Avia, hanaraka Ahy
Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina


“Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
zatovovavy manoratra

Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina

Ireto misy fomba tsotra vitsivitsy izay mba hanatsarana ny fandalinanao ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina:

Mitady fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy

Mampianatra antsika ny soratra masina fa ny zavatra rehetra dia mijoro ho vavolombelona an’i Kristy (jereo ny 2 Nefia 11:4; Mosesy 6:63), koa tadiavo Izy ao amin’ireo zava-niseho sy tantara ary fampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao. Raiso an-tsoratra na asio marika ireo andininy izay mampianatra momba ny Mpamonjy sy ny fomba hanarahana Azy.

Mitady teny sy andian-teny manentana ny fanahy

Mety hahita ianao fa misy teny na andian-teny sasany ao amin’ny soratra masina manohina ny fonao, toa ireny hoe nosoratana manokana ho anao izany. Mety ho tena misy lanjany sy manentana ny fanahy ary mandrisika manokana izany. Asio marika izy ireny ao amin’ny soratra masinao na soraty ao anaty diary fandalinana.

Mitady fahamarinana ara-pilazantsara

Indraindray ny fahamarinana ara-pilazantsara (izay antsoina matetika hoe fotopampianarana na fitsipika) dia voalaza mivantana, ary indraindray izy ireny resahina amin’ny alalan’ny ohatra na tantara. Manontania tena hoe: “Inona no fahamarinana mandrakizay ampianarina ao amin’ireo andininy ireo?”

Mihaino ny Fanahy

Henoy tsara ireo eritreritra sy fahatsapana anananao na dia tsy misy hidirany amin’izay vakinao aza izany. Ireo fahatsapana ireo no mety ho tena zavatra tian’ny Ray any An-danitra ho fantatrao.

Mampitaha ny soratra masina amin’ny fiainanao

Eritrereto ny fomba fiantefan’ireo tantara sy fampianarana vakinao eo amin’ny fiainanao. Ohatra, afaka manontany tena ianao hoe: “Inona no zavatra efa niainako ka mitovy amin’ny zavatra izay vakiko?” na “Ahoana no ahafahako manaraka ny ohatra asehon’ity olona ao amin’ny soratra masina ity?”

Mametraka fanontaniana eo am-pandalinana

Eo am-pandalinanao ny soratra masina dia mety hisy fanontaniana tonga ao an-tsaina. Ireo fanontaniana ireo dia mety hifandray amin’ny zavatra vakinao na amin’ny fiainanao amin’ny ankapobeny. Saintsaino ireo fanontaniana ireo ary mitadiava valiny rehefa manohy mandalina ny soratra masina ianao.

Mampiasa ireo fitaovana fandalinana soratra masina

Mba hahazoana hevitra fanampiny amin’ireo andininy izay vakinao dia ampiasao ireo fanamarihana eny ambanin’ny pejy, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ary ireo fitaovana fandalinana hafa.

Mirakitra an-tsoratra ny eritreritrao sy ny fahatsapanao

Misy fomba maro azo hiraketana ireo fahatsapana tonga mandritra ny fandalinanao. Ohatra, afaka manisy marika teny na andian-teny manan-danja ianao ka hanoratra ny eritreritra hiendrika fanamarihana ao amin’ny soratra masinao. Afaka mampiasa diary ihany koa ianao asiana hevi-baovao, fahatsapana, ary eritreritra tonga ao aminao.

Mandalina ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly amin’ny andro farany

Vakio ny zavatra nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly velona momba ireo fitsipika izay hitanao ao amin’ny soratra masina (ohatra, jereo ao amin’ny conference.lds.org na ny gazetibokin’ny Fiangonana).

Mizara hevi-baovao

Ny fifanakalozan-kevitra momba ireo hevi-baovao tamin’ny fandalinana manokana nataonao dia tsy fomba tsara hampianarana ny hafa fotsiny ihany fa manamafy orina ny fahatakaranao ny zavatra novakinao ihany koa.

Miaina izay ianaranao

Ny fandalinana soratra masina dia tsy tokony hanentana ny fanahintsika fotsiny. Tokony hitarika antsika hanova ny fomba fiainantsika izany. Henoy ny zavatra bitsihin’ny Fanahy mba hataonao rehefa mamaky ianao, ary avy eo dia manolora tena hanao zavatra araka izany bitsika izany.

Sary
fianakaviana mamaky soratra masina

Niteny ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Rehefa mamaky sy misaintsaina ny soratra masina isika dia hiaina ilay fahazoan’ny fanahintsika bitsika tena tsara avy amin’ny Fanahy. Afaka mahazo ny valin’ireo fanontaniantsika isika. Mahafantatra ireo fitahiana tonga amin’ny alalan’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra isika. Mahazo fijoroana ho vavolombelona azo antoka momba ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ary ny fitiavan’ Izy ireo antsika isika. Rehefa ampiarahantsika amin’ny vavaka ataontsika izany dia afaka mahafantatra marina tokoa isika fa marina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. … Rehefa mahatsiaro ny vavaka isika ary maka fotoana hamakiana ny soratra masina dia hotahiana kokoa amin’ny fotoana tsy voafetra ny fiainantsika ary hohamaivanina kokoa ny enta-mavesatsika” (“Tsy irery na oviana na oviana isika,” Liahona, nôv. 2013, 122).