Avia, hanaraka Ahy
Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinan’ny fianakaviana


“Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinan’ny fianakaviana,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinan’ny fianakaviana,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao: 2019

Sary
zatovovavy manoratra

Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinan’ny fianakaviana

Ireto misy hevitra vitsivitsy hanampiana anao hamporisika ny mpianatra mba handalina manokana ny tenin’ Andriamanitra sy miaraka amin’ny fianakaviany any an-tokantrano. Mitandrema tsara amin’ny hoe tsy ny mpianatra rehetra no afaka handalina ny soratra masina miaraka amin’ny fianakaviany (ohatra, misy mpikambana sasany mipetra-drery na anatina fianakaviana misy tsy mpikambana).

  • Asao ireo mpianatra mba hizara traikefa izay nananany rehefa nandalina ny soratra masina tany an-tokantrano. Ohatra, azonao atao ny mangataka azy ireo mba hizara andininy iray amin’ny vakiteny ho an’ ity herinandro ity izay nanaitra azy ireo ary hanazava ny antony hahitany fa tena manan-danja izany.

  • Angataho ireo mpianatra mba hanome ohatra ny amin’ izay ataon’ izy ireo mba hahatonga ny fandalinana manokana na ny fandalinan’ny mpianakavy ho manan-danja kokoa. (Misy hevitra vitsivitsy hita ao amin’ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina” sy ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinan’ny fianakavianao ny soratra masina” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana.)

  • Asao ireo mpianatra mba hizara hoe ahoana no nanarahan’ izy ireo ny fahatsapana voarainy nandritra ny lesona tany aloha na nandritra ny fandalinana ny soratra masina nataony manokana na niaraka tamin’ny fianakaviany.

  • Manokàna minitra vitsivitsy hanazavana ny fomba fampiasana ny application Bibliothèque de l’Evangile mba handalinana ny soratra masina, anisan’ izany ny fomba fanasiana marika ireo andinin-tsoratra masina sy firaketana ny zavatra tsapa.

  • Asao ny mpianatra iray na mihoatra hizara hoe ahoana ny fomba hampianaran’ izy ireo ny fianakaviany momba ny fitsipiky ny filazantsara iray manokana.