Boky torolalana sy antso
8. Kôlejin’ny loholona


“8. Kôlejin’ny loholona,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“8. Kôlejin’ny Loholona,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
lehilahy miresaka

8.

Kôlejin’ny Loholona

8.1

Tanjona sy firafitra

Manampy ireo zanak’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny Fisoronana Melkizedeka. Mihazona ny “fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy rehetra ao amin’ny fiangonana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18) izany.

Ireo anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka dia loholona, mpisorona avo, patriarika, Fitopololahy ary Apôstôly. Ahitana fampahalalana momba ireo loholona sy kôlejin’ny loholona ity toko ity.

8.1.1

Tanjona

Ny lehilahy mendrika 18 taona no ho miakatra dia afaka mandray ny Fisoronana Melkizedeka ary aroso ho amin’ny anjara fanompoan’ny loholona. Ny lehilahy iray naroso ho amin’izany anjara fanompoana izany dia miditra ao anaty fanekempihavanana masina hanampy an’ Andriamanitra amin’ny fanatanterahana ny asany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44).

Ny loholona tsirairay dia ao anatin’ny vondrona narafitra iray ho an’ny mpihazona ny fisoronana izay antsoina hoe kôlejin’ny loholona. Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona dia miara-miasa mba hanampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Manompo ny hafa, manatontosa ireo andraikitra ao amin’ny fanekempihavanana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana izy ireo.

8.1.2

Ny maha mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona

Samy manana kôlejin’ny loholona iray ny paroasy tsirairay. Hita ao amin’izany ireto rahalahy manaraka ireto:

  • Ireo loholona rehetra ao amin’ny paroasy.

  • Ireo olona mety azo aroso ho loholona ao amin’ny paroasy (jereo ny 8.4).

  • Ireo mpisorona avo rehetra ao amin’ny paroasy ankoatra ireo izay manompo ankehitriny ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na ao amin’ny episkôpà, na ao amin’ny filankevitra avo na ny patriarika am-perinasa. Ireo mpitarika ireo dia mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka. Ho fampahalalana mikasika ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka dia jereo ny 6.2.1.1 sy ny 29.3.5.

Ny zatovolahy iray dia afaka manatrika ireo fivorian’ny kôlejin’ny loholona rehefa feno 18 taona na dia tsy mbola notendrena ho loholona aza izy. Maka hevitra amin’ny ray aman-dreniny sy ny eveka izy rehefa handray izany fanapahan-kevitra izany. Rehefa feno 19 taona izy na alohan’ny handaozany ny tokantranon’ny ray aman-dreniny, toy ny hoe handeha hianatra any amin’ny oniversite na hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia tokony hotendrena ho loholona izy raha mendrika. Jereo ny 10.6.

Ireo lehilahy manambady latsaky ny 18 taona dia azo aroso ho loholona ary mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona ihany koa.

Raha te hahalala bebe kokoa mikasika ireo ray aman-dreny tsy nanambady ka latsaky ny 18 taona dia jereo ny 38.1.5.

8.1.3

Sary
Sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana
Fampifanarahana amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana

Mety hahitana mpihazona Fisoronana Melkizedeka mazoto marobe ny paroasy sasantsasany. Azon’ny fiadidian’ny tsatòka atao ny manangana kôlejin’ny loholona fanampiny ho an’ireo paroasy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:89). Manana ny fiadidiany manokana ireo kôlejy tsirairay. Raha azo atao dia tokony hisy mpikambana avy amin’ny sokajin-taona samihafa sy manana traikefa isan-karazany ny kôlejy tsirairay.

8.2

Fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana

Manasa ny rehetra Andriamanitra hanatona an’i Kristy sy handray anjara amin’ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny:

  • Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Fikarakarana ireo izay sahirana.

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara.

  • Fampiraisana ireo fianakaviana ho mandrakizay.

Ireo mpitarika ao amin’ny kôlejin’ny loholona dia mamolavola ireo fivoriana alahady, ireo fiaraha-mientana, ny fanompoan’ny rahalahy manompo, ny asa fanompoana ary ireo fifandraisana hafa mba hanampiana ireo rahalahy handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia miasa amim-piraisan-kina ho fanatanterahana izany asa izany.

Mba hahitana fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana dia halalino ny toko 1.

8.2.1

Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ireo mpitarika ao amin’ny kôlejin’ny loholona dia manohana ireo mpikambana amin’ny fiainan’izy ireo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manamafy ny fampiasana finoana, ny fibebahana, ny fitomboana ao amin’ny fizakan-tena ary ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra amin’ny fandraisana ireo ôrdônansy izy ireo. Anisan’ireo ôrdônansy ireo ny fanafiana masina any amin’ny tempoly. Jereo ny 1.2.1.

8.2.1.1

Fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano

Rehefa mianatra sy miaina ny filazantsara ao an-tokantrano ireo mpikambana dia mihalalina ny fiovam-pon’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ireo mpitarika ao amin’ny kôlejin’ny loholona dia manentana ireo rahalahy handalina samirery ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona, ary hanao izany koa miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ireo loharanom-pitaovana hafa dia afaka mifameno amin’ny fandalinan’izy ireo.

Ny takariva ao an-tokantrano dia fomba manan-danja iray ianarana ny filazantsara ao an-tokantrano. Izy ireny dia atao isan-kerinandro, matetika ny alahady, ny alatsinainy hariva na koa amin’ny fotoana hafa. Azo atao amin’izany ny vavaka, ny fandalinana ny filazantsara, ny fijoroana ho vavolombelona, ny fihirana ary fiaraha-mientana mahafinaritra.

Sary
fianakaviana miara-mamaky boky

8.2.1.2

Fianarana ny filazantsara mandritra ireo fivorian’ny kôlejy

Mihaona isaky ny alahady ireo kôlejin’ny loholona ho amin’ireto tanjona manaraka ireto:

  • Hampatanjaka finoana.

  • Hanorina firaisan-kina.

  • Hampatanjaka ny fianakaviana sy ny tokantrano.

  • Hanao drafitra mba hanampiana amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

Ny alahady faharoa sy fahefatry ny volana no anatanterahana ny fivoriana. Maharitra 50 minitra izany. Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no manomana ireo fivoriana ireo. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana no mitarika ny fotoana.

Manomboka amin’ny vavaka ny fivoriana. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana avy eo no mitarika izay raharahan’ny kôlejy tokony hodinihina. Ohatra, ilay kôlejy dia afaka miaraka mifanakalo hevitra mikasika ireo lafin-javatra ao anatin’ny fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Tokony hanokanana fotoana ampy tsara avy eo ny hanaovana fampianarana sy fifanakalozan-kevitra manan-danja momba ny filazantsara.

Ireo fivorian’ny kôlejy dia mifantoka amin’ny lohahevitra avy amin’ny lahateny iray na maro natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra. Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia misafidy amim-bavaka ireo hafatra izay hifanakalozana hevitra miankina amin’ny filàn’ireo mpikambana. Azo atao ny mihira fihirana entina hanamafisana ny lesona iray. Tokony mifarana amin’ny vavaka ireo fivoriana.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny ComeFollowMe.ChurchofJesusChrist.org.

8.2.1.3

Fiaraha-mientana

Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia afaka mamolavola fiaraha-mientana. Ireo fiaraha-mientana ireo dia mampatanjaka ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ary manome azy ireo fahafahana hiara-hanompo. Atao amin’ny andro hafa ankoatra ny alahady sy ny alatsinainy hariva ny ankamaroan’ireo fiaraha-mientana.

Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona no manara-maso ireo fiaraha-mientana ireo. Afaka mangataka mpanolotsaina iray na mpikambana iray hafa ao amin’ny kôlejy izy mba handray ny andraikitra amin’ny fandrindrana sy fanatanterahana izany (jereo ny 8.3.5). Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ataon’ny fiadidiana ny mifanakalo hevitra momba ireo fiaraha-mientana miaraka amin’ny eveka.

8.2.2

Mikarakara ireo izay mila fanampiana

Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy azy ireo dia manana ny andraikitra hanolo-tanana am-pitiavana ireo olona sahirana ny mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona. Mitady fomba hanompoana ny hafa ao amin’ny paroasy sy ny fiarahamonina izy ireo, na ny tsirairay izany na ny kôlejy manontolo. Ny JustServe.org any amin’ny toerana ahitana azy dia manolotra sosokevitra ny amin’ireo zavatra azo araraotina mba hanaovana asa fanompoana eny anivon’ny fiarahamonina.

Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fomba fikarakaran’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana ireo sahirana dia jereo ny 22.6.2.

8.2.2.1

Fanompoana

Ny fanompoana dia fikarakarana ny hafa tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy. Mandray fanendrena hanompo avy amin’ny fiadidian’ny kôlejy ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny toko 21.

8.2.2.2

Ireo zavatra ilaina ao anatin’ny fotoana fohy

Mikatsaka ny hahazo an-tsaina sy handray andraikitra eo anatrehan’ny zavatra ilain’ireo izay tompoiny ny rahalahy mpanompo. Mety mila fanampiana tsy maharitra ireo mpikambana amin’ny fotoan’ny aretina, ny fiterahana, ny fahaverezan’asa na amin’ny toe-javatra hafa.

Rehefa ilaina izany dia mangataka fanampiana amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona ireo rahalahy mpanompo. Afaka manome tolo-kevitra ny hiantsoana olona iray ho mpandrindra ny fanompoana mba hanampy amin’ireo fandrindrana ireo ezaka ireo ny fiadidiana rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny eveka (jereo ny 8.3.5).

Mandrindra ny ezaka atao hikarakarana ireo zavatra ilaina ao anatin’ny fotoana fohy ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana (jereo ny 22.3.2). Afaka mitondra fanampiana amin’ny alalan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina ny eveka.

Amin’ny faritra sasany dia manana safidy hanolotra fanampiana amin’ny famatsiana sakafo sy entana fototra ilaina andavanandro ireo eveka ho an’ireo mpikambana sahirana. Amin’ny ankapobeny dia ny eveka no manendry ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hihaona amin’ireo mpikambana ary mameno ilay taratasy fangatahana ireo zavatra ilaina. Azony atao anefa ny manendry ny filohan’ny kôlejin’ny loholona. Raha tsy afaka ny filoha dia azo tendrena ny mpanolotsaina iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana na kôlejin’ny loholona. Ilay mpitarika voatendry no manome ny eveka ilay taratasy efa nofenoina mba hahazoana ny fankatoavany.

Ho fanampim-pahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 22.6.2 sy ny “Ressources pour les dirigeants en matière d’entraide et d’autonomie” ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers.

8.2.2.3

Ireo zavatra ilaina ao anatin’ny fotoana maharitra sy ny fizakan-tena

Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy Fikambanana Ifanampiana dia manampy ireo mpikambana amin’ireo zavatra ilaina maharitra sy ny fizakan-tena araka izay handrindran’ny eveka izany. Mampianatra ireo fitsipiky ny fizakan-tena ara-panahy sy ara-batana izy ireo. Jereo ny toko 22 sy ny “Fizakan-tena” ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile.

Raha mila fanampiana ny olona na ny fianakaviana iray dia mifanakalo hevitra mikasika ny fomba azo hanampiana ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana araka izay handrindran’ny eveka izany (jereo ny 22.4).

Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana na mpitarika iray hafa no manampy ilay olona na ilay fianakaviana hanao Drafitra ho amin’ny fizakan-tena. Ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo ihany koa dia afaka manampy amin’ilay drafitra. Matetika ireo mpikambana hafa ao amin’ny kôlejin’ny loholona na ny Fikambanana Ifanampiana dia manana fahaiza-manao na traikefa izay afaka hanampy. Ireo rehetra izay manampy amin’izany dia mihazona ireo fampahalalana ho tsiambaratelo. Ho fampahalalana fanampiny dia jereo ny 22.3.3 sy ny 22.8.

8.2.2.4

Rehefa misy mpikambana iray maty ao amin’ny paroasy

Rehefa misy mpikambana iray maty ao amin’ny paroasy dia manolotra fampiononana sy fanampiana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana. Azon’izy ireo atao ny manampy amin’ny fandevenana araka ny tari-dalana omen’ny eveka.

Raha azo atao dia alevina na dorana miaraka amin’ny akanjo fitafy ao amin’ny tempoly ireo mpikambana maty izay efa nandray ny fanafiana masina. Ny vata-mangatsiakan’ny lehilahy iray dia azon’ny vadiny na ny lehilahy iray ao amin’ny fianakaviana izay efa nandray fanafiana masina ampiakanjoina. Raha toa ka tsy misy olona ao amin’ny fianakaviana afaka na te hanao ny fampiakanjoana dia afaka mangataka ny filohan’ny kôlejin’ny loholona ny eveka mba hanasa lehilahy iray efa nandray fanafiana masina hampiakanjo ilay faty na hanara-maso ilay fampiakanjoana. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 38.5.8.

Aorian’ny fandevenana dia manohy manolotra fampiononana sy fanampiana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana, sy ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo ary ny hafa.

8.2.3

Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara

Manana andraikitra hanasa ny rehetra handray ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53:3). Manao izany izy ireo amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara, sy ny fampatanjahana ireo mpikambana vaovao ary ny fanolorana tanana ireo izay malaindaina.

Miresaka momba ny fomba azon’ireo rahalahy hanasana ny rehetra handray ireo fitahian’ny filazantsara ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona mandritra ireo fivorian’ny fiadidiana sy ireo fivorian’ny kôlejy.

Manendry mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana ny filohan’ny kôlejin’ny loholona mba hanampy amin’ny fitarihana ny asa fitoriana ny filazantsara ao amin’ny paroasy. Miara-miasa amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana voatendry izy mba handrindrana ireo ezaka ireo.

Io mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona io dia afaka manao ny anjara asan’ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy. Raha niantso mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy ny eveka dia manara-maso izany asa izany io mpikambana ao amin’ny fiadidiana io. Jereo ny 23.5.1 sy ny 23.5.3.

Ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy izay mety ho mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no mitarika ny fivoriana enti-mandrindra isan-kerinandro. Ny tanjon’ireo fivoriana ireo dia ny handrindra ny fanasana ny rehetra handray ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara. Isan’ny mpandray anjara amin’ireo fivoriana ireo ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny kôlejin’ny loholona izay voatendry, ireo misiôneran’ny paroasy, ny mpanampy iray ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona, ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy zokiny indrindra ara-tsokajin-taona, ary ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno.

8.2.4

Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay

Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia manohana ireo mpikambana amin’ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Tafiditra ao anatin’izany ny:

  • Fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra amin’ny fandraisana ireo ôrdônansy, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanafiana masina atao ao amin’ny tempoly.

  • Ny fanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 1.2.4).

Miresaka momba ireo fomba azon’ireo rahalahy handraisana anjara amin’ireo ezaka ireo ny fiadidian’ny kôlejy mandritra ireo fivorian’ny fiadidiana sy ireo fivorian’ny kôlejy.

Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidiana koa dia manao drafitra mikasika ny fomba hanampiana ireo mpikambana mba hampitombo ny fahatakaran’izy ireo momba ireo ôrdônansy masina sy ny fanirian’izy ireo handray izany ary mba hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra any amin’ny tempoly. Mamporisika ireo rahalahy izy ireo mba hitsaoka tsy tapaka any amin’ny tempoly raha azo atao.

Mamporisika ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy hianatra momba ny tantaram-pianakavian’izy ireo ny fiadidiana. Manampy ireo mpikambana vaovao sy mpikambana miverina mavitrika, sy ireo loholona nandray fanendrena vao haingana, ary ireo misiônera vao nandray antso izy ireo mba hitady sy hanomana ny anaran’ireo razambe hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly.

Manendry mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana ny filohan’ny kôlejin’ny loholona mba hanampy amin’ny fitarihana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakavianaao amin’ny paroasy. Miara-miasa amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana voatendry izy mba handrindrana ireo ezaka ireo.

Io mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona io dia afaka mandray ny andraikitry ny mpitarika misahana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy. Raha niantso mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana iray ny episkôpà dia manara-maso ny asany ity mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana ity. Jereo ny 25.2.2.

Ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy, izay mety ho mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona, no mitarika ny fivoriana enti-mandrindra momba ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.2.7). Tanterahina tsy tapaka ireo fivoriana ireo. Tafiditra ao anatin’izany koa ilay mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana voatendry, mpanampy iray ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona, mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy sokajin-taona zokiny indrindra, ary ireo mpanorohevitra mikasika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.

Sary
Lehilahy mijery sary

8.3

Ireo mpitarika ao amin’ny kôlejin’ny loholona

8.3.1

Fiadidian’ny tsatòka sy eveka

Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona dia manao tatitra mivantana amin’ny fiadidian’ny tsatòka. Mihaona tsy tapaka amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana izy mba handray torolalana sy hanao tatitra momba ny andraikiny.

Mandray fitarihana avy amin’ny eveka izay mpiandraikitra mpiahy ao amin’ny paroasy ihany koa ny filohan’ny kôlejin’ny loholona. Mihaona tsy tapaka izy ireo. Mifanakalo hevitra momba ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ny asa fanompoana ataon’ireo rahalahy manompo. Mifanakalo hevitra momba (1) ny fampandrosoana sy ny zavatra ilain’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy ary (2) ireo fivorian’ny kôlejy, sy ny fampianarana ary ireo fiaraha-mientana izy ireo.

8.3.2

Mpikambana ao amin’ny filankevitra avo

Manendry mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo ny fiadidian’ny tsatòka mba hisolo tena azy ireo any amin’ireo kôlejin’ny loholona tsirairay. Ny andraikiny dia hazavaina ao amin’ny 6.5.

8.3.3

Fiadidian’ny kôlejin’ny loholona

8.3.3.1

Fiantsoana fiadidian’ny kôlejin’ny loholona

Rehefa avy nifandinika tamin’ny eveka ny filohan’ny tsatòka dia miantso loholona na mpisorona avo iray mba ho filohan’ny kôlejin’ny loholona.

Raha ampy tsara ny olona ao amin’ilay rantsana dia manolotra anarana loholona na mpisorona avo iray na roa amin’ny filohan’ny tsatòka ny filohan’ny kôlejin’ny loholona mba ho mpanolotsainy. Manao izany izy rehefa avy nifandinika niaraka tamin’ny eveka. Mandinika ireo anarana naroso ny fiadidian’ny tsatòka. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ao amin’ny filankevitra avo no manao ny antso.

Miankina amin’ny fankatoavan’ny fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo ny tolo-kevitra rehetra mikasika ny fiantsoana ny mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona.

Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka no manolotra ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo mba hotohanana. Azon’ny filohan’ny tsatòka atao ihany koa ny manendry mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo mba hanao izany.

Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no manolotra ny anaran’ireo rahalahy izay antsoina ho amin’ireo antso hafa ao amin’ny kôlejy mba hotohanana mandritra ny fivorian’ny kôlejy (jereo ny 8.3.4 sy ny 8.3.5).

Ny filohan’ny tsatòka no manokana ny filohan’ny kôlejin’ny loholona ka manolotra azy ny fanalahidy ao amin’ny antsony. Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ireo fanalahidin’ny fisoronana dia jereo ny 3.4.1. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ao amin’ny filankevitra avo no manokana ireo mpanolotsaina.

8.3.3.2

Andraikitra

Manana ireto andraikitra manaraka ireto ny filohan’ny kôlejin’ny loholona. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy.

  • Manompo ao amin’ny filankevitry ny paroasy. Izy dia (1) mpikambana ao amin’ny filankevitra ka manampy amin’ny fikarakarana ireo zavatra ilaina ao amin’ny paroasy sy mitady vahaolana ary (2) solontenan’ny kôlejin’ny loholona (jereo ny 29.2.5).

  • Mitarika ny ezaka ataon’ny kôlejy handraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny toko 1).

  • Mandamina sy manara-maso ny asa fanompoana ataon’ireo rahalahy mpanompo. Mandrindra ny fanendrena amin’ny fanompoana miaraka amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ary mihaona farafahakeliny isaky ny telo volana. Mangataka ny fankatoavan’ny eveka ho an’ny fanendrena amin’ny fanompoana. Manao dinidinika momba ny fanompoana farafahakeliny isaky ny telo volana. Jereo ny toko 21.

  • Mifampidinika amin’ireo mpikambana olon-dehibe ao amin’ny paroasy araka ny torolalana omen’ny eveka. Ny eveka ihany no manoro hevitra ireo mpikambana ao amin’ny paroasy amin’ny raharaha mahakasika ny fahamendrehana, ny herisetra, ary ny fanomezana fankatoavana hampiasa ny kitapom-bola avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Jereo ny Documentation de conseil (ireo loharanom-pitaovana fanoroana hevitra).

  • Manampy miaraka amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana, amin’ny ezaka atao ao amin’ny paroasy ho fanasana ny rehetra handray ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara (jereo ny 8.2.3 sy ny 9.2.3). Manara-maso ny mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy raha toa ka nisy nantsoina ho amin’izany.

  • Manampy miaraka amin’ny fanampian’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny fitarihana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 8.2.4 sy ny 9.2.4). Manara-maso ny mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana raha toa ka nisy nantsoina ho amin’izany.

  • Mandrindra ny ezaka ataon’ny kôlejin’ny loholona ho fampatanjahana ireo rahalahy tanora, na ireo manambady izany na ireo tsy manambady, ao amin’ny paroasy. Azo tendrena hanompo ao amin’ireo tanora tokan-tena ny mpanolotsaina iray (jereo ny 14.1.2.2).

  • Mihaona amin’ny mpikambana tsirairay manokana ao amin’ny kôlejy farafahakeliny indray mandeha isan-taona. Mifampiresaka momba ireo andraikitra ao amin’ny fisoronana sy izay mahasoa ny mpikambana sy ny fianakaviany.

  • Mampianatra ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ny adidin’izy ireo ao amin’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:89). Tafiditra ao anatin’izany ny fampianarana azy ireo ny fampiasana ny fisoronana amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy sy ireo tsodrano.

  • Manara-maso sy manampy amin’ny fanatsarana ny fampianarana ao amin’ny kôlejy (jereo ny toko 17).

  • Mamolavola sy mitarika fivorian’ny kôlejy.

  • Manara-maso ireo fiaraha-mientan’ny kôlejin’ny loholona (jereo ny 8.2.1.3).

  • Manampy ny zatovolahy sy ireo izay mety ho azo aroso ho loholona hiomana handray ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny 8.4).

  • Manara-maso ny firaketana sy ny tatitra ary ny fitantanam-bolan’ny kôlejy (jereo ny LCR.ChurchofJesusChrist.org). Afaka manampy amin’izany ny mpitantsoratra iray (jereo ny 8.3.4).

Ny filohan’ny tsatòka sy ireo mpikambana voatendry ao amin’ny filankevitra avo no mampianatra ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona momba ireo andraikitra ireo. Azon’izy ireo atao izany mandritra ireo fivorian’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo anivon’ny tsatòka, sy mandritra ireo fivorian’ny fiadidian’ny kôlejy, ary amin’ny alalan’ny fitsidihana manokana ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona (jereo ny 29.3.3).

Amin’ny alalan’ny asa fanompoany ny filohan’ny kôlejin’ny loholona dia manohana ny eveka amin’ny fifantohana amin’ireo zatovo sy amin’ireo andraikitra manokan’ny eveka.

8.3.3.3

Fivorian’ny fiadidiana

Manao fivoriana tsy tapaka ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny mpitantsoratra. Ny filoha no mitarika ireo fivoriana ireo. Ny mpikambana ao amin’ny filankevitra avo voatendry hisahana ny kôlejy dia manatrika matetika ireo fivoriana ireo.

Ny fandaharam-potoana dia mety ahitana ireto singa manaraka ireto:

  • Mamolavola ny fomba hanamafisana orina ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy (ka anisan’izany ireo olona mety ho azo aroso ho loholona) sy ny fianakavian’izy ireo.

  • Manao drafitra ny amin’ny fomba hanampiana amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.

  • Mandrindra ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

  • Mandray andraikitra eo anatrehan’ireo tolo-kevitra sy asa ampanaovina avy amin’ny eveka sy ireo mpitarika ao amin’ny tsatòka.

  • Mandray andraikitra eo anatrehan’ireo asa avy amin’ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy.

  • Mandinika amim-bavaka ireo fanendrena ho amin’ny fanompoana.

  • Manadihady ireo fampahalalana voaray avy amin’ireo dinidinika momba ny fanompoana. Manomana ireo fomba hamantarana ireo tanjaka ary manampy amin’ny fanomezana ny zavatra ilaina. (Jereo ny toko 21.)

  • Mandinika ny amin’ireo rahalahy izay hanompo ao amin’ireo antso sy fanendrena.

  • Mamolavola fivoriana sy fiaraha-mientan’ny kôlejy.

8.3.4

Mpitantsoratra

Ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia afaka miantso mpikambana iray ao amin’ny kôlejy mba ho mpitantsoratry ny kôlejy rehefa nahazoana ny fankatoavan’ny eveka. Manolotra azy mba hotohanana mandritra ny fivorian’ny kôlejy izy ary manokana azy.

Mety ahitana ireto manaraka ireto ny andraikitry ny mpitantsoratra:

  • Manomana ny fandaharam-potoana ho an’ireo fivorian’ny fiadidiana sy fivorian’ny kôlejy.

  • Mandray an-tsoratra mandritra ireo fivoriana ary manara-maso ireo asa nampiandraiketina.

  • Mandamina fotoana hanaovana ireo dinidinika momba ny fanompoana (jereo ny 21.3).

  • Manomana sy mandefa ireo tatitra momba ny fanatrehana sy ny isan’ny dinidinika amin’ny fanompoana izay natao isaky ny telo volana.

  • Manampy amin’ny fanomanana tetibola mandritra ny taona sy manara-maso ireo fandaniam-bola natao.

8.3.5

Antso fanampiny

Mety hanampy ireto antso fanampiny manaraka ireto. Mifanakalo hevitra momba ny filàna izany ny eveka sy ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona.

  • Mpampianatra ao amin’ny kôlejin’ny loholona mba hampianatra mandritra ireo fivoriana isaky ny alahady.

  • Mpandrindra ny asa fanompoana iray mba hanampy amin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny asa fanompoana ho an’ireo olona sahirana (jereo ny 8.2.2.2). Azo atao koa ny miantso mpanampy sy mpikambana ao amina kômity.

  • Mpandrindra ireo fiaraha-mientana mba hanampy amin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana ireo fiaraha-mientan’ny kôlejin’ny loholona (jereo ny 8.2.1.3). Azo atao koa ny miantso mpanampy sy mpikambana ao amina kômity.

  • Mpitantsoratra mpanampy mba hanampy ny mpitantsoratry ny kôlejin’ny loholona.

  • Mpitantsoratra misahana ny fanompoana mba handamina ireo dinidinika momba ny fanompoana sy hanampy amin’ny fanomanana tatitra fanao isaky ny telo volana.

Raha ilaina ireo antso ireo na antso hafa dia manolotra anarana rahalahy ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona mba hanompo. Atolotr’izy ireo ny episkôpa izany anarana atolotra izany. Raha toa ka ankatoavin’ny eveka izany dia azon’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona atao ny miantso azy ireo. Manolotra azy ireo mba hotohanana mandritra ny fivorian’ny kôlejy izy ary manokana azy ireo.

Raha ilaina izany dia afaka manendry rahalahy hanampy amin’ny ezaka ataon’ny kôlejin’ny loholona amin’ny fomba hafa ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona. Ireo rahalahy izay omena andraikitra mandritra ny fotoana fohy dia tsy mila antsoina sy atokana.

Sary
Lehilahy roa manome tsodranon’ny fisoronana olona iray

8.4

Fanampiana ireo olona mety ho azo aroso ho loholona hiomana handray ny Fisoronana Melkizedeka

Ny olona mety ho azo aroso ho loholona dia lehilahy mpikamban’ny Fiangonana izay tsy nandray ny Fisoronana Melkizedeka ka (1) 19 taona na mihoatra na (2) latsaky ny 19 taona fa manambady.

Ny fanampiana ireo olona mety ho azo aroso ho loholona mba handray ny Fisoronana Melkizedeka dia anisan’ny laharam-pahamehana ambony indrindra an’ny kôlejin’ny loholona. Manome fahafahana ireo olona mety ho azo aroso ho loholona mba hanompo sy hizara ny tanjak’izy ireo ny fiadidiana. Rahalahy mpanompo feno fanolorantena no tokony ho voatendry hiaraka amin’ireo olona mety ho azo aroso ho loholona.

Ny fiadidian’ny kôlejy sy ireo rahalahy mpanompo dia mampianatra ireo olona mety ho azo aroso ho loholona ny:

Ho fampahalalana momba ireo lohahevitra ireo dia jereo ny “Prêtrise de Melchisédek,” sy ny “Prêtrise,” ary ny “Femmes de l’Église” (Sujets de l’ évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org).

Azo atao tsirairay any amin’ny tokantrano misy an’ireo zatovolahy izany fanomezana torolalana izany na mandritra ny fotoam-pianarana iray izay atao ivelan’ireo fivoriana fanao isaky ny alahady.

Vantany vao tapaky ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka fa vonona sy mendrika ny olona iray mety ho azo aroso ho loholona dia azo tendrena ho loholona ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka izy.

8.5

Mpikambana manana fahasembanana

Manome fikarakarana manokana ireo mpikambana manana fahasembanana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona. Mba hahitana fampahalalana momba ny fanampiana ireo mpikambana ireo, dia jereo ny disability.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny 38.8.27 ao amin’ity boky torolalana ity.