Avia, hanaraka Ahy
Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana


“Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana,Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana,Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Ho an’iza ity fitaovana ity?

Ity fitaovana ity dia ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ato amin’ny Fiangonana. Natao hanampiana anao hianatra ny filazantsara izany, na izany ho anao manokana na miaraka amin’ny fianakavianao. Raha tsy nandalina tsy tapaka ny filazantsara ianao taloha dia afaka manampy anao hanomboka izany ity fitaovana ity. Raha efa manana fahazarana tsara amin’ny fandalinana ny soratra masina ianao dia afaka manampy anao hahazo traikefa manan-danja kokoa ity fitaovana ity.

Ahoana no tokony hampiasako ity fitaovana ity?

Ampiasao amin’izay fomba manampy anao ity fitaovana ity. Mety ho hitanao fa manampy izany raha atao torolalana na fanampiana amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina na miaraka amin’ny fianakaviana. Azonao ampiasaina amin’ny takarivan’ny mpianakavy ihany koa izany. Ireo rindran-damina dia manasongadina ireo fitsipika manan-danja hita ao amin’ny Testamenta Vaovao, manolotra hevitra hoenti-mandalina sy asa atao ho an’ny isam-batan’olona sy ho an’ny fianakaviana, ary manome toerana hanoratana ireo fahatsapana anananao.

Mety efa mandalina tsy tapaka ny filazantsara ianao sy ny fianakavianao. Mety manana tanjona hamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao. Na efa mamaky boky soratra masina hafa ao amin’ny kilasin’ny seminera na institiota ianao. Ny Avia, hanaraka Ahy dia tsy natao hisolo toerana na hifaninana amin’ireo zavatra tsara efa ataonao. Mety misy ny fomba ahafahana mianatra tsy tapaka avy amin’ny Testamenta Vaovao nefa sady manohy hatrany ny fanatanterahana ireo tanjonao amin’ny fandalinana ny soratra masina hafa. Ohatra, mety hanohy hamaky ny Bokin’i Môrmôna ianao amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina ary hamaky ny Testamenta Vaovao rehefa miaraka amin’ny fianakaviana (na ny mifamadika amin’izany). Na, rehefa mamaky ny Testamenta Vaovao ianao dia afaka mitady andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay manamafy ny zavatra izay ianaranao. Araho ny fitarihan’ny Fanahy mba hahitana ny fomba handalinanao manokana ny tenin’ Andriamanitra.

Inona no ifandraisan’ity fitaovana ity amin’ny zavatra mitranga ato amin’ny Fiangonana?

Ny rindran-damina ao anatin’ity fitaovana ity dia narafitra mifanaraka amin’ny lamina famakiana isan-kerinandro. Ny lesona ampianarina any amin’ny kilasin’ny Kilonga sy ny Sekoly Alahady dia manaraka io lamina io ihany koa. Mba hanampiana ireo ezaka ataonao hianarana sy hiainana ny filazantsara any an-tokantrano dia hanome fahafahana anao hizara ireo zavatra niainanao sy ireo eritreritrao ary ireo fanontaniana anananao momba ireo andinin-tsoratra masina izay nohalalininao nandritra ny herinandro ny mpampianatra anao.

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga sy ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady dia ahitana rindran-damina isan-kerinandro ao anatin’ny taona iray afa-tsy ireo alahady roa hanaovana ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Rehefa tsy misy ny fivoriam-piangonana mahazatra noho ny fihaonamben’ny tsatòka na antony hafa dia asaina ianao hanohy ny fandalinana ny Testamenta Vaovao any an-tokantrano. Afaka mandingana ireo lesona napetraka ho an’izany daty izany ny kilasinao any am-piangonana na manambatra lesona anankiroa mba hanarahana ilay fandaharana.

Mila manaraka ilay fandaharana ve aho?

Ilay fandaharana dia hanampy anao hanaraka ireo fitaovana ampiasaina any amin’ireo kilasin’ny Sekoly Alahady, saingy aza mieritreritra ho tsy maintsy manaraka izany. Ilay fandaharana dia torolalana fotsiny ihany mba hanampiana anao tsy handeha haingana na miadana loatra. Ny zavatra tena manan-danja dia ny fianaranao ny filazantsara manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana.

Sary
fianakaviana mamaky ny soratra masina