Avia, hanaraka Ahy
Loharanom-pitaovana fanampiny


“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Sary
fianakaviana mijery tablette

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireto loharanom-pitaovana rehetra ireto dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny LDS.org.

Gazetibokin’ny Fiangonana

Ny gazetiboky Liahona dia ahitana tantara sy asa atao izay afaka manampy ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Fihirana sy hiran’ny ankizy ary ny Chants pour les enfants

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy sy mampianatra fotopampianarana amin’ny fomba sarotra hadinoina. Ankoatra ny Fihirana sy hiran’ny ankizy sy ny Chants pour les enfants, voatonta dia afaka mahita raki-peo sy horonan-tsarin’ny hira maro ianao ao amin’ny music.lds.org sy ao amin’ny application Musique SDJ.

Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao

Ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao (2005) dia afaka manampy ireo ankizy hianatra ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Afaka mahita ireo tantara ireo koa ianao ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny medialibrary.lds.org.

Boky torolalana ho an’ny Seminera sy Institiota

Ny boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota dia manolotra fampahalalana fototra ara-tantara sy fanazavana ny fotopampianarana ho an’ireo fitsipika sy tantara hita ao amin’ny soratra masina.

Tahirim-pampahalalana amin’ny endriny maro

Ireo asa haikanto, horonan-tsary, ary fitaovam-pampahalalana hafa dia afaka manampy anao sy ireo ankizy hahazo sary an-tsaina ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Tsidiho ny medialibrary.lds.org mba hitsidihana ny amboaram-pitaovana misy ireo fampahalalana an’ny Fiangonana, ka anisan’izany ireo andiana horonan-tsary mikasika ny Baiboly (Bible Videos), izay maneho ireo zava-nitranga tao

amin’ny

Testamenta Vaovao.

Miorim-paka ao amin’ny Finoana

Raha mila fanampiana fanampiny ianao amin’ny fahatakarana ireo fitsipika fototry ny filazantsara dia jereo ny Miorim-paka ao amin’ny Finoana (2004). Io fitaovana io dia manolotra fanazavana tsotra momba ireo lohahevitra ara-pilazantsara, izay voalahatra manaraka ny abidia.