiana araka izay handrindran’ny eveka izany (jereo ny 22.4).

Ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona na mpitarika iray hafa no manampy ilay olona na ilay fianakaviana hamolavola Drafitra ho amin’ny fizakan-tena. Ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo koa dia afaka manampy amin’ilay drafitra. Matetika ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana na ny kôlejin’ny loholona no manana fahaiza-manao sy traikefa izay afaka hanampy. Ireo rehetra izay manampy amin’izany dia mihazona ireo fampahalalana ho tsiambaratelo. Ho fampahalalana fanampiny dia jereo ny 22.3.3 sy ny 22.8.

9.2.2.4

Rehefa misy mpikambana iray maty ao amin’ny paroasy

Rehefa misy mpikambana iray maty ao amin’ny paroasy dia manolotra fampiononana sy fanampiana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana. Azon’izy ireo atao ny manampy amin’ny fandevenana araka ny tari-dalana omen’ny eveka.

Raha azo atao dia alevina na dorana miaraka amin’ny akanjo fitafy ao amin’ny tempoly ireo mpikambana maty izay efa nandray ny fanafiana masina. Ny vata-mangatsiakan’ny vehivavy iray dia azon’ny vadiny na ny vehivavy iray ao amin’ny fianakaviana izay efa nandray fanafiana masina ampiakanjoina. Raha toa ka tsy misy olona ao amin’ny fianakaviana afaka na te hanao ny fampiakanjoana, dia afaka mangataka ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ny eveka mba hanasa rahavavy iray efa nandray fanafiana masina hampiakanjo ilay faty na hanara-maso ilay fampiakanjoana. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 38.5.8.

Aorian’ny fandevenana dia manohy manolotra fampiononana sy fanampiana ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona, sy ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo ary ny hafa.

9.2.3

Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara

Manana andraikitra hanasa ny rehetra handray ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny Môzià 18:9). Manao izany izy ireo amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara, sy ny fampatanjahana ireo mpikambana vaovao ary ny fanolorana tanana ireo izay malaindaina.

Miresaka momba ireo fomba azon’ireo rahavavy hanasana ny rehetra handray ireo fitahian’ny filazantsara ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana mandritra ireo fivorian’ny fiadidiana sy ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana.

Manendry mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampy amin’ny fitarihana ny asa fitoriana ny filazantsara ao amin’ny paroasy. Miara-miasa amin’ilay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona voatendry izy mba handrindrana ireo ezaka atao ireo (jereo ny 23.5.1).

Mandray anjara amin’ireo fivoriana enti-mandrindra ireo ilay mpikambana voatendry ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana mba handrindrana ny fanasana ny rehetra handray ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara. Ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy izay mety ho mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no mitarika ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro. Ny tanjon’ireo fivoriana ireo dia ny handrindra ny fanasana ny rehetra handray ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara. Tafiditra amin’izany koa ireo misiôneran’ny paroasy, zatovolahy mpanampy iray ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona, mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy zokiny indrindra ara-tsokajin-taona, ary ireo misiônera amin’ny fotoana feno.

9.2.4

Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay

Ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia manohana ireo mpikambana amin’ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Tafiditra ao anatin’izany ny:

  • Fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra amin’ny fandraisana ireo ôrdônansy, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanafiana masina atao ao amin’ny tempoly.

  • Ny fanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 1.2.4).

Miresaka momba ireo fomba azon’ireo rahavavy handraisana anjara amin’ireo ezaka ireo ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana mandritra ireo fivorian’ny fiadidiana sy ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana. Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidiana koa dia manao drafitra mikasika ny fomba hanampiana ireo mpikambana mba hampitombo ny fahatakaran’izy ireo momba ireo ôrdônansy masina sy ny fanirian’izy ireo handray izany ary mba hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly. Mamporisika ireo rahavavy izy ireo mba hitsaoka tsy tapaka any amin’ny tempoly raha azo atao.

Mamporisika ireo rahavavy hianatra momba ny tantaram-pianakavian’izy ireo ny fiadidiana. Manampy ireo mpikambana vaovao sy mpikambana miverina mavitrika, sy ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, ary ireo misiônera vao nandray antso izy ireo mba hitady sy hanomana ny anaran’ireo razambe hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly.

Manendry mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampy amin’ny fitarihana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy. Miara-miasa amin’ilay mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona voatendry izy mba handrindrana ireo ezaka atao ireo (jereo ny 25.2.2).

Mandray anjara amin’ireo fivoriana enti-mandrindra ilay mpikambana voatendry ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana mba handrindrana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Tanterahina tsy tapaka ireo fivoriana ireo. Ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy, izay mety ho mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona, no mitarika ny fivoriana enti-mandrindra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.2.7). Manatrika izany koa ny zatovolahy mpanampy iray ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona, mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy sokajin-taona zokiny indrindra ary ny mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

9.3

Ireo mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana

9.3.1

Eveka

Mihaona amin’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana isam-bolana farafahakeliny ny eveka. Mifanakalo hevitra momba ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ny asa fanompoana ataon’ireo rahavavy manompo. Mifanakalo hevitra momba (1) ny fampandrosoana sy ny zavatra ilain’ireo rahavavy ao amin’ny paroasy ary (2) ireo fivoriana sy fampianarana ary fiaraha-mientana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo.

9.3.2

Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana

9.3.2.1

Fiantsoana fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana

Miantso vehivavy iray mba ho filohan’ny Fikambanana Ifanampianan’ny paroasy ny eveka. Raha ampy tsara ny olona ao amin’ilay rantsana dia manolotra anarana vehivavy iray na roa aminy izy ho mpanolotsaina. Mandinika ireo anarana natolony ny episkôpà dia manao ny fiantsoana.

Manolotra ireo mpikambana ao amin’ny fiadidiana mba hotohanana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà. Ny eveka no manokana ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana. Afaka manokana ireo mpanolotsainy ny mpikambana rehetra ao amin’ny episkôpà.

Ny sasany amin’ireo rantsana kely dia mety tsy hanana filohan’ny Zatovovavy na filohan’ny Kilonga. Azon’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana atao ny manampy ireo ray aman-dreny hanao drafitra momba ireo fampianarana ho an’ny zatovo sy ny ankizy ao amin’ireny rantsana ireny.

9.3.2.2

Andraikitra

Ireto manaraka ireto dia andraikitry ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy.

  • Manompo ao amin’ny filankevitry ny paroasy. Izy dia (1) mpikambana ao amin’ny filankevitra ka manampy amin’ny fikarakarana ireo zavatra ilaina ao amin’ny paroasy sy mitady vahaolana ary (2) solontenan’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny 29.2.5).

  • Mitarika ny ezaka ataon’ny Fikambanana Ifanampiana handraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny toko 1).

  • Mandamina sy manara-maso ny asa fanompoana ataon’ireo rahavavy mpanompo. Mandrindra ny fanendrena amin’ny fanompoana miaraka amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona ary mihaona farafahakeliny isaky ny telo volana. Mangataka ny fankatoavan’ny eveka ho an’ny fanendrena amin’ny fanompoana. Manao dinidinika momba ny fanompoana farafahakeliny isaky ny telo volana. Jereo ny toko 21.

  • Mifampidinika amin’ireo mpikambana olon-dehibe ao amin’ny paroasy araka ny torolalana omen’ny eveka. Ny eveka ihany no manoro hevitra ireo mpikambana ao amin’ny paroasy amin’ny raharaha mahakasika ny fahamendrehana, ny herisetra, ary ny fanomezana fankatoavana hampiasa ny kitapom-bola avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Jereo ny Documentation de conseil (ireo loharanom-pitaovana fanoroana hevitra).

  • Manampy, miaraka amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona, amin’ny ezaka atao ao amin’ny paroasy ho fanasana ny rehetra handray ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara (jereo ny 8.2.3 sy ny 9.2.3).

  • Manampy, miaraka amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona, amin’ny fitarihana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 8.2.4 sy ny 9.2.4).

  • Mandrindra ny ezaka ataon’ny Fikambanana Ifanampiana mba hampatanjahana ireo rahavavy tanora ao amin’ny paroasy, na ireo manambady na ireo tsy manambady. Azo tendrena hanompo ao amin’ireo tanora tokan-tena ny mpanolotsaina iray (jereo ny 14.1.2.2).

  • Mihaona amin’ny mpikambana tsirairay manokana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana farafahakeliny indray mandeha isan-taona. Mifanakalo hevitra momba izay mahasoa an’ilay rahavavy sy ny fianakaviany.

  • Mampianatra ireo rahavavy ny andraikiny manoloana ny fanekempihavanana nataony.

  • Manara-maso sy manampy amin’ny fanatsarana ny fampianarana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny toko 17).

  • Manomana sy mitarika ireo fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana.

  • Manara-maso ireo fiaraha-mientan’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny 9.2.1.3).

  • Manampy ny zatovovavy hiomana handray anjara ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny 9.4).

  • Manara-maso ny firaketana sy ny tatitra ary ny toe-bolan’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny LCR.ChurchofJesusChrist.org). Afaka manampy amin’izany ny mpitantsoratra iray (jereo ny 9.3.3).

Mampianatra ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy momba ireo andraikitra ireo ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka. Azon’izy ireo atao izany mandritra ireo fivorian’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka, sy mandritra ireo fivorian’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eny anivon’ny paroasy, ary amin’ny alalan’ny fitsidihana manokana ireo filohan’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny 29.3.4).

Manohana ny eveka amin’ny alalan’ny asa fanompoany ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny fifantohana amin’ireo zatovo sy amin’ireo andraikitra manokan’ny eveka.

Sary
fivoriana filankevitry ny paroasy

9.3.2.3

Fivorian’ny fiadidiana

Manao fivorian’ny fiadidiana tsy tapaka ny fiadidiana sy ny mpitantsoratry ny Fikambanana Ifanampiana. Ny filoha no mitarika ireo fivoriana ireo. Ny fandaharam-potoana dia mety ahitana ireto singa manaraka ireto:

  • Manao drafitra momba ny fampatanjahana ireo rahavavy sy ny fianakavian’izy ireo.

  • Manao drafitra ny amin’ny fomba hanampiana amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

  • Mandrindra ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

  • Mandray ireo tolo-kevitra sy fanendrena avy amin’ny eveka.

  • Mandray andraikitra eo anatrehan’ireo asa avy amin’ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy.

  • Mandinika amim-bavaka ireo fanendrena ho amin’ny fanompoana.

  • Manadihady ireo fampahalalana voaray avy amin’ireo dinidinika momba ny fanompoana. Manomana ireo fomba hamantarana ireo tanjaka ary manampy amin’ny fanomezana ny zavatra ilaina. (Jereo ny toko 21.)

  • Mandinika ny momba ireo rahavavy hanompo ao amin’ireo antso sy fanendrena ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.

  • Manomana ireo fivoriana sy fiaraha-mientan’ny Fikambanana Ifanampiana.

9.3.3

Mpitantsoratra

Afaka mandroso anarana rahavavy iray ho mpitantsoratry ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana. Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no miantso sy manolotra azy mba hotohanana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo, ary manokana azy.

Mety hahitana izao manaraka izao ny andraikitry ny mpitantsoratra:

  • Manomana ny fandaharam-potoana ho an’ireo fivorian’ny fiadidiana sy ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana.

  • Mandray an-tsoratra mandritra ireo fivoriana ary manara-maso ireo asa nampiandraiketina.

  • Mandamina fotoana hanaovana ireo dinidinika momba ny fanompoana (jereo ny 21.3).

  • Manomana sy mandefa ireo tatitra momba ny fanatrehana sy ny isan’ny dinidinika amin’ny fanompoana izay natao isaky ny telo volana.

  • Manampy amin’ny fanomanana tetibola mandritra ny taona sy manara-maso ireo fandaniam-bola natao.

9.3.4

Antso fanampiny

Mety hanampy ireto antso fanampiny manaraka ireto. Mifanakalo hevitra ny evaka sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana momba ny ilàna izany.

  • Mpampianatra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana mba hampianatra mandritra ireo fivoriana isaky ny alahady.

  • Mpandrindra ny asa fanompoana mba hanampy amin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny asa fanompoana ho an’ireo olona sahirana (jereo ny 9.2.1.3). Azo atao koa ny miantso mpanampy sy mpikambana ao amina kômity.

  • Mpandrindra ireo fiaraha-mientana mba hanampy amin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana ireo fiaraha-mientan’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny 9.2.1.3). Azo atao koa ny miantso mpanampy sy mpikambana ao amina kômity.

  • Mpitantsoratra mpanampy mba hanampy ny mpitantsoratry ny Fikambanana Ifanampiana.

  • Mpitantsoratra misahana ny fanompoana mba handamina ireo dinidinika momba ny fanompoana sy hanampy amin’ny fanomanana tatitra fanao isaky ny telo volana.

Raha ilaina ireo antso ireo na antso hafa dia manolotra anarana rahavavy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanompo. Atolotr’izy ireo ny episkôpa izany anarana atolotra izany. Raha toa ka ankatoavin’ny episkôpà izany dia azon’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà atao ny miantso azy ireo. Manolotra azy ireo mba hotohanana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy ary manokana azy ireo.

Raha ilaina izany dia afaka manendry rahavavy hanampy amin’ny ezaka ataon’ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny fomba hafa ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana. Ireo rahavavy izay omena andraikitra mandritra ny fotoana fohy dia tsy mila antsoina sy atokana.

Sary
Kilasin’ny Fikambanana Ifanampiana

9.4

Fanampiana ny Zatovovavy hiomana handray anjara ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana

Miara-miasa amin’ireo zatovovavy sy ny ray aman-drenin’izy ireo ary ireo mpitarika ao amin’ny Zatovovavy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampy amin’ny fanomanana azy ireo handray anjara ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.

Ireo mpitarika dia manolotra hatrany fomba ahafahan’ireo zatovovavy sy ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana manorina finamanana. Fomba iray manan-danja hahafahana mifandray ny fiarahana manompo amin’ny maha-rahavavy mpanompo.

Manampy ireo zatovovavy hahatakatra ny andraikiny ao amin’ny fanekempihavanana nataony ireo mpitarika. Rehefa hita fa hanampy ny fanompoana manokana ataon’ny zatovovavy iray ho an’ny rahavavy iray dia azo tendrena ho rahavavy manompo izy rehefa vonona sy afaka ny hanao izany ary matotra. Azo tendrena izy manomboka amin’ny taona izay mahafeno 14 taona azy. Ireo zatovovavy dia atao namana mpiara-manompo amin’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny 21.2.2).

Rehefa miditra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ireo olon-dehibe tanora dia manome fahafahana azy ireo hanompo sy hizara ny tanjak’izy ireo ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana. Manampy azy ireo ihany koa ny fiadidiana hiomana hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina atao any amin’ny tempoly (jereo ny 27.1.1).

9.5

Ireo mpitarika ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka

Miantso sy manokana vehivavy iray ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka ny filohan’ny tsatòka. Raha ampy tsara ny olona ao amin’ny tsatòka, dia manolotra anarana vehivavy iray na roa izy ho mpanolotsaina ary iray hafa ho mpitantsoratra. Ireo vehivavy ireo dia antsoina sy atokan’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay voatondro. Ho fampahalalana momba ny andraikitry ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka sy ny mpitantsoratra dia jereo ny 6.7.1 sy ny 6.7.3.

Mihaona tsy tapaka (farafahakeliny isam-bolana) amin’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana na ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka ny filohan’ny tsatòka. Mifanakalo hevitra momba ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izy ireo. Mifanakalo hevitra momba (1) ny fampandrosoana sy ny zavatra ilain’ireo rahavavy ao amin’ny tsatòka ary (2) ireo fivoriana sy ny fampianarana ary ireo fiaraha-mientan’ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo.

Manome torolalana ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy ny amin’ny andraikitr’izy ireo amin’ny fanompoana, sy ny fanaovana ny asa fitoriana ny filazantsara ary ny asa atao any amin’ny tempoly sy asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka. Manao izany eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka izy ireo. Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo dia tendrena mba hanampy. Jereo ny 23.1sy ny 25.2.

Raha misy kômitin’ny tanora tokan-tena ao amin’ny tsatòka dia mpikambana ao amin’izany kômity izany ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka. Torak’izany koa raha toa ilay tsatòka ka manana kômitin’ny olon-dehibe tokan-tena. (Jereo ny14.1.1.2.)

Sary
Vehivavy roa mitsiky

9.6

Torolalana sy fitsipika fanampiny

9.6.1

Mpikambana manana fahasembanana

Manome fikarakarana manokana ireo mpikambana manana fahasembanana ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana. Mba hahitana fampahalalana momba ny fanampiana ireo mpikambana ireo, dia jereo ny disability.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny 38.8.27 ao amin’ity boky torolalana ity.

9.6.2

Fahaizana mamaky teny sy manoratra

Raha ilaina dia miara-miasa amin’ny eveka sy ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona ary ny filankevitry ny paroasy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanampiana ireo mpikambana hianatra mamaky teny sy manoratra.